Scripture Stories
Toko 41: Korontana tao Kirtland: 1837–1838


Toko 41

Korontana tao Kirtland

1837–1838

Sary
Mpivady ao anaty sarety
Sary
fianakaviana

Faly ireo Olomasina tao Kirtland, Ohio. Nitahy azy ireo ny Tompo.

Sary
Loholona mitory ny filazantsara

Nandao an’i Kirtland ka nandeha nampianatra ny filazantsara tany amin’ny faritra hafa ny loholona sasany. Olona maro no nihaino ireo loholona ary niditra ho mpikamban’ny Fiangonana.

Sary
Olona ao amin’ny banky tao Kirtland

Dia nanomboka nisy korontana tany Kirtland. Nanokatra banky iray izay nitahirizan’ny Olomasina ny volany i Joseph Smith sy ireo mpitarika hafa tao amin’ny Fiangonana.

Sary
Lehilahy iray mangalatra vola avy tao amin’ny banky

Naniry ny hahazo vola be ny sasany tamin’ireo Olomasina. Tsy marin-toetra ny lehilahy iray izay niasa tao amin’ilay banky. Nangalatra vola izy.

Sary
Lehilahy miaina alahelo

Nasain’i Joseph Smith nitantana tsara ny vola ny lehilahy hafa, saingy nitohy nanana olana ilay banky. Tsy ela dia tsy maintsy nakatona izany satria lany avokoa ny vola rehetra. Fotoana sarotra ho an’ny banky maro tany Etazonia izany, ary maro koa ireo hafa nikatona.

Sary
Olomasina tezitra

Maro ireo Olomasina tezitra satria tsy afaka nahazo ny volany izy ireo. Nilaza ny sasany tamin’izy ireo fa fahadisoan’i Joseph Smith ny nampihidy ilay banky. Nilaza zavatra ratsy momba azy ny sasany tamin’ireo naman’i Joseph akaiky. Naniry ny hamono azy mihitsy aza ny olona sasany.

Sary
Mpitarika mandao ny Fiangonana

Tezitra ihany koa ny mpitarika sasany tao amin’ny Fiangonana. Tsy te ho mpikamban’ny Fiangonana intsony ny sasany tamin’izy ireo. Lasa fahavalon’ny Fiangonana ny vitsivitsy tamin’izy ireny.

Sary
I Brigham Young miresaka amin’ny olona

Tia sy nanampy an’i Joseph ny mpitarika hafa tao amin’ny Fiangonana. Anisan’ireo mpitarika tsara i Brigham Young. Nolazainy tamin’ny Olomasina fa fantany fa mpaminanin’ Andriamanitra i Joseph. Tezitra tamin’i Brigham Young ny olona sasany noho ny fanohanany ny Mpaminany ka tsy maintsy niala tao Kirtland izy mba tsy handratran’izy ireo azy.

Sary
Andian’olona mpihetraketraka manafika ireo mpikambana tao Kirtland

Nitondra korontana maro tao Kirtland ireo fahavalon’ny Fiangonana. Nangalatra zavatra sy nanimba ny tranon’ny Olomasina izy ireo. Nandratra ny Olomasina ihany koa izy ireo ary nandrahona ny hamono azy ireo.

Sary
Andian’olona mpihetraketraka miady hevitra momba an’i Joseph

Ny loholona sasany tao amin’ny Fiangonana dia nanao fivoriana tao amin’ny Tempolin’i Kirtland izay nanakianan’izy ireo an’i Joseph Smith sy niresahan’izy ireo momba ny hanoloana azy amina mpitarika iray vaovao. Nampiasa basy sy antsy ny olona sasany taty aorina niezahana naka ny tempoly. Tsy ela dia lasa tsy azo antoka ho an’i Joseph intsony ny nijanona tao Kirtland, koa nandeha izy ny janoary 1838 ary nitodi-doha nankany Missouri.

Sary
Mpikambana mandao an’i Kirtland

Noho ny fanenjehana tsy nitsahatra tao Kirtland dia nanomboka nanao drafitra ny handehanan’ny Olomasina ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana. Tamin’ny jolay 1838 dia mpikamban’ny Fiangonana mihoatra ny 500 isa no nandao an’i Kirtland. Ny volana ôktôbra, taorian’ny dia sarotra efa ho 1600 kilaometra, dia tonga tao Far West Missouri izy ireo. Nipetraka tany i Joseph Smith sy ny mpikamban’ny Fiangonana maro hafa.

Hamoaka printy