Scripture Stories
Toko 29: Fanambarana iray momba ny fisoronana: septambra 1832


Toko 29

Fanambarana iray momba ny fisoronana

Septambra 1832

Sary
sarety
Sary
Misiônera mandao ny toerana nanaovany asa fitoriana

Lehilahy maro tao amin’ny Fiangonana no nandeha nanao asa fitoriana. Rehefa nody izy ireo dia nandeha nijery an’i Joseph Smith tany Kirtland.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84, sasin-tenin’ny fizarana

Sary
I Joseph miarahaba tongasoa ireo misiônera

Notantarain’ireo lehilahy ireo tamin’i Joseph ny momba ny asa fitoriana nataon’izy ireo. Nanao batisa olona maro izy ireo. Faly izy ireo noho ny asa fitoriana nataon’izy ireo, dia faly ihany koa i Joseph.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84, sasin-tenin’ny fizarana

Sary
I Joseph miresaka amin’ireo mpihazona ny fisoronana

Nanana ny fisoronana avokoa ireo misiônera ireo. Ny fisoronana dia herin’ Andriamanitra. Te hahalala bebe kokoa momba ny fisoronana ireo misiônera.

Sary
I Adama mpaminany

Nanome fanambarana iray momba ny fisoronana tamin’i Joseph i Jesoa. Nolazain’i Jesoa taminy ny momba ny sasany tamin’ireo lehilahy izay nanana ny fisoronana fahiny ela be. I Adama, izay olona voalohany niaina teto an-tany, dia nanana ny fisoronana.

Sary
I Melkizedeka manome ny fisoronana an’i Abrahama

Nanana ny fisoronana avokoa ireo mpaminany tao amin’ny Testamenta Taloha. Anisan’ireny mpaminany ireny i Enoka, i Noa, i Mosesy, sy i Melkizedeka, ary i Abrahama. I Melkizedeka no nanome ny fisoronana an’i Abrahama.

Sary
Mpihazona ny fisoronana manatanteraka ny adidiny

Nilaza i Jesoa fa tsy maintsy mihazona ny fisoronana ny lehilahy mba hitarihana ny Fiangonany. Afaka manao batisa ny olona sy manome azy ireo ny fanomezana ny Fanahy Masina ny lehilahy izay mihazona ny fisoronana. Afaka manamasina ny fanasan’ny Tompo izy ireo. Afaka manome tsodrano ho an’ireo olona marary izy ireo. Ireny rehetra ireny dia manampy ny Olomasina mandritra ny fiainan’izy ireo eto ambonin’ny tany sy manomana azy ireo hiaina hiaraka amin’ny Ray any An-danitra indray.

Sary
Olomasina manangana tanana ho fanohanana

Nolazain’i Jesoa tamin’i Joseph fa tsy maintsy olo-marina ny lehilahy mba handraisany ny fisoronana. Ireo izay mandray izany dia manao fanekempihavanana, na fampanantenana, amin’ Andriamanitra. Mampanantena izy ireo ny ho mahatoky sy hampiasa ny fisoronana entina hanampiana ny olona hafa. Mampanantena Andriamanitra fa raha mahatoky izy ireo dia ho afaka ny ho tonga zanakalahiny miavaka. Hizara ny zavatra rehetra ananany amin’izy ireo Izy indray andro any.

Sary
Misiônera mitory amin’izao tontolo izao

Nolazain’i Jesoa tamin’i Joseph Smith fa tokony hisy lehilahy maro kokoa handeha hanao asa fitoriana. Tokony hitory ny filazantsara amin’izao tontolo izao izy ireo. Tokony hampianatra ny olona mba hibebaka izy ireo, ary tokony hanao batisa azy ireo sy hanome azy ireo ny fanomezana ny Fanahy Masina.

Sary
Anjely manampy ny misiônera

Nilaza i Jesoa fa hotahiana ireo misiônera rehefa miasa mafy izy ireo. Hisy anjely hanampy azy ireo, ary hanome azy ireo izay ilainy ny Ray any An-danitra.

Sary
I Joseph miresaka amin’ireo mpihazona ny fisoronana

Nifarana ilay fanambarana. Faly i Joseph sy ireo misiônera fa nahafantatra bebe kokoa momba ny fisoronana. Naniry ny hampiasa ny fisoronana amin’ny fomba mety izy ireo.

Sary
mpihazona ny fisoronana manome tsodrano

Tao anatin’ny fanambarana iray taty aoriana dia nilaza tamin’i Joseph ny fomba tokony hampiasana ny fisoronana i Jesoa. Tsy tokony hampiasa ny fisoronana hanehoana toetra mibaikobaiko na ratsy fanahy ny lehilahy. Ireo lehilahy marina ihany no omen’ Andriamanitra ny herin’ny fisoronana.

Sary
Mpihazona ny fisoronana manatanteraka ôrdônansy

Tokony hampiasa ny fisoronana amim-pitiavana sy hatsaram-panahy ny lehilahy. Ireo izay mihaino ny Fanahy Masina dia hanana mandrakariva ny herin’ny fisoronana.

Hamoaka printy