Scripture Stories
Toko 47: Nandao an’i Missouri ny Olomasina: ririnina 1839


Toko 47

Nandao an’i Missouri ny Olomasina

Ririnina 1839

Sary
Mpivady ao anaty sarety
Sary
I Brigham Young mitarika ny Fiangonana

Raha tany am-ponja i Joseph Smith, dia napetraka tamin’i Brigham Young, iray tamin’ireo apôstôly, ny ankamaroan’ny fitarihana ny Olomasina. Nanao fivoriana iray izy mba hilazana tamin’ny Olomasina fa tsy maintsy hiomana handao an’i Missouri izy ireo. Maro tamin’ireo Olomasina no nahantra ka tsy nanana sarety na soavaly. Nilaza ireo lehilahy tao amin’ilay fivoriana fa hanampy ny Olomasina sahirana hifindra izy ireo.

Sary
Ny Olomasina mandao an’i Missouri

Nanomboka nandao an’i Missouri ny Olomasina tamin’ny febroary 1839, rehefa tena nangatsiaka be mihitsy ny andro. Nolazaina azy ireo fa ireo olona tao amin’ny faritr’i Illinois dia mety ho tsara fanahy amin’izy ireo, koa nanao dia mihoatra ny 300 kilaometatra teo ho eo izy ireo nankany Illinois andrefana. Maro tamin’izy ireo no nandeha tany amin’ny tanànan’i Quincy, izay tsara fanahy ny olona tao ary nanome azy ireo fialofana sy sakafo ary asa.

Sary
Governora Boggs faly

Faly ny Governora Boggs sy ireo namany fa nandao an’i Missouri ny Olomasina.

Hamoaka printy