Scripture Stories
Toko 65: Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ankehitriny


Toko 65

Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy Ankehitriny

Sary
Fifindrana niankandrefana
Sary
I Joseph Smith sy ireo rahalahy

Taona maro no lasa hatramin’ny niantombohan’ny Fiangonana tany Fayette New York. Nitombo be ny Fiangonana tao anatin’ireo taona ireo. Niantomboka tamin’ny olona enina fotsiny izany tamin’ny 1830.

Sary
misiônera miditra amin’ny kolontsaina isan-karazany

Hatramin’ny 1830 dia nandeha manerana an’izao tontolo izao mba hampianatra ny filazantsara ireo misiônera. Nihaino ireo misiônera ny olona ka niditra ho mpikamban’ny Fiangonana. Ankehitriny dia mpikamban’ny Fiangonana an-tapitrisany no mipetraka manerana an’izao tontolo izao. Miteny fiteny maro izy ireo. Na dia mipetraka amin’ny toerana samy hafa aza ireo mpikambana dia iray ihany ny Fiangonana. Faly ny olona fa mpikamban’ny Fiangonana.

Sary
Mpaminany maoderina mandaha-teny mandritra ny fihaonambe

Manohy mitarika Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ireo mpaminany velona. Mahazo fanambarana avy amin’i Jesoa izy ireo.

Sary
Fianakaviana miara-mikarakara zaridaina

Rehefa manaraka ny mpaminany ny mpikamban’ny Fiangonana dia lasa olona tsaratsara kokoa sy faly kokoa izy ireo. Manana tokantrano sy fianakaviana matanjaka izy ireo. Mizara ny filazantsara amin’ny hafa izy ireo. Manampy ny mpiray vodirindrina sy ireo hafa izay sahirana izy ireo.

Sary
Fianakaviana manao akanjo fotsy

Manaraka ny mpaminany ihany koa ireo mpikamban’ny Fiangonana amin’ny alalan’ny fandehanana any amin’ny tempoly. Nanangana tempoly manerana izao tontolo izao ny Fiangonana. Mandeha any amin’ny tempoly ny mpikambana mba hianatra ny fomba hahatongavana tahaka an’i Jesoa bebe kokoa. Mandray ireo ôrdônansy masina sy manao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra izy ireo. Ny tempoly ihany no toerana ahafahan’ny mpikambana manao mariazy ho an’ny fotoana sy ho amin’ny mandrakizay. Voatahy amin’ny fomba maro isika satria mpikamban’ny Fiangonan’ny Tompo. Tokony hankasitraka isika noho ireo fitahiana ireo. Afaka mampiseho ny fankasitrahantsika isika amin’ny alalan’ny fankatoavana ireo didin’ Andriamanitra sy ny fanompoana ny hafa.

Hamoaka printy