Scripture Stories
Toko 63: Nankany amin’ny Lohasahan’i Salt Lake ireo mpamaky lay: aprily– jolay 1847


Toko 63

Nankany amin’ny Lohasahan’i Salt Lake ireo mpamaky lay

Aprily– jolay 1847

Sary
Fifindrana niankandrefana
Sary
I Brigham Young mitarika saretin’omby

Nandao an’i Winter Quarters tamin’ny aprily 1847 hanombohana ny dia miankandrefana ny vondrona mpamaky lay voalohany. Nisy lehilahy 143, sy vehivavy 3, ary ankizy 2 tao amin’ilay vondrona izay notarihin’i Brigham Young.

Sary
Indiana Amerikana

Nandritra ilay dia voalohany dia saika ho fisaka sy rakotra ahitra lava ny tany novakivakian’ireo mpamaky lay. Nantsoina hoe lemaka izany karazana tany izany. Nipetraka teo amin’ny lemaka ireo Indiana. Tsy nisy tanàna na toeram-pambolena sy fiompiana.

Sary
Olomasina manatanteraka ny adidy isan-karazany

Nanana asa natao ny rehetra teny an-dalana. Nikarakara ireo ankizy sy nahandro sakafo ireo vehivavy. Nanamboatra lalana, nanangana tetezana, sy nanamboatra sarety, ary nihaza sakafo ireo lehilahy.

Sary
Vehivavy mikarakara sakafo

Nanao dia nandritra ny manontolo andro ireo mpamaky lay. Rehefa tonga ny alina dia nataon’izy ireo niendrika faribolana ny saretin’izy ireo dia nitoby teo izy ireo. Nijanona tao anatin’ilay faribolana ireo olona sy biby. Nanangana afo sy nahandro ny sakafony izy ireo.

Sary
Olomasina mihira

Matetika ireo mpamaky lay no nandihy sy nihira. Iray amin’ireo hira tian’izy ireo indrindra ny “Ndao ry Olomasina.” Nanampy ny Olomasina hanana herim-po hiatrehana ireo toe-java-tsarotra niainan’izy ireo ny fihirana izany. Nasain’i Brigham Young naka aina sy nitsaoka an’ Andriamanitra ireo Olomasina rehefa Alahady. Nivavaka sy nandalina ny soratra masina ary nanao fivoriana Fanasan’ny Tompo ireo Olomasina.

Sary
Olomasina mitsoka anjomara

Isaky ny maraina amin’ny dimy ora dia misy lehilahy iray mitsoka anjomara milaza amin’ny mpamaky lay fa tonga ny fotoana hifohazana. Dia nivavaka, nihinana sakafo maraina, sy namahana ireo biby, ary niomana ny hanainga amin’ny fito izy ireo.

Sary
I Brigham Young miresaka amin’ny mpamandrika biby

Nanao dia nandritra ny efa-bolana namakivaky ireo lemaka ireo mpamaky lay. Nihaona tamina olona vitsivitsy hafa izy ireo teny an-dalana. Mpamandrika biby ny sasany tamin’izy ireny izay nilaza tamin’i Brigham Young mba tsy handeha any amin’ny Tendrombohitra Haram-bato satria ho sarotra ny hamafy masomboly any.

Sary
Olomasina miresaka

Nilaza tamin’i Brigham Young ny olona hafa mba hitondra ny Olomasina any Californie satria tsara ny tany ary nalefaka ny toetr’andro. Nolazain’i Brigham Young anefa fa nampisehoan’ny Tompo azy ny toerana tokony halehan’ny Olomasina.

Sary
Mpivady ao an-toby

Tonga teo amin’ny Tendrombohitra Haram-bato ihany ny mpamaky lay nony farany, tena sarotra ny namakivaky izany.

Sary
I Brigham Young matory marary

Narary i Brigham Young ka tsy afaka nanao dia haingana. Nifidy lehilahy vitsivitsy izy handeha mialoha any amin’ny Lohasahan’i Salt Lake Lehibe ka hanomboka hamafy masomboly.

Sary
Lehilahy mijery avy eny ambony ny Lohasahan’i Salt Lake

Nentin’ireo lehilahy ireo nananika ireo tendrombohitra ny saretin’izy ireo. Nidina tao amin’ilay lohasaha izy ireo ary nitoby teo akaikin’ny ony iray.

Sary
Lehilahy miasa tany miaraka amin’ny soavaly

Notokanan’izy ireo ny tany ary nangataka tamin’ny Tompo izy ireo mba hitahy ireo voa hafafin’izy ireo. Dia namafy voa izy ireo avy teo.

Sary
I Brigham Young tonga teo amin’ny lohasaha

Telo andro taty aoriana dia nivoaka ny tendrombohitra i Brigham Young sy ny ambiny tamin’ilay vondrona ary nijery ilay lohasaha avy teny ambony. Rehefa nahita izany i Brigham Young dia fantany fa io no toerana tian’ny Tompo hitoeran’ny Olomasina. Hoy izy: “Ity no ilay toerana. Mandrosoa.” Nitarika ny saretin’izy ireo nidina tao amin’ilay lohasaha ny Olomasina. Tamin’ny 24 jolay 1847 izany. Rehefa avy nanao dia 1600 kilaometatra namakivaky lemaka sy tendrombohitra ny Olomasina dia nahita toerana iray azon’izy ireo nitoerana nony farany. Feno fankasitrahana izy ireo fa nitarika azy ireo tamin’ny toerana feno fandriampahalemana sy ieren-doza Andriamanitra na dia fantatr’izy ireo aza fa ho betsaka ireo fanamby ilain’izy ireo horesena.

Hamoaka printy