Scripture Stories
Toko 53: Korontana tao Nauvoo: mey–aogositra 1842


Toko 53

Korontana tao Nauvoo

Mey–aogositra 1842

Sary
Tempolin’i Nauvoo
Sary
Lehilahy manangana trano ao Nauvoo

Olomasina an’arivony no nandeha nonina tany Nauvoo. Nanangana tanàna mahafinaritra izy ireo ary nanomboka nanangana tempoly iray.

Sary
I John C. Bennett

Nisafidy an’i John C. Bennett ho ben’ny tanànan’i Nauvoo ireo Olomasina. Ben’ny tanàna nahafinaritra izy tamin’ny voalohany kanefa nanomboka nanao zavatra ratsy izy ka nivadika tamin’i Joseph Smith.

Sary
Olona miara-mivory

Naniry ny hanana andro fankalazana manokana ny olona tao Nauvoo, niaraka tamin’ny matso ataon’ireo miaramila manao andrimaso tao Nauvoo.

Sary
I John C. Bennett miresaka amin’ireo miaramila

Nanapa-kevitra i John Bennett fa tokony hanao sarin’ady ny miaramila. Midika izany fa tsy tena ady no atao.

Sary
I John C. Bennett miresaka amin’i Joseph

Nangataka an’i Joseph Smith mba hitarika vondrona miaramila iray tao anatin’ilay ady Andriamatoa Bennett, kanefa tsy nanaiky ny hanao izany i Joseph Smith. Nilaza tamin’i Joseph ny Fanahy Masina fa nanao drafitra ny hampiasa ilay ady i John Bennett mba hamonoana azy. Tezitra i John Bennett.

Sary
Lasa ben’ny tanàna vaovao i Joseph

Satria nivadika tamin’ny Mpaminany sy nanao zava-dratsy hafa i John Bennett, dia nesorina tsy ho mpikamban’ny Fiangonana izy ary tsy ben’ny tanànan’i Nauvoo intsony. Lasa ben’ny tanàna vaovao i Joseph Smith.

Sary
I John C. Bennett tezitra

Lasa ratsy fanahy i John Bennett. Niala tao Nauvoo izy ka nanomboka nilaza sy nanoratra zavatra ratsy momba an’i Joseph Smith sy ny Fiangonana. Naka olona niaraka taminy ihany koa izy.

Sary
I Joseph mahazo sary an-tsaina ny Olomasina any amin’ireo Tendrombohitra Haram-bato

Nilaza tamin’ny sasany tamin’ireo lehilahy tao amin’ny Fiangonana i Joseph Smith fa hiaina korontana bebe kokoa ny Olomasina. Tsy maintsy handao an’i Nauvoo izy ireo indray andro any. Hitan’i Joseph mialoha fa handeha any amin’ireo Tendrombohitra Haram-bato izy ireo ka hanangana tanàna any. Hankatò an’ Andriamanitra izy ireo ka ho lasa vahoaka matanjaka.

Hamoaka printy