Toko 3 Ny Anjely Môrônia sy ireo takela-bolamena 1823–1827 Telo taona no lasa taorian’ny Fahitana Voalohany hitan’i Joseph Smith. Rehefa 17 taona i Joseph dia nanontany tena ny amin’izay tian’ Andriamanitra hataony izy. Nivavaka momba izany i Joseph indray alina. Nanana finoana izy fa hilaza aminy izay tokony hatao Andriamanitra. Joseph Smith—Tantara 1:27–29 Nahita hazavana namiratra tao an’efitranony i Joseph. Nijoro tao anatin’ilay hazavana ny anjely iray. Namiratra ny endrik’ilay anjely. Nanao akanjo fotsy tsara tarehy izy. Joseph Smith—Tantara 1:30–32 Nilaza ilay anjely fa i Môrônia no anarany. Naniraka azy Andriamantira mba hiresaka amin’i Joseph. Nilaza i Môrônia fa nanana asa ampanaovina an’i Joseph Andriamanitra. Joseph Smith—Tantara 1:33 Nilaza tamin’i Joseph momba ny boky iray ny anjely Môrônia. Mitantara mikasika ny vahoaka izay niaina taloha ela be tany Amerika ilay boky. Namangy io vahoaka io i Jesoa Kristy ka nampianatra azy ireo ny filazantsarany. Joseph Smith—Tantara 1:34 Nilaza i Môrônia fa nosoratana teo amina takela-bolamena izany boky izany. Nosoratana tamin’ny fiteny izay tsy fantatsika ankehitriny izany. Nirin’ Andriamanitra handika ilay boky amin’ny fiteny anglisy i Joseph. Joseph Smith—Tantara 1:34–35 Nilaza ny anjely Môrônia fa nafenina tao amin’ny havoana iray teo akaikin’ny tranon’i Joseph ireo takela-bolamena. Nilaza i Môrônia fa misy vato roa, antsoina hoe Orima sy Tomima, nafenina niaraka tamin’ireo takelaka ireo. Hanampy an’i Joseph handika ilay boky ireo vato ireo. Raha mbola niresaka i Môrônia dia nahita fahitana iray i Joseph izay nampiseho azy ny toerana nanafenana ireo takelaka. Joseph Smith—Tantara 1:34–35, 42 Nilaza tamin’i Joseph momba an’i Elia, izay mpaminany lehibe niaina taloha ela be, i Môrônia. Ao amin’ny Testamenta Taloha no misy ny tantaran’i Elia. Joseph Smith—Tantara 1:38–39; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2:1–3 Nilaza i Môrônia fa ho tonga sy hamerina amin’ny laoniny herin’ny fisoronana miavaka eto ambonin’ny tany i Elia. Io hery ireo no hahafahan’ny fianakaviana hofehezina miaraka ao amin’ny tempoly mba hahafahan’izy ireo miara-miaina mandrakizay. Joseph Smith—Tantara 1:38–39. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2:1–3; 110:13–16 Lasa ilay anjely dia niverina indroa tamin’io alina io. Nilaza zavatra maro tamin’i Joseph izy isaky ny niseho, dia nandao rehefa maraina ny andro. Nitsangana i Joseph ka nandeha niasa niaraka tamin-drainy teny an-tanimboly. Joseph Smith—Tantara 1:43–48 Reraka loatra i Joseph ka tsy nahavita niasa, koa nalefan-drainy nody izy. Rehefa nanomboka nandeha nody izy dia nianjera tamin’ny tany. Niseho indray i Môrônia ka namerina izay nolazainy nandritra ny alina. Rehefa lasa i Môrônia dia nolazan’i Joseph tamin-drainy izay nampianarin’i Môrônia azy. Nino an’i Joseph ny rainy. Fantany fa nandefa an’i Môrônia Andriamanitra, ary nilaza tamin’i Joseph izy mba hankatò azy. Joseph Smith—Tantara 1:48–50 Nandeha tany amin’ilay havoana izay nandevenana ireo takela-bolamena i Joseph. Hitany tao anaty vata vato izay tao ambanin’ny vato lehibe iray ireo takelaka. Tao anatin’ilay vata ihany koa ny Orima sy Tomima. Joseph Smith—Tantara 1:50–52 Raha mbola tany amin’ilay havoana i Joseph dia tonga taminy i Môrônia. Tsy navelan’i Môrônia haka ireo takela-bolamena aloha i Joseph. Nasainy ho tonga eo amin’ilay havoana amin’ny andro mitovy tamin’io isan-taona mandritra ny efa-taona i Joseph. Joseph Smith—Tantara 1:53 Nankatò an’i Môrônia i Joseph ka nankany amin’ny Havoanan’i Komôrà isan-taona. Teo no nampianaran’i Môrônia azy mikasika ny fanjakan’ny Tompo eto an-tany. Joseph Smith—Tantara 1:54 Nahantra sy nila vola ny fianakavian’i Joseph Smith. Naniry ny hanampy ny fianakaviany i Joseph, koa nandeha tany amin’ny faritanin’i Pennsylvanie izy mba hiasa. Niara-nipetraka tamin’ny lehilahy iray nantsoina hoe Atoa Hale izy. Joseph Smith—Tantara 1:56–57 Nanana zanakavavy nantsoina hoe Emma Atoa Hale. Nifankatia i Joseph sy i Emma, ary nifanambady izy ireo taty aoriana. Niverina niara-nipetraka tamin’ny fianakavian’i Joseph tany New York izy ireo, ka nanampy ny rainy tao amin’ny tanimboly i Joseph tany. Joseph Smith—Tantara 1:57–58 Volana maro taorian’ny nifanambadian’i Joseph sy i Emma, dia nandeha niverina tany amin’ny Havoan’i Komôrà indray i Joseph. Efa-taona no lasa hatramin’ny nahitan’i Joseph voalohany ireo takela-bolamena, ary navelan’i Môrônia naka izany izy tamin’ity fotoana ity. Nasain’i Môrônia hikajy tsara ireo takelaka i Joseph. Joseph Smith—Tantara 1:59 Maro ireo olona naheno momba an’i Joseph nahazo ireo takela-bolamena. Niezaka nangalatra ireo takelaka tany aminy izy ireo, kanefa nafeniny tamin’ny toerana tsy nahitan’izy ireo azy izany. Nanampy an’i Joseph hiaro ireo takelaka Andriamanitra. Joseph Smith—Tantara 1:60 Nanakorontana an’i Joseph ny olona tao amin’ny faritra. Nilaza lainga momba azy sy ny fianakaviany izy ireo. Joseph Smith—Tantara 1:60–61 Lehibe tokoa ilay fanakorontanana ka nanapa-kevitra ny hiverina tany Pennsylvanie i Joseph sy i Emma, toerana nantenain’izy ireo hahafahany manomboka mandika ireo takelaka amim-pandriampahalemana. Nisy lehilahy iray nantsoina hoe Martin Harris nipetraka teo akaikin’i Joseph. Tsara fanahy tamin’i Joseph sy i Emma izy ary nanome vola hanampiana azy ireo hifindrana. Joseph Smith—Tantara 1:61–62