Scripture Stories
Toko 56: Korontana bebe kokoa ho an’ireo Olomasina: 1843–1844


Toko 56

Korontana bebe kokoa ho an’ireo Olomasina

1843–1844

Sary
Tempolin’i Nauvoo
Sary
Olona manakorontana

Tsy mpikamban’ny Fiangonana ny ankamaroan’ireo olona nipetraka teo akaikin’i Nauvoo. Maro tamin’izy ireo no tsy tia ny Olomasina ary nanomboka nanakorontana azy ireo.

Sary
Andian’olona mpietraketraka mangalatra ny biby fiompin’ireo Olomasina

Nivondrona ho andian’olona mpietraketraka ny sasany tamin’ny vahoaka. Nangalatra ny biby fiompin’ireo Olomasina izy ireo ary nandoro ny trano natao ho an’ny biby sy ny tranon’izy ireo. Niezaka nampiala ny Olomasina tao Nauvoo izy ireo. Tsy nanakana ireo andian’olona mpietraketraka ny mpitandro filaminana sy ireo miaramila. Tsy nanampy ny Olomasina ny governora.

Sary
I Joseph mahazo sary an-tsaina ireo Olomasina mandeha miankandrefana

Nilaza tamin’ny Olomasina tao Nauvoo i Joseph Smith fa tsy maintsy hiatrika korontana izy ireo. Fantany fa tsy maintsy handao an’i Nauvoo izy ireo indray andro any ary hifindra amin’ny toerana iray izay tsy hisy olona hanakorontana azy ireo.

Sary
I Joseph mihaona amin’ireo Apôstôly

Nanao fivoriana niaraka tamin’ireo Apôstôly sy ny lehilahy vitsivitsy hafa i Joseph Smith. Nasainy izy ireo hitady toerana ahafahan’ny Olomasina mitoetra raha toa ka tsy maintsy handao an’i Nauvoo.

Sary
I Joseph mijery sarintany

Nijery ny sarintan’ilay tany i Joseph. Nampiseho toerana iray izay nisy tendrombohitra avo sy lohasaha midadasika ireo sarintany. Fantatr’i Joseph fa ho toerana tsara ho an’ny Olomasina izany.

Sary
Olona mihomehy

Nitsipaka izany ny olona sasany tao Nauvoo izay mpikamban’ny Fiangonana. Nankahala an’i Joseph Smith izy ireo ary naniry ny hamono azy. Nanomboka nanoratra gazety sy nanoratra zavatra ratsy momba an’i Joseph sy ny Olomasina izy ireo.

Sary
Olomasina manimba ny trano printy

Tezitra momba ilay gazety ireo mpitarika ny tanàna tao Nauvoo. Satria mamoaka lainga izany dia nahatsapa ireo mpitarika fa nanana fahefana ara-dalàna hampitsahatra izany izy ireo. Nandeha tany amin’ilay trano fanaovan-gazety ny lehilahy sasany ka nandoro ireo gazety sy nandrava ilay trano printy. Nahatonga ireo fahavalon’ny Fiangonana ho tezitra kokoa izany.

Hamoaka printy