Toko 14
Ny Mpaminany sy ireo fanambarana ho an’ny Fiangonana
Septambra 1830
Niverina nifindra tany New York i Joseph sy i Emma Smith. Nisy lehilahy iray nantsoina hoe Hiram Page nipetraka tany. Tsy mpikamban’ny Fiangonana izy. Nanana vato iray izay nolazainy fa nanampy azy handray fanambarana ho an’ny Fiangonana izy.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28, sasin-tenin’ny fizarana.
Mpikamban’ny Fiangonana maro no nino an’i Hiram Page, anisan’izany i Oliver Cowdery. Nihevitra ny olona sasany fa mpaminany izy.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28, sasin-tenin’ny fizarana.
Nanontany an’i Joseph momba an’i Hiram Page i Oliver. Nivavaka i Joseph, dia nanome fanambarana iray ho azy i Jesoa. Nilaza i Jesoa fa lehilahy iray ihany no afaka mandray fanambarana ho an’ny Fiangonana manontolo. Ny Mpaminany Joseph Smith izany lehilahy izany.
Nilaza i Jesoa fa i Oliver sy ireo hafa dia afaka mandray fanambarana ho an’ny tenan’izy ireo, fa tsy ho an’ny Fiangonana manontolo. Nino an’i Joseph i Oliver. Fantany fa diso ireo fanambarana azon’i Hiram Page.
Nasain’i Jesoa niresaka tamin’i Hiram Page i Oliver. Nolazain’i Oliver taminy fa tsy avy amin’ Andriamanitra ireo fanambarana noraisina tamin’ny alalan’ilay vato.
Nolazain’i Oliver fa namitaka an’i Hiram Page i Satana. Nihaino an’i Oliver i Hiram ary nibebaka.
Ankehitriny dia ny Filohan’ny Fiangonana irery ihany no mandray fanambarana ho an’ny Fiangonana manontolo. Mpaminanin’ Andriamanitra izy. Tokony hankatò azy ny mpikamban’ny Fiangonana.