Scripture Stories
Sary avy tao amin’ny Tantaran’ny Fiangonana


Sary avy tao amin’ny Tantaran’ny Fiangonana

Sary
Ilay Alakely masina

Ilay Alakely masina. Tao tamin’ireo ala akaikin’ny tranony ireo no nahita ny Fahitana Voalohany ny Mpaminany Joseph Smith.

Sary
tranohazon’i Joseph Smith rainy

Tranohazon’i Joseph Smith rainy Ity dia tahadikan’ny trano nipetrahan’ny fianakaviana Smith fahiny.

Sary
Trano printy Grandin

Trano printy Grandin sy fanontam-printy. Teto no nitranga ny fanontana voalohany ny Bokin’i Môrmôna.

Sary
Renirano Susquehanna

Renirano Susquehanna. Ny Fisoronana Aharôna sy Melkizedeka dia naverina tamin’ny laoniny teo amoron’ity renirano ity (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 13; 128:20).

Sary
tranohazon’i Petera Whitmer rainy

Tranohazon’i Petera Whitmer rainy Ity dia tahadikan’ny toerana nananganana ny Fiangonana tamin’ny 6 aprily 1830.

Sary
Tempolin’i Kirtland

Tempolin’i Kirtland. Ity no tempoly voalohany naorina tamin’ny andro farany. Namerina tamin’ny laoniny ireo fanalahidin’ny fisoronana tao amin’ity tempoly ity i Jesoa, i Mosesy, i Elià ary Elia.

Sary
Adama-ondia-Amàna

Lohasahan’i Adama-Ondia-Amàna. I Adama, sy ireo mpaminany hafa, ary ny Olomasina mahatoky dia hihaona amin’ny Mpamonjy eto mialoha ny Fiaviany Fanindroany.

Sary
Fonjan’i Liberty

Fonjan’i Liberty. Raha nogadraina tsy araka ny fahamarinana tato i Joseph Smith dia nandray ilay fanambarana izay voarakitra ankehitriny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121–123 izy.

Sary
Tempolin’i Nauvoo

Tempolin’i Nauvoo Illinois. Ny Tempolin’i Nauvoo, izay noravana taorian’ny nandaozan’ny Olomasina ny tanàna tamin’ny 1846 dia naorina indray sy notokanana tamin’ny 2002.

Sary
tranon’i Brigham Young

Tranon’i Brigham Young. Ity no sarin’ny tranon’i Brigham Young naverina natsangana tao Nauvoo, Illinois.

Sary
ireo Olomasina niankandrefana

Nifindra niankandrefana ny Olomasina. Sary hosodoko nataon’i C. C. A. Christensen

Sary
Tempolin’i Salt Lake

Tempolin’i Salt Lake. Naharitra 40 taona ny nananganan’ny Olomasina ny Tempolin’i Salt Lake.

Hamoaka printy