Scripture Stories
Toko 43: Nanome anarana ny Fiangonany i Jesoa: aprily 1838


Toko 43

Nanome anarana ny Fiangonany i Jesoa

Aprily 1838

Sary
Mpivady ao anaty sarety
Sary
I Joseph mandray fanambarana

Raha tany Far West, Missouri i Joseph Smith dia nanome fanambarana manan-danja iray ho azy momba ny anaran’ny Fiangonana i Jesoa.

Sary
I Jesoa mijoro eo anivon’ny mpikambana

Ny Fiangonana dia antsoina hoe Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Antsoina amin’ny anaran’i Jesoa izany satria Fiangonany izany ary Izy no mpitarika izany. Izao andro farany izao no andro farany mialoha ny hiverenan’i Jesoa eto an-tany. Ny Olomasina dia ireo mpikambana marina ao amin’ny Fiangonana. Ny Olomasin’ny Andro Farany dia ireo mpikamban’ny Fiangonana izay miaina ankehitriny.

Hamoaka printy