Scripture Stories
Toko 49: Misiônera any amin’ny tany hafa: jona 1837–ôktôbra 1841


Toko 49

Misiônera any amin’ny tany hafa

Jona 1837–ôktôbra 1841

Sary
Mpivady ao anaty sarety
Sary
Sambo lehibe eny an-dranomasimbe

Naniry ny hianaran’ny olona any amin’ny tany hafa momba ny filazantsara ny Tompo. Tamin’ny 1837, raha toa ka tao Kirtland ireo Olomasina maro, dia nasain’ny Tompo nandeha nanao asa fitoriana i Joseph Smith sy ny Loholona Heber C. Kimball. Anisan’ireo Apôstôly Roambinifolo ny Loholona Kimball, koa niondrana an-tsambo nankany Angletera izy sy ny misiônera enina hafa.

Sary
Misiônera mitory teny

Nihaona tamina mpitarika fiangonana iray hafa izay namela azy ireo hitory ao amin’ny fiangonany ireo misiônera. Maro ny olona nino ireo misiônera ka naniry ny hatao batisa. Lasa tezitra ilay mpitarika ka nilaza fa tsy afaka mitory ao amin’ny fiangonany intsony ireo misiônera.

Sary
Misiônera mitory teny

Nitory tany an-tranon’ny olona ireo misiônera. Maro tamin’ny olona no lasa mpikamban’ny Fiangonana.

Sary
I Joseph miresaka amin’ireo misiônera

Tamin’ny 1839, rehefa avy nanomboka nanangana an’i Nauvoo ny Olomasina, dia nantsoina handeha ho any Angletera hanohy ny fitoriana ny filazantsara tany Angletera ny Apôstôly Roambinifolo. Mialoha ny nandehanan’izy ireo dia nihaona tamin’izy ireo i Joseph Smith ary nilaza izay tokony hampianarin’izy ireo.

Sary
I Joseph miresaka amin’ireo misiônera

Nasain’i Joseph nankatò ireo didin’ Andriamanitra ireo misiônera. Noresahany tamin’izy ireo ny momba ny fisoronana. Nolazainy fa ny hany Fiangonan’i Jesoa Kristy marina ihany no manana ny fisoronana.

Sary
Misiônera mandao ny fianakavian’izy ireo

Vonona ny handeha hanao ny asa fitoriany ireo lehilahy. Sarotra ny nandao satria tsy nanana vola betsaka izy ireo, maro tamin’izy ireo no narary, ary ny sasany tamin’ny vady aman-janak’izy ireo dia narary. Nanana finoana anefa ireo lehilahy ireo fa hanampy azy ireo sy hitahy ny fianakavian’izy ireo ny Ray any An-danitra.

Sary
Misiônera manao batisa vehivavy iray

Nandeha tany Angletera ary nitory tany amin’ny tanàna maro ireo misiônera. Olona an’arivony no nino ny filazantsara sy niditra ho mpikamban’ny Fiangonana. Maro tamin’ireo izay natao batisa no nandeha tany Amerika ary lasa tanjaka lehibe ho an’ny Fiangonana.

Sary
I Orson Hyde mitsodrano ny Tany Masina (toerana ao sy manodidina an’i Jerosalema ary ny faritr’i Palestina)

Anisan’ireo Apôstôly ireo i Orson Hyde. Nolazain’i Joseph Smith fa nanana asa miavaka hatao ho an’ny vahoaka Jiosy i Orson. Afaka volana maro tany Eorôpa dia nandeha tany amin’ny Tany Masina ny Loholona Hyde, toerana izay niainan’i Jesoa fony Izy teto ambonin’ny tany. Nanao vavaka hanokanana ny Tany Masina ny Loholona Hyde tamin’ny 24 ôktôbra 1841.

Sary
Ny Tany Masina

Tao anatin’ny vavaka nataony dia nangataka tamin’ Andriamanitra ny Loholona Hyde mba hitahy ny tany ho an’ny fanangonana ny Jiosy. Nolazainy fa nomen’ Andriamanitra an’i Abrahama sy ireo zanany io tany io, fa naely patrana ireo zanany ireo, ary niandrandra ny fahatanterahan’ireo fampanantenan’ Andriamanitra izy ireo. Notsofin’ny Loholona Hyde rano ihany koa ilay tany mba hisy rano ka hamokatra sakafo.

Sary
Ny Filoha Spencer W. Kimball tany amin’ny Tany Masina

Taona maro hatramin’ny vavaka nataon’ny Loholona Hyde dia Jiosy maro sy ireo zanak’i Abrahama hafa no niangona tao amin’ny Tany Masina. Nanao vavaka hanokanana ny zaridaina iray tany ny Filoha Spencer W. Kimball tamin’ny 1979. Antsoina hoe Ny Zaridaina Fahatsiarovana an’i Orson Hyde izany.

Hamoaka printy