Scripture Stories
Toko 57: Maty novonoina ny Mpaminany: jona 1844


Toko 57

Maty novonoina ny mpaminany

Jona 1844

Sary
Tempolin’i Nauvoo
Sary
Mpitsara miresaka amin’i Joseph

Niampanga an’i Joseph Smith ho fototry ny olana tao Nauvoo ireo fahavalon’ny Fiangonana ka nirin’izy ireo ny hisamborana azy sy ireo mpitarika hafa. Rehefa nosamborina anefa i Joseph dia nilaza ny mpitsara iray fa tsy nanao fahadisoana velively izy.

Sary
Ny Governoran’i Illinois miresaka amin’ireo miaramila

Tezitra ireo andian’olona mpihetraketraka fa navotsotra i Joseph Smith. Nandrahona ny hanafika an’i Nauvoo izy ireo. Nandrahona ny hanisy tara sy volom-borona tamin’ny iray tamin’ireo mpitsara mihitsy aza izy ireo. Nangataka tamin’ny governoran’i Illinois i Joseph mba hanajanona ireo andian’olona mpietraketraka, saingy nino ireo laingan’ireo andian’olona mpietraketraka ilay governora ka tsy nety nanampy.

Sary
I Hyrum sy i Joseph

Fantatr’i Joseph Smith fa mety hampidirina am-ponja indray izy, ary natahotra izy sao hampidirina am-ponja ihany koa i Hyrum rahalahiny. Nasain’i Joseph nitondra ny fianakaviany tany amin’ny tanàna iray hafa i Hyrum, saingy tsy nety nandao ny rahalahiny izy.

Sary
I Joseph sy i Hyrum

Nahatsapa i Joseph Smith fa raha miala an’i Nauvoo izy sy i Hyrum dia tsy handratra ireo Olomasina ireo andian’olona mpietraketraka. Nanapa-kevitra ny hiampita ny Reniranon’i Mississipi izy ireo ka hiafina. Dia handeha hiankandrefana izy ireo avy eo hitady toerana hipetrahan’ireo mpikamban’ny Fiangonana.

Sary
I Joseph mamaky taratasy

Nihevitra ny olona sasany fa nitsoaka i Joseph Smith satria natahotra izy. Naniraka namana vitsivitsy hitady azy sy hangataka azy mba hiverina i Emma Smith, vadin’i Joseph. Nihevitra i Joseph fa hisy hamono izy raha miverina any Nauvoo, saingy nataony izay nasain’ireo namany natao.

Sary
I Joseph notafihan’ny miaramila

Ny andro manaraka ny niverenan’i Joseph sy i Hyrum Smith tao Nauvoo dia nandeha tany Carthage, tanàna tokony ho 32 kilaometatra niala teo, izy ireo sy ireo mpitarika hafa tao amin’ny tanàna. Nosamborina noho ny fiampangana diso izy ireo tao Carthage, ka naiditra am-ponja i Joseph sy i Hyrum ary ny naman’izy ireo sasany mandra-pisian’ny fitsarana.

Sary
I Joseph sy ireo namany tao amin’ny fonjan’i Carthage

Telo andro tao am-ponja i Joseph sy i Hyrum ary ny naman’izy ireo. Nandritra io fotoana io dia nandrahona azy ireo sy nilaza zavatra ratsy momba azy ireo ny andian’olona mpietraketraka. Nivavaka sy namaky ny Bokin’i Môrmôna i Joseph sy ireo namany nandritra ny naha-tao am-ponja azy ireo. Nihira ny iray tamin’ireo hira tian’i Joseph indrindra momba an’i Jesoa i John Taylor.

Sary
Andian’olona mpihetraketraka manafika ny fonja

Tamin’ny tolakandron’ny 27 jona 1844 dia i Joseph sy i Hyrum sy i John Taylor ary i Willard Richards sisa no tao amin’ny Fonjan’i Carthage. Nisy andian’olona mpietraketraka nahitana lehilahy mihoatra ny 100 nanafika ny fonja tokony ho tamin’ny 5 ora hariva. Nitifitra ny varavarankely ny sasany tamin’ireo, ary ny hafa kosa nanosika ny mpiambina ka nihanika ny tohatra izay mitondra mankany amin’ny efitra misy ny Mpaminany sy ireo namany ny hafa.

Sary
I Hyrum maty mitsitra eo amin’ny tany

Niezaka nihazona ny varavarana ho nihidy ireo rahalahy kanefa betsaka loatra ireo olona ka tsy afaka niaro tena izy ireo. Natosik’ireo andian’olona mpietraketraka ny varavarana ka notifiriny i Hyrum Smith. Rehefa hitan’i Joseph fa maty i Hyrum dia nihiaka izy hoe: “Ry Hyrum, rahalahy malalako!” Notifirin’reo andian’olona mpietraketraka ihany koa i John Taylor, izay naratra mafy saingy tsy maty. Tsy nitifitra an’i Willard Richards izy ireo.

Sary
I Joseph mianjera avy teny amin’ny varavarankely

Rehefa nisy nitifitra i Hyrum sy i John Taylor dia nihazakazana nankeny amin’ny varavarankely i Joseph Smith. Voan’ny bala anankiroa izay notifirina avy tany am-baravarana izy ary notifirina avy tany ivelan’ny fonja ny bala fahatelo. Nihiaka izy hoe: “Ry Tompo, Andriamanitro ô!”, dia nianjera teo amin’ny varavarankely. Maty ny Mpaminany. Nanome ny ainy ho an’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izy.

Sary
Olomasina maka ny vata-mangatsiakan’i Joseph

Nentina tany Nauvoo, toerana nandevenana azy ireo, ny vata-mangatsiakan’i Joseph sy i Hyrum Smith. Nalahelo be ny fianakavian’izy ireo sy ireo mpikamban’ny Fiangonana.

Sary
Asan’i Joseph Smith

Nanao asa tena manan-danja ny Mpaminany Joseph Smith. Nandika ny Bokin’i Môrmôna izy. Namerina tamin’ny laoniny ny Fiangonany tamin’ny alalany i Jesoa. Nandefa misiônera hampianatra ny filazantsara tany amin’ny tany hafa i Joseph Smith. Nitarika ny Olomasina tamin’ny fananganana tanàna tsara tarehy izy. Tia an’i Joseph Smith Andriamanitra. Tia azy ihany koa ireo Olomasina. I Joseph Smith dia nahavita mihoatra noho ny olona rehetra niaina teto, afa-tsy i Jesoa Kristy irery ihany ho famonjena antsika mandrakizay.

Hamoaka printy