Scripture Stories
Toko 12: Ny asa fitoriana nataon’i Samuel Smith: jona 1830


Toko 12

Ny asa fitoriana nataon’i Samuel Smith

Jona 1830

Sary
batisa
Sary
I Samuel Smith

Zandrilahin’i Joseph Smith i Samuel Smith. Nirin’i Jesoa ny hanaovan’i Samuel asa fitoriana. I Samuel Smith no misiôneran’ny Fiangonana voalohany.

Sary
I Samuel Smith

Nandeha nampianatra ny filazantsara i Samuel ary nilaza tamin’ny olona momba ny Bokin’i Môrmôna. Nanao dia 40 kilaometatra izy tamin’ny andro voalohany, kanefa ratsy fanahy taminy ny olona ary tsy nihaino azy.

Sary
I Samuel miresaka amin’ny mpitantana tranom-bahiny

Rehefa tonga ny alina dia nijanona tao amin’ny tranom-bahiny iray i Samuel. Nanontany ny tompon-trano izy raha toa ka te hividy Bokin’i Môrmôna iray. Nanontanian’ilay tompon-trano izay nahazoan’i Samuel ilay boky. Nilaza i Samuel fa nandika izany avy tamin’ny takela-bolamena ny rahalahiny.

Sary
Tompona tranom-bahiny tezitra amin’i Samuel

Tezitra ilay tompon-trano. Nolazainy fa nandainga i Samuel ary nasainy nivoaka ilay tranom-bahiny.

Sary
I Samuel matory eo ambany hazo

Kivy i Samuel Smith. Natory teo ambany hazom-paoma izy io alina io.

Sary
I Samuel miresaka amin’ny pasitera

Ny ampitso maraina dia nandeha niresaka tamin’i John Greene, izay mpitarika ny fiangonana iray hafa, i Samuel. Tsy liana tamin’ny Bokin’i Môrmôna Atoa Greene, kanefa nanaiky izy ny hanontany ireo olona ao amin’ny fiangonany raha toa ka te hividy tahadikan’ilay boky izy ireo. Rehefa niverina i Samuel telo herinandro taty aoriana dia tsy nahavarotra mihitsy izy. Nilaza anefa ny vadin’ Atoa Greene fa namaky ilay boky izy.

Sary
I Samuel niverina nody

Sarotra ny asa fitoriana nataon’i Samuel Smith. Rehefa nody izy dia tsy nihevitra ho nahomby.

Sary
I Samuel mandeha

Tsy fantatr’i Samuel tamin’io fotoana io fa ny asa nataony dia hiteraka olona marobe hiditra ho mpikamban’ny Fiangonana taty aoriana, anisan’izany Atoa sy Rtoa Greene.

Sary
I Samuel sy i Phineas Young

Nivarotra Bokin’i Môrmôna iray tamin’ny lehilahy iray nantsoina hoe Phineas Young ihany koa i Samuel. Namaky ilay boky i Phineas ary avy eo izany dia nomeny ny rahalahiny, izay Brigham Young no anarany.

Sary
I Brigham Young

Namaky ny Bokin’i Môrmôna i Brigham Young ka nino fa marina izany. Nilaza momba ny Bokin’i Môrmôna tamin’ny namana sasantsasany i Phineas sy i Brigham Young, namaky izany koa izy ireo ary nino fa marina izany. Niditra ho mpikamban’ny Fiangonana i Phineas sy i Brigham Young ary ireo naman’izy ireo taty aoriana.

Sary
I Brigham Young mandahateny

Tao anatin’ny taona vitsivitsy dia nantsoina ho Apôstôly i Brigham Young. Lasa Filohan’ny Fiangonana izy taona maro taty aoriana. Lasa mpitarika lehibe tato amin’ny Fiangonana izy sy ireo hafa izay niova fo noho ny ezaka nataon’i Samuel Smith.

Hamoaka printy