Scripture Stories
Toko 25: Nandeha nanao asa fitoriana i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon: desambra 1831–janoary 1832


Toko 25

Nandeha nanao asa fitoriana i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon

Desambra 1831–janoary 1832

Sary
sarety
Sary
Mpikambana manondro gazety

Nanonta printy lainga momba ny Fiangonana tao anaty gazety ny olona sasany. Nilaza tamin’i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon i Jesoa mba handeha hanao asa fitoriana any amin’ny tanàna hafa ka hilaza amin’ny olona ny fahamarinana momba ny Fiangonana.

Sary
I Joseph sy i Sidney nanao dia nandritra ny ririnina

Nankatò an’i Jesoa i Joseph sy i Sidney. Nandao ny tokantranon’izy ireo izy ireo ka nandeha tany amin’ny tanàna maro. Nandahateny nandritra ireo fivoriam-piangonana izy ireo ary nampianatra ny olona tany an-tokantranony.

Sary
I Sidney Rigdon

Nilaza tamin’ny olona momba ireo didin’ Andriamanitra i Joseph sy i Sydney. Nijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy izy ireo ary nilaza tamin’ny olona mba hibebaka. Rehefa vita ny asa fitorian’izy ireo dia niverina tany amin’ny fianakaviany izy ireo.

Hamoaka printy