Tantara ao amin’ny soratra masina
Toko 38: Ny Voahangy Lafo Vidy


Toko 38

Ny Voahangy Lafo Vidy

Trano fonenana mandritra ny ririnina
Voahangy Lafo Vidy

Ny Voahangy Lafo Vidy dia boky soratra masina nosoratan’ireo mpaminany. Mizara dimy ny Voahangy Lafo Vidy. Dia ny Bokin’i Mosesy, ny Bokin’i Abrahama, Joseph Smith—Matio, Joseph Smith—Tantara, ary ireo Fanekem-pinoana.

Ny bokin’i Mosesy

I Joseph mandray fanambarana

Fanambarana nomena an’i Joseph Smith ny fizarana voalohany ao amin’ny Voahangy Lafo Vidy. Antsoina hoe bokin’i Mosesy izany. Mpaminany iray niaina taloha ela be i Mosesy.

Andriamanitra miseho amin’i Mosesy

Ny bokin’i Mosesy dia milaza izay nolazain’ Andriamanitra tamin’i Mosesy teo amin’ny tendrombohitra avo iray. Nahita an’ Andriamanitra i Mosesy ary niresaka Taminy. Nilaza Andriamanitra fa nanana asa miavaka hampanaovina an’i Mosesy Izy.

I Mosesy mahita fahitana

Nasehon’ Andriamanitra an’i Mosesy izao tontolo izao sy ny zavatra rehetra hitranga ao amin’izany. Hitan’i Mosesy ihany koa ny zanak’ Andriamanitra rehetra izay hiaina eto amin’izao tontolo izao.

I Mosesy milaza amin’i Satana mba hiala

Nandao an’i Mosesy Andriamanitra, dia tonga i Satana ka nilaza tamin’i Mosesy mba hitsaoka azy. Tsy nety nitsaoka azy i Mosesy ary nilaza taminy mba hiala teo. Rehefa tsy nety niala i Satana dia nangataka fanampiana avy tamin’ Andriamanitra i Mosesy. Rehefa nahazo hery avy tamin’ Andriamanitra i Mosesy dia nilaza tamin’i Satana indray izy mba hiala. Lasa i Satana nony farany, naneho hatezerana lehibe satria tsy nety nitsaoka azy i Mosesy.

I Jesoa Kristy mahary ny tany

Feno ny Fanahy Masina i Mosesy. Nivavaka izy, dia tonga Andriamanitra ka niresaka taminy indray. Nolazain’ Andriamanitra tamin’i Mosesy fa misy tontolo marobe—mihoatra noho izay azontsika isaina. Nilaza Izy fa nahary ireo tontolo ireo i Jesoa ary mbola hahary mihoatra aza satria tsy misy fiafarany ny asan’ Andriamanitra.

I Mosesy manoratra ireo fanambarana azony

Nianatra i Mosesy fa ny asan’ Andriamanitra dia ny hanampy ny zanany mba hahafahan’izy ireo miverina miara-miaina Aminy mandrakizay. Ny bokin’i Mosesy ihany koa dia miresaka momba ny fahariana ny tany, i Adama sy i Eva ary ny fianakavian’izy ireo, ny mpaminany Enoka sy ny tanàn’i Ziona, ary ireo mpaminany hafa izay niaina taloha ela be.

Ny bokin’i Abrahama

Lehilahy mampiseho faty maina amin’i Joseph

Ny bokin’i Abrahama no fizarana faharoa ao amin’ny Voahangy Lafo Vidy. Tamin’ny jolay 1835 dia nisy lehilahy iray nantsoina hoe Atoa Chandler tonga tao Kirtland. Nampiseho faty maina vitsivitsy avy tany Egypta tamin’ny Olomasina izy. Taloha ela be dia nampiasa lamba mba hamonosana ny vatan’ireo olona izay maty ny vahoaka tany Egypta. Nantsoina hoe faty maina ireo vata-mangatsiaka ireo.

Atoa Chandler mihazona horonan-taratasy papyrus Egyptiana

Nisy horonan-taratasy efa tranainy be niaraka tamin’ireo faty maina. Nisy soratra hafahafa teo amin’ireo taratasy, ka nitady olona izay afaka namaky izany Atoa Chandler. Naheno izy fa afaka mandika ireo soratra i Joseph Smith.

Atoa Chandler mampiseho ireo horonan-taratasy papyrus amin’i Joseph

Nojeren’i Joseph ilay soratra. Nambaran’ny Tompo taminy ny dikan’ny sasany tamin’zany, ka nolazainy tamin’ Atoa Chandler. Novidian’ny Olomasina sasany tamin’ Atoa Chandler ireo horonan-taratasy.

I Joseph mandika horonan-taratasy papyrus

Nanomboka nandalina ireo soratra i Joseph Smith, ary nambaran’ Andriamanitra tamin’ny dikanteny. Noraisin’i Oliver Cowdery sy i William W. Phelps an-tsoratra izay nadikan’i Joseph. Soratr’i Abrahama ilay mpaminany lehibe izay niaina tao Egypta taloha ela be ireo soratra.

I Jesoa miresaka amin’i Abrahama

Niresaka tamin’i Abrahama i Jesoa ka nilaza taminy momba ny fiainantsika talohan’ny nahatongavantsika teto an-tany. Nolazain’i Jesoa fa niaina tamin’ny naha-fanahy zanaky ny Ray any An-danitra antsika isika talohan’ny nahaterahantsika. Ny bokin’i Abrahama ihany koa dia miresaka momba ny fahariana ny tany, ny masoandro, ny volana, ary ireo kintana, mbamin’ny fahariana ireo zava-maniry, sy ireo biby, ary ny olona.

Abrahama mijery any an-danitra

Naniry ny handray ireo fitahian’ny fahasambarana sy fiadanana i Abrahama. Satria nahatoky i Abrahama dia nanao fanekempihavanana taminy i Jesoa. Ny hoe fanekempihavanana dia fampanantenana masina ifanaovan’ Andriamanitra sy ireo zanany.

Abrahama manoratra fanambarana

Ao anatin’io fanekempihavanana io dia mampanantena an’i Abrahama Andriamanitra fa hahazo ny fisoronana sy fianakaviana lehibe izy. Nampanantena an’i Abrahama ihany koa Andriamanitra fa homeny ireo fianakaviany hoavy ny filazantsara sy ny fisoronana raha toa ka mahatoky izy ireo. Hitondra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny olona rehetra eto an-tany ny fianakavian’i Abrahama.

Joseph Smith—Matio sy Joseph Smith—Tantara

I Joseph manoratra

Ny Joseph Smith—Matio dia ahitana fanitsiana nentanim-panahy nataon’ny Mpaminany tamin’ny ampahan’ny bokin’i Matio ao amin’ny Baiboly. Ny Joseph Smith—Tantara dia ahitana ireo rakitsoratry ny Mpaminany momba ny Fahitana Voalohany, ireo takela-bolamena, ny Bokin’i Môrmôna ary ny famerenana amin’ny laoniny ny fisoronana.

Ireo Fanekem-pinoana

i Joseph sy ny mpanoratra

Ireo Fanekem-pinoana no fizarana farany ao amin’ny Voahangy Lafo Vidy. Indray andro dia nisy namana iray izay nanoratra boky tonga mba hijery an’i Joseph Smith. Naniry hanoratra momba ny Fiangonana tao anatin’ilay boky ilay lehilahy koa nangataka an’i Joseph izy mba hilaza ny fomba niantombohan’ny Fiangonana.

I Joseph manoratra momba ny Fiangonana

Nanoratra momba ny fiantombohan’ny Fiangonana i Joseph Smith. Nanoratra filazana manan-danja miisa 13 momba izay inoan’ireo mpikamban’ny Fiangonana ihany koa izy noho ny fanampian’ Andriamanitra. Nantsoin’i Joseph hoe Fanekem-pinoana ireo filazana ireo.

Olomasina mamaky ireo Fanekem-pinoana

Tamin’ny 1 martsa 1842 dia natonta tao amin’ny gazetin’ny Fiangonana ireo Fanekem-pinoana. Namaky ireo Fanekem-pinoana ny Olomasina ary nino izay nosoratan’i Joseph.

Ireo Fanekem-pinoana

I Joseph Smith

penina sy taratasy
I Joseph Smith

1
Mino isika
an’ Andriamanitra, ilay Ray Mandrakizay, isika ary mino an’i Jesoa Kristy Zanany sy ny Fanahy Masina.

2
Mino isika
fa hofaizina noho ny fahotany ihany ny olona fa tsy noho ny fandikan-dalàna nataon’i Adama.

3
Mino isika
fa noho ny Sorompanavotana nataon’i Kristy, dia azo vonjena ny olombelona rehetra, amin’ny fankatoavana ireo lalàna sy ôrdônansin’ny filazantsara.

4
Mino isika
fa ireo fitsipika sy ôrdônansy fototra amin’ny filazantsara dia: voalohany, ny Finoana an’i Jesoa Kristy Tompo; faharoa, ny Fibebahana; fahatelo, ny Batisa asitrika ho famelana ny fahotana; fahefatra, ny Fametrahan-tanana ho fanomezana ny Fanahy Masina.

5
Mino isika
fa tsy maintsy voantson’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny faminaniana sy amin’ny alalan’ny fametrahan-tanana, ataon’ireo izay manana fahefana, ny olona iray vao mitory sy manatanteraka ny ôrdônansin’ny Filazantsara.

6
Mino isika
ny fandaminana mitovy amin’izay nisy tao amin’ny Fiangonana voalohany isika, dia ny apôstôly, mpaminany, mpiandry, mpampianatra, evanjelistra, sns—

7
Mino isika
ny fanomezam-pahasoavana amin’ny fiteny isika, ny faminaniana, ny fanambarana, ny fahitana, ny fanasitranana, ny fandikan-teny, sns—

8
Mino isika
ny Baiboly ho tenin’ Andriamanitra isika araka ny maha-marina ny dikanteny; mino koa isika fa tenin’ Andriamanitra ny Bokin’i Môrmôna.

9
Mino isika
ny zava-drehetra izay efa nambaran’ Andriamanitra isika, izay ambarany ankehitriny, ary mino isika fa Izy dia mbola hanambara zavatra lehibe sy manan-danja maro mikasika ny Fanjakan’ Andriamanitra.

10

fa hangonina ara-bakiteny ny Isiraely ary hampodiana indray ny Foko Folo; fa i Ziona (ilay Jerosalema Vaovao) dia haorina eo amin’ny kaontinanta Amerikana; fa i Kristy tenany mihitsy no hanjaka ety an-tany; fa hohavaozina ny tany ka handray ny voninahitry ny paradisany.

11
Isika dia mitaky
ny zo hanompo an’ Andriamanitra Tsitoha araka ny baikon’ny fieritreretantsika ary miaiky fa manana izany zo izany ny olon-drehetra, ka aoka izy hanompo, na manao ahoana na manao ahoana, na aiza na aiza, ary na inona na inona sitrany.

12
Mino isika
ny fanoavana ny mpanjaka isika, ny filoha, ny mpanapaka ary ny mpitsara, amin’ny fankatoavana, ny fanajana ary ny fanohanana ny lalàna.

13

fa tokony ho marina, ho mahatoky, ho madio fitondrantena, ho antra olona, ho mendrika ary hanao soa amin’ny olon-drehetra; afaka milaza marina tokoa isika fa manaraka ny fananaran’ i Paoly manao hoe—Isika dia mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, efa niaritra zavatra maro ary manantena ny ho afaka hiaritra ny zavatra rehetra. Raha toa ka misy zavatra mendrika, maha-te ho tia, tsara na mendrim-piderana dia mikatsaka ireny zavatra ireny isika.