Scripture Stories
Toerana tsara ho fantatra


Toerana Tsara ho Fantatra

Adama-ondia-Amàna

I Adama-ondia-Amàna dia toerana iray any amin’ny faritanin’i Missouri. Nitsidika an’i Adama i Jesoa taloha ela be

Amerika

Amerika dia tany nonenan’ny vahoakan’ny Bokin’i Môrmôna taloha ela be.

Arizona

Faritany iray any andrefan’i Etazonia i Arizona. Nandefa Olomasina hanorina tanàna tany Arizona i Brigham Young.

Californie

Faritany iray any andrefan’i Etazonia i Californie. Nandefa Olomasina hanorina tanàna tany Californie i Brigham Young.

Carthage

Tanàna iray ao Illinois i Carthage. Novonoina tao amin’ny Fonjan’i Carthage i Joseph sy i Hyrum Smith.

fanjakana selestialin’ny lanitra

Ny fanjakana selestialin’ny lanitra no itoeran’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Honina any ny olona marina rehefa avy mitsangana amin’ny maty.

Colorado

Faritany iray any andrefan’i Etazonia i Colorado.

Council Bluffs

Tanàna iray any amin’ireo lemak’i Etazonia i Council Bluffs. Ao Iowa no misy azy.

Egypta

Egypta dia tany nonenan’i Abrahama sy i Mosesy taloha ela be.

Far West

Tanàna iray tany amin’ny faritanin’i Missouri i Far West. Nonina tany Far West nandritra ny fotoana naharitra ny Olomasina.

Fayette

Tanàna iray tao amin’ny faritanin’i New York i Fayette. Tany Fayette no nananganan’i Joseph Smith ny Fiangonana.

Sahan’i Getsemane

Eo akaikin’i Jerosalema ny Sahan’i Getsemane. Nijaly sy nilatsa-drà ho antsika tao amin’ny Sahan’i Getsemane i Jesoa.

Lohasahan’i Salt Lake Lehibe

Any andrefan’i Etazonia ny Lohasahan’i Salt Lake Lehibe.

Harmony

Tanàna iray nipetrahan’i Joseph Smith i Harmony.

Fitotoam-barin’i Haun

Tanàna iray tany amin’ny faritanin’i Missouri ny Fitotoam-barin’i Haun. Namono Olomasina maro tao amin’ny Fitotoam-barin’i Haun ny andian’olona mpihetraketraka iray.

lanitra

Ny lanitra no toerana izay onenan’ny Ray any an-danitra sy i Jesoa Kristy. Niaina tany an-danitra isika talohan’ny nahatongavantsika teto an-tany.

Havoanan’i Komôrà

Teo akaikin’ny tranon’i Joseph Smith tao New York ny Havoanan’i Komôrà Nafenina tao amin’ny Havoanan’i Komôrà ireo takela-bolamena.

Idaho

Faritany iray any andrefan’i Etazonia i Idaho. Nandefa Olomasina hanorina tanàna tany Idaho i Brigham Young.

Illinois

Faritany iray any andrefan’i Etazonia i Illinois. Tanàna ao Illinois i Nauvoo sy Carthage.

Independence

Tanàna iray ao amin’ny Fivondronan’i Jackson, Missouri i Independence. Nambaran’ny Tompo fa eo akaikin’i Independence no hanorenana ny tanànan’i Ziona.

Fivondronan’i Jackson

Ao Missouri no misy ny Fivondronan’i Jackson. Nasain’ireo andian’olona mpihetraketraka nandao ny Fivondronan’i Jackson ny Olomasina.

Jerosalema

Tanàna iray any Isiraely i Jerosalema. Hankany Jerosalema i Jesoa rehefa hiverina eto an-tany Izy.

Kirtland

Tanàna iray any Ohio i Kirtland. Nipetraka tany Kirtland nandritra ny taona maro ireo Olomasina voalohany ary nanangana tempoly iray tao izy ireo.

Liberty

Tanàna iray any Missouri i Liberty. Tao amin’ny Fonjan’i Liberty nandritra ny volana maro i Joseph Smith.

Renirano Mississippi

Eo akaikin’ny tananan’i Nauvoo ny ampahany amin’ny Renirano Mississippi. Niampita ny Renirano Mississippi ny Olomasina rehefa nandao an’i Nauvoo.

Missouri

Faritany iray any andrefana afovoan’i Etazonia i Missouri. Tanàna iray ao Missouri i Independence.

Nauvoo

Tanàna iray ao Illinois i Nauvoo. Nipetraka tany Nauvoo ary nanangana tempoly iray tao ny Olomasina.

New York

Faritany iray any atsinanan’i Etazonia i New York. Ao New York ny Havoan’i Kômôrà. Tanàna ao New York i Palmyra sy i Fayette.

Ohio

Faritany iray any andrefana afovoan’i Etazonia i Ohio. Tanàna iray any Ohio i Kirtland.

Ranomasimbe Pasifika

Any amin’ny ilany andrefan’i Etazonia ny Ranomasimbe Pasifika. Nanao diabe nankany amin’ny Ranomasimbe Pasifika ny Andian-tafika Môrmôna.

Palmyra

Tanàna iray any New York izay nonenan’ny fianakavian’i Joseph Smith i Palmyra.

Pennsylvanie

Faritany iray any atsinanan’i Etazonia i Pennsylvanie. Nipetraka tany Pennsylvanie ny fianakavian’i Emma Smith.

Pueblo

Tanàna iray ao Colorado i Pueblo. Nandao ny fianakavian’izy ireo tany Pueblo ireo lehilahy tao amin’ny Andian-tafika Môrmôna.

Quincy

Tanàna iray ao Illinois i Quincy.

Tendrombohitra Haram-bato

Any amin’ny faritra andrefan’i Etazonia ny Tendrombohitra Haram-bato. Namakivaky ny Tendrombohitra Haram-bato ireo mpamaky lay ka nandeha tao amin’ny Lohasahan’i Salt Lake Lehibe.

Salt Lake City

Nanangana an’i Salt Lake City ireo mpamaky lay. Ao amin’ny Lohasahan’i Salt Lake Lehibe izany.

fanjakana telestialin’ny lanitra

Honina any amin’ny fanjakana telestialin’ny lanitra ireo olona izay tsy nanao ny tsara teto an-tany aorian’ny fitsanganan’izy ireo amin’ny maty.

fanjakana terestrialin’ny lanitra

Honina any amin’ny fanjakana terestrialin’ny lanitra ireo olona tsara kanefa tsy nankatò ireo didin’ Andriamanitra rehetra teto an-tany aorian’ny fitsanganan’izy ireo amin’ny maty.

Etazonia

Tany any Amerika Avaratra i Etazonia. Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia naverina tamin’ny laoniny tany Etazonia.

Utah

Faritany iray any andrefan’i Etazonia i Utah. Any Utah i Salt Lake City.

Vermont

Faritany iray any atsinanan’i Etazonia i Vermont. Teraka tao Vermont i Joseph Smith.

Winter Quarters

Tanàna iray any amin’ireo lemak’i Etazonia i Winter Quarters.

Wyoming

Faritany iray any andrefan’i Etazonia i Wyoming. Nandefa Olomasina hanorina tanàna tany Wyoming i Brigham Young.

Ziona

Tanàna iray naorin’i Enoka i Ziona. Hisy tanàna iray hafa antsoina hoe Ziona indray andro any. Ao amin’ny Fivondronan’i Jackson Missouri no hisy izany.

Hamoaka printy