Scripture Stories
Toko 61: Ny Andian-tafika Môrmôna: jona 1846-jolay 1847


Toko 61

Ny Andian-tafika Môrmôna

Jona 1846-jolay 1847

Sary
Fifindrana niankandrefana
Sary
Ny Kapiteny James Allen

Raha tao Iowa ny Olomasina dia tonga nihaona tamin’i Brigham Young ny Kapiteny James Allen tao amin’ny Tafik’i Etazonia. Nilaza ny Kapiteny Allen fa mila lehilahy 500 isa avy amin’ny Fiangonana ny Filohan’i Etazonia hiaraka amin’ny tafika amin’ny ady atao amin’i Mekisika.

Sary
I Brigham Young miresaka amin’i James Allen

Na dia fotoan-tsarotra ho an’ny Olomasina aza tamin’izany ary tena nilaina tamin’ireo dia niankandrefana ireo lehilahy dia namporisika azy ireo handeha i Brigham Young. Ny vola karaman’izy ireo dia hanampy ny fianakavian’izy ireo, sy ireo Olomasina nahantra, ary ireo misiônera. Hampiseho ny fahatokian’ny mpikamban’ny Fiangonana amin’ny fireneny ihany koa ny fanompoana ao amin’ny tafika.

Sary
Ny Kapiteny Allen mihaona amin’ny Olomasina

Niresaka tamin’ireo lehilahy ny Kapiteny Allen ka niditra tao amin’ny tafika ny 541 tamin’izy ireo. Nantsoina hoe Andian-tafika Môrmôna izy ireo.

Sary
I Brigham Young miresaka amin’ny Andian-tafika Môrmôna

Nangatahin’i Brigham Young ireo lehilahy mba ho miaramila tsara indrindra ao amin’ny tafika. Tokony hitondra ny Baiboly sy ny Bokin’i Môrmôna miaraka aminy izy ireo. Tsy maintsy madio sy mahalala fomba izy ireo. Tsy tokony hianiana na hilalao karatra izy ireo. Nasain’i Brigham Young nankatò ireo didin’ Andriamanitra ireo lehilahy. Raha nanao izany izy ireo dia tsy ho nila niady akory.

Sary
Ny Andian-tafika Môrmôna mandao ny fianakavian’izy ireo

Nanainga niaraka tamin’ny Kapiteny Allen ny Andian-tafika Môrmôna tamin’ny jolay 1846. Sarotra ho azy ireo ny nandao ny vady aman-janany tamin’ny fotoan-tsarotra toy izany. Saingy nilaza i Brigham Young fa ho voakarakara ny fianakavian’izy ireo mandritra ny fotoana tsy maha-eo azy ireo.

Sary
Fianakaviana vitsivitsy niaraka tamin’ny andian-tafika

Nankany amin’ny toby miaramila an’i Etazonia antsoina hoe Fort Leavenworth, toerana nahazoan’izy ireo vatsy, ny Andian-tafika Môrmôna. Dia nanao dia nianatsimo nankany Californie izy ireo avy teo. Niaraka tamin’izy ireo ny fianakavian’ny miaramila vitsivitsy.

Sary
Andian-tafika miaina toe-javatra sarotra

Sarotra ho an’ilay andian-tafika ny nanao dia. Tena ratsy ireo lalana, ary nikatso ireo sarety indraindray. Sarotra ny nahita rano hosotroina. Indraindray tsy nisy hazo azo nialokalofana mba hahazoan’izy ireo maka aina.

Sary
Miaramila nandeha tany Colorado

Narary ny sasany tamin’ireo olona. Nanapa-kevitra ilay kapiteny fa tokony handeha ho any Colorado ka hijanona ao amin’ny tanànan’i Pueblo ireo zaza amam-behivavy, ary koa ireo miaramila narary. Nijanona tao nandritra ny ririnina izy ireo. Nihaona tamin’ireo mpamaky lay izay namakivaky ireo lemaka izy ireo ny fahavaratra.

Sary
Miaramila mangady tany mitady rano

Nanohy nanao diabe ny ankamaroan’ireo miaramila tao amin’ilay andian-tafika. Indraindray izy ireo nila niady fasika mba hahitana rano. Tsy nanana sakafo ampy izy ireo. Matetika no tsy nisy kitay hanaovana afo, koa nila nandoro ahitra ireo lehilahy.

Sary
Miaramila manao fifanakalozana amin’ny Indiana Amerikana

Nifanena tamina Indiana sy olona hafa izay nanana sakafo ireo miaramila. Tsy nanana vola hividianana sakafo ireo miaramila, koa nanome ny akanjony sasany tamin’ireo Indiana ho takalona sakafo izy ireo.

Sary
Andian-tafika mitarika sarety amin’ny tady

Tonga tamina tendrombohitra mideza izy ireo. Namatotra tady tamin’ireo sarety ireo lehilahy ary nitarika izany hiakatra ny tendrombohitra. Dia navelan’izy ireo hitsotsorika hidina tany amin’ny ilan’ny tendrombohitra izany avy eo.

Sary
Ombilahy manafika ireo miaramila

Indray andro dia nisy ombilahy vitsivitsy nanafika ireo miaramila. Niady tamin’ireo ombilahy ireo lehilahy ka nandroaka azy ireo nony farany. Naratra ny miaramila telo.

Sary
Andian-tafika tonga teo amin’ny Ranomasimbe Pasifika

Rehefa avy nanao diabe mihoatra ny 3200 kilaometatra ny Andian-tafika Môrmôna, dia tonga teo amin’ny Ranomasimbe Pasifika ihany nony farany tamin’ny 29 janoary 1847. Reraka be ireo lehilahy, ary rotika ny akanjon’izy ireo. Faly izy ireo fa tapitra ny diabe lavitra nataon’izy ireo.

Sary
Miaramila nomena vola ho karama

Niasa tao Californie ireo lehilahy mba hamitana ny taom-panompoan’izy ireo tao amin’ny tafika. Dia navela handeha ho any amin’ny fianakaviany izy ireo avy eo. Araka ny nampanantenain’i Brigham Young dia tsy nila niady ireo lehilahy tao amin’ny Andian-tafika Môrmôna.

Sary
Miaramila miverina amin’ny fianakaviany

Nijanona tany Californie ny sasany tamin’ireo lehilahy. Nandeha tany amin’ny Tendrombohitra Haram-bato ny ankamaroan’izy ireo mba hiaraka amin’ny fianakaviany sy ireo Olomasina hafa izay tonga tao. (Jereo ny sarintany ao amin’ny pejy 234 hijerena ny lalan’ny Andian-tafika Môrmôna.)

Hamoaka printy