Scripture Stories
Toko 9: Fanorenana ny Fiangonan’i Jesoa Kristy: 6 aprily 1830


Toko 9

Fanorenana ny Fiangonan’i Jesoa Kristy

6 aprily 1830

Sary
batisa
Sary
I Joseph mandray fanambarana

Nipetraka tao amin’ny tanànan’i Fayette tao amin’ny faritanin’i New York i Joseph Smith. Nolazain’i Jesoa tamin’i Joseph fa tonga ny fotoana hitsanganan’ny Fiangonany marina indray eto ambonin’ny tany. Nasaina nanorina ny Fiangonana i Joseph.

Sary
I Joseph manome torolalana ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana

Tamin’ny 6 aprily 1830, dia nanao fivoriana iray mba hanorenana ny Fiangonana i Joseph. Tonga nanampy azy i Oliver Cowdery, i Hyrum Smith, i Samuel Smith, sy i David Whitmer, ary i Peter Whitmer. Efa natao batisa avokoa izy rehetra ireo. Nisy olona hafa koa tonga tamin’ilay fivoriana.

Sary
I Joseph manendry loholona

Nivavaka tamin’ny Ray any An-danitra ireo lehilahy. Nanendry an’i Oliver ho loholona ao amin’ny Fiangonana i Joseph. Dia nanendry an’i Joseph i Oliver avy eo.

Sary
I Joseph manamasina ny fanasan’ny Tompo

Nanamasina ny fanasan’ny Tompo i Joseph sy i Oliver. Dia nanolotra izany tamin’ireo lehilahy.

Sary
I Joseph mandray ho mpikambana ny olona

Nametraka ny tanany teo ambonin’ny lohan’ny lehilahy tsirairay i Joseph sy i Oliver ary nandray azy ireo ho mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy sy nanome azy ireo ny fanomezana Fanahy Masina.

Sary
Lehilahy mijoro ho vavolombelona

Nanendry ny sasany tamin’ireo lehilahy hafa ho amin’ny fisoronana i Joseph sy i Oliver. Faly be ireo lehilahy ireo. Nilaza izy ireo fa tiany Andriamanitra sy nanambara ny fomba nitahiany azy ireo.

Sary
I Joseph mandray fanambarana

Nanome fanambarana iray tamin’i Joseph Smith i Jesoa nandritra ilay fivoriana. Nolazain’i Jesoa fa mpaminany i Joseph. Miteny ho an’i Jesoa ny mpaminany marina iray. Rehefa miteny ho an’i Jesoa ny mpaminany iray dia tokony hihaino azy sy hankatò azy ny mpikamban’ny Fiangonana.

Sary
I Joseph manao batisa ny reniny

Taorian’ilay fivoriana dia maro ireo olona natao batisa, anisan’izany ny reny sy rain’i Joseph Smith. Tena andro tsara izany! Teto an-tany indray ny Fiangonan’i Jesoa Kristy.

Hamoaka printy