Scripture Stories
Toko 46: I Joseph Smith tao amin’ny fonjan’i Liberty: nôvambra 1838–aprily 1839


Toko 46

I Joseph Smith tao amin’ny fonjan’i Liberty

Nôvambra 2011–aprily 2012

Sary
Mpivady ao anaty sarety
Sary
I Joseph sy ireo namany entina any amin’ny fonjan’i Liberty

Nogadraina nandritra ny andro maro tao Richmond Missouri i Joseph Smith sy ireo namany. Dia nentina tany amin’ny fonjan’i Liberty izy ireo avy eo.

Sary
I Joseph sy ireo namany ao amin’ny fonjan’i Liberty

Notazonina tao amin’ny fonjan’i Liberty nandritra ny efa-bolana mahery i Joseph sy ireo namany. Nijaly tokoa izy ireo. Nangatsiaka sy naloto ilay fonja, ary nafatotra tamin’ny rojo vy izy ireo indraindray. Tsy maintsy natory tamin’ny tany izy ireo.

Sary
I Joseph mihazona namana marary

Ratsy ny sakafo. Indraindray izany nisy poizina ka nankarary azy ireo.

Sary
I Joseph miahiahy

Nalahelo i Joseph. Tsy fantany raha toa ka mba ho tavoaka ny fonja ihany izy sy ireo namany. Niahiahy momba ny ankohonany sy ireo mpikamban’ny Fiangonana izy.

Sary
I Joseph mivavaka

Nanontany ny Ray any An-danitra i Joseph hoe hafiriana izy sy ireo Olomasina no tsy maintsy hijaly. Nangataka tamin’ny Ray any An-danitra ihany koa izy mba hanampy azy ireo.

Sary
I Joseph mahazo sary an-tsaina ireo namany

Raha namaly izany vavaka izany i Jesoa dia nilaza tamin’i Joseph mba ho tony. Nilaza Izy fa tsy haharitra ela ny fahorian’i Joseph. Nilaza koa i Jesoa fa raha mahatoky i Joseph, dia hitahy azy Andriamanitra. Nilaza tamin’i Joseph i Jesoa fa mbola tia azy ireo namany ary hiaraka amin’izy ireo tsy ho ela izy.

Sary
Lehilahy maty an’ady

Nilaza i Jesoa fa ho voasazy ireo olon-dratsy nandratra ny Olomasina. Hijaly izy ireo sy ny zanak’izy ireo. Tsy hanana ny fisoronana izy ireo.

Sary
I Joseph mahazo sary an-tsaina ireo Olomasina

Nolazain’i Jesoa tamin’i Joseph fa hisy zavatra tsara maro hitranga amin’ny Olomasina. Tsy misy zavatra hanakana an’ Andriamanitra amin’ny fitahiana azy ireo. Hampianatra azy ireo zavatra mahafinaritra momba ny lanitra sy ny tany ny Fanahy Masina.

Sary
I Joseph mahazo sary an-tsaina ny sorona nataon’i Kristy

Nilaza tamin’i Joseph i Jesoa mba tsy hatahotra izay zavatra mety hataon’ny olona aminy. Nilaza i Jesoa fa mety ho soa ho antsika ireo olana sy fijaliana satria manampy antsika hianatra ireny. Nampahatsiahivin’i Jesoa an’i Joseph fa nijaly mihoatra ny olona hafa rehetra Izy. Nankahery an’i Joseph i Jesoa mba ho mahatoky ary nampanantena Izy fa hiaraka aminy Andriamanitra.

Hamoaka printy