Scripture Stories
Toko 19: Ny Fiavian’i Jesoa Kristy fanindroany


Toko 19

Ny Fiavian’i Jesoa Kristy fanindroany

Sary
batisa
Sary
Olona mitabataba ny Olomasina

Tsy te hianatra ny filazantsara ny olona sasany tao Kirtland Ohio. Nilaza lainga momba ny Olomasina mihitsy aza ny sasany hiezahana hampitsaharana ny hafa amin’ny fianarana momba ny filazantsara.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45, sasin-tenin’ny fizarana.

Sary
I Joseph mizara momba ny Bokin’i Môrmôna

Nilaza tamin’i Joseph Smith i Jesoa fa hiverina eto an-tany tsy hoe ela indray Izy. Mialoha ny hahatongavany dia tsy maintsy mandre ny filazantsara ny olona rehetra. Tokony ho misiônera tsara sy hiasa mafy mba hizara ny filazantsara ny Olomasina.

Sary
I Jesoa mampianatra ny Apôstôliny

Fony i Jesoa niaina teto an-tany dia nolazainy tamin’ny Apôstôliny izay hitranga mialoha ny hiaviany indray.

Sary
Ireo famantarana amin’ny andro farany

Nolazain’i Jesoa tamin’ireo Apôstôliny fa horavana ny tempoly any Jerosalema. Haely patrana any amin’ny firenena maro ireo Jiosy, ary maro amin’izy ireo no hisy hamono. Hisy ady maro. Tsy hifankatia ny olona, ary hampihodina ny fony hiala amin’ Andriamanitra izy ireo. Hisy faharariana, sy aretina, ary horohoron-tany mahatsiravina. Hivadika ho mainty ny masoandro, ho toy ny ra ny volana, ary hilatsaka ny kintana.

Sary
Fahitana Voalohany hitan’i Joseph Smith

Ny famerenana amin’ny laoniny ny Fiangonan’i Jesoa no tranga manan-danja iray ho fiomanana amin’ny fiverenan’i Jesoa eto an-tany. Nolazain’i Jesoa fa ho toy ny fahazavana iray ao anatin’ny haizina ny famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara.

Sary
Miaramila an’ady

Efa nitranga ny zavatra maro tamin’ireo izay nolazain’i Jesoa. Manomboka mitranga ny zavatra hafa, ary hitranga amin’ny hoavy ny hafa.

Sary
Jiosy miverina any Jerosalema

Rehefa mitranga ireo zavatra ireo dia ho fantatry ny olo-marina fa ho avy tsy ho ela i Jesoa. Haniry ny hahatongavany izy ireo. Jiosy maro no hiverina any Jerosalema. Handre ny filazantsara izy ireo.

Sary
Olomasina manangana an’i Ziona vaovao

Hanorina ny tanàna vaovaon’i Ziona, izay hiarovana azy ireo, ny Olomasina marina. Tsy hiady izy ireo. Ho faly sy hihira hiram-pifaliana izy ireo. Tsy ho afaka handeha any Ziona ireo izay tsy marina.

Sary
I Jesoa miseho eny amin’ny rahona

Ho tonga eto an-tany ao anatin’ny rahona manjelatra i Jesoa. Hahita Azy ny olo-marina. Ny olo-marina efa maty rehetra dia hitsangana amin’ny maty. Hitsena an’i Jesoa eny amin’ny rahona izy ireo ary hidina ety an-tany miaraka Aminy.

Sary
I Jesoa tonga any Jerosalema

Ho tonga any Jerosalema i Jesoa. Hijoro eo amin’ny tendrombohitra iray ao Izy, ka hizara roa izany. Hihorohoro ny lanitra sy ny tany. Horavana ny olon-dratsy.

Sary
Ny Jiosy mitomany eo amin’ny ratran’i Jesoa

Hahita an’i Jesoa ny vahoaka any Jerosalema ka hanontany hoe: “Inona ireo ratra eo amin’ny tananao sy eo amin’ny tongotrao ireo?” Hilaza Izy hoe: “Izaho no Jesoa izay nohomboana. Izaho no Zanak’ Andriamanitra.” Dia hitomany ny olona noho ny fahotan’izy ireo ary halahelo satria nenjehina i Jesoa.

Sary
I Jesoa miara-monina amin’ny Olomasina

Ho faly tokoa ny olo-marina hahita an’i Jesoa. Ho azy ireo ny tany manontolo. Tsy ho afaka haka fanahy azy ireo i Satana. Hitombo ao anatin’ny tsy fisian’ny fahotana ny zanak’izy ireo. Hiaraka hiaina amin’izy ireo mandritra ny 1000 taona i Jesoa ka ho Mpanjakan’izy ireo.

Sary
Misiônera mampianatra fianakaviana

Nasain’i Jesoa nandefa misiônera i Joseph Smith hilaza amin’ny olona rehetra mba hibebaka sy hiomana amin’ny Fiaviana Fanindroany. Nolazain’i Jesoa fa tokony hiomana ihany koa ny Olomasina. Tokony hivavaka, sy hifady hanina, ary hifampianatra ireo didy izy ireo.

Sary
Fianakaviana miara-mandohalika mivavaka

Nampanantena ny Olomasina i Jesoa fa raha manakaiky Azy izy ireo dia ho akaikin’izy ireo Izy. Nolazainy fa tokony hivavaka izy ireo, ary nampanantena Izy fa hamaly azy ireo Andriamanitra.

Sary
Fianakaviana mizara sakafo

Tokony hanao ny zavatra rehetra azon’izy ireo atao hanampiana an’i Jesoa ny Olomasina. Rehefa manampy an’i Jesoa ny olona dia lasa tahaka Azy izy ireo. Dia ho vonona amin’ny Fiaviana Fanindroany izy ireo amin’izany.

Hamoaka printy