Scripture Stories
Toko 27: Manohy ny asany ny Mpaminany na eo aza ny fanenjehana: martsa 1832


Toko 27

Manohy ny asany ny Mpaminany na eo aza ny fanenjehana

Martsa 1832

Sary
sarety
Sary
I Joseph Smith mamaky Baiboly

Nanohy niasa tamin’ireo fanaovana fanitsiana nentanim-panahy ho an’ny Baiboly i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon. Nambaran’i Jesoa tamin’i Joseph Smith ireo fanitsiana tokony hatao, ary nanoratra izany i Sidney Rigdon (jereo ny toko 16).

Sary
I Joseph Smith mandika ny Baiboly

Tsy takatr’i Joseph Smith ny ampahany sasany tao amin’ny Baiboly. Nivavaka izy nangataka fahatakarana, ka namaly azy ny Tompo. Maro tamin’ireo fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana no tonga ho ny valin’ireo fanontaniana napetraky ny Mpaminany tamin’ny Tompo rehefa nandika ny Baiboly izy (jereo ohatra, ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76, 77, ary 113).

Sary
I Joseph manoratra eo amin’ny latabatra birao iray

Faly tamin’ny asa nataon’i Joseph i Jesoa. Mpaminany lehibe i Joseph.

Sary
I Joseph sy i Emma miaraka amin’ny zazakely kambana

Nandritra io fotoana io dia niteraka zaza kambana izay niaina ora vitsy monja i Joseph sy i Emma. Niteraka zaza kambana ihany koa ireo naman’i Joseph sy i Emma. Maty ny renin’ireo kambana ireo, ka navelan’ny rain’izy ireo hanangana azy ireo i Joseph sy i Emma.

Sary
Andian’olona mpihetraketraka maka an’i Joseph

Indray alina dia tonga tao amin’ny tranon’i Joseph ny andian-dehilahy mpihetraketraka tezitra. Novakian’izy ireo ny varavarana ka niditra izy ireo. Nitazona ny iray tamin’ireo zazakely, izay narary mafy, i Joseph.

Sary
I Joseph taritina hankany ivelany

Nobedain’ireo lehilahy i Joseph ary notaritin’izy ireo nankany ivelany tao anatin’ny alina mangatsiaka. Tavela irery ilay zazakely, ka maty dimy andro taty aoriana.

Sary
Lehilahy manandrana mamono an’i Joseph

Nokendain’ireo lehilahy i Joseph ary niezaka nanisy poizina tao anaty vavany izy ireo. Nanapaka ny nifiny iray ilay tavoahangy, ary nandoro azy ilay poizina.

Sary
Lehilahy manisy tara sy volom-borona tamin’i Joseph

Norovitin’ireo lehilahy ny akanjon’i Joseph dia norarahan’izy ireo tara ny hodiny. Norakofan’izy ireo volom-borona ilay tara ary novonoin’izy ireo izy.

Sary
I Joseph Smith norarahana tara sy volom-borona

Nandeha ireo andian’olona mpihetraketraka ireo, nihevitra fa ho faty i Joseph. Niezaka nitsangana i Joseph, kanefa tsy nahavita izany izy. Naka aina elaela izy, dia avy eo nahazo tanjaka ampy nandadizana niverina tao an-trano.

Sary
I Emma mitomany

Nanadio ny tara teo amin’ny vatan’i Joseph ireo namany. Sarotra ny nanala ilay tara. May sy naharary ny hodiny.

Sary
I Joseph mampianatra

Alahady ny ampitson’io. Tao anatin’ny fanaintainana lehibe no nandehanan’i Joseph tany am-piangonana sy nanaovany lahateny iray. Tonga tao amin’ilay fivoriana ny sasany tamin’ireo lehilahy tao anatin’ilay andian’olona mpihetraketraka ka gaga nahita an’i Joseph. Tsy navelan’ny Mpaminany hampitsahatra azy amin’ny fanaovana ny asan’ny Tompo izy ireo.

Hamoaka printy