Scripture Stories
Toko 31: Ny Tenin’ny Fahendrena: febroary 1833


Toko 31

Ny Tenin’ny Fahendrena

Febroary 1833

Sary
Trano fonenana mandritra ny ririnina
Sary
I Joseph tao amin’ny sekolin’ny mpaminany

Nanokatra sekoly ho an’ireo lehilahy tao amin’ny Fiangonana i Joseph Smith. Nantsoina hoe sekolin’ny mpaminany izany.

Sary
I Joseph mampianatra ny sekolin’ny mpaminany

Ilay sekolin’ny mpaminany dia natao tao amin’ny efitrano ambonin’ny trano fivarotan’i Newel Knight tao Kirtland Ohio. Nifampianatra momba ny fisoronana, ny soratra masina, ary ireo zavatra hafa i Joseph sy ireo mpitarika hafa tao amin’ny Fiangonana tao amin’io sekoly io. Ilay sekoly ihany koa dia natao hanomanana ho amin’ny fitantanana ny Fiangonana sy ny asa fitoriana ny filazantsara.

Sary
Rahalahy mampiasa paraky

Maro tamin’ireo lehilahy no nifoka pipa na sigara be, ka nanenika ilay efitrano ny setroka. Ny lehilahy sasany nihinam-paraky sy nandrora tamin’ny tany, nahatonga izany ho tena naloto.

Sary
I Joseph miahiahy

Nanadio ilay efitrano i Emma Smith vadin’i Joseph taorian’ny fivoriana tsirairay. Lasa niahiahy momba ny fampiasan’ireo rahalahy paraky izy sy i Joseph. Nanontany tena i Joseph raha toa ka tokony hifoka sy hihinam-paraky ny olona.

Sary
I Joseph mivavaka

Nivavaka i Joseph mba hahafantarana izay mety. Nomen’i Jesoa fanambarana iray izay antsoina hoe ny Tenin’ny Fahendrena izy. Nolazain’i Jesoa fa ny olona sasany dia maniry ny hanaovan’ny hafa zavatra ratsy ho an’ny vatan’izy ireo. Ao amin’ny Tenin’ny Fahendrena i Jesoa dia nilaza tamin’ny Olomasina ny momba ireo zavatra izay ratsy ho an’ny vatan’izy ireo. Nilaza momba ireo zavatra izay tsara ho an’ny vatan’izy ireo ihany koa izy.

Sary
Zatovolahy manalavitra ny alikaola

Nolazain’i Jesoa fa tsy tsara ho an’ny olona ny alikaola. Tsy tokony hisotro zava-pisotro misy alikaola izy ireo. Tokony hampiasaina amin’ny ivelan’ny vatana ihany ny alikaola.

Sary
Vehivavy mandà sigara

Nilaza i Jesoa fa tsy tsara ho an’ny olona ny paraky. Tsy tokony hifoka sigara, sigara be, na pipa izy ireo. Tsy tokony hihinana paraky izy ireo.

Sary
Olona mandà kafe

Nolazain’i Jesoa tamin’ny Olomasina fa tsy tokony hisotro zava-pisotro mafana toy ny dite sy kafe izy ireo. Tsy tsara ho an’ny vatana ireny zava-pisotro ireny.

Sary
Fianakaviana manao vavaka ho an’ny sakafo hariva

Nilaza i Jesoa fa maro ireo zava-maniry sy biby tsara hohanin’ny olona. Tokony hankasitraka ny Ray any An-danitra noho ny sakafo tsara ny olona.

Sary
Sakafo ara-pahasalamana

Nilaza i Jesoa fa tsy tokony hihinana hena be loatra ny olona.

Sary
Reny sy zanakalahy mikarakara mofo

Nilaza ny Tompo fa tsara ho an’ny vatana ny voa. Sasany amin’ny voa ny varim-bazaha, vary, katsaka, na avoanina. Tsara ho an’ny vatana ihany koa ny voankazo sy legioma.

Sary
Fianakaviana miara-milalao

Nampanantena fitahiana lehibe ho an’ireo izay mankatò ny Tenin’ny Fahendrena i Jesoa. Ho matanjaka sy salama kokoa mihoatra noho ny rehefa tsy mankatò izany ny vatan’izy ireo. Ho salama kokoa ihany koa ny sain’izy ireo, ary hahazo fahendrena sy harem-pahalalana izy ireo.

Hamoaka printy