Scripture Stories
Toko 64: Ireo Olomasina tany amin’ireo Tendrombohitra Haram-bato: nanomboka tamin’ny jolay 1847


Toko 64

Ireo Olomasina tany amin’ireo Tendrombohitra Haram-bato

Nanomboka tamin’ny jolay 1847

Sary
Fifindrana niankandrefana
Sary
I Brigham Young manondro

Nanomboka nanorina tanàna iray tao amin’ny Lohasahan’i Salt Lake Lehibe ny mpamaky lay. Nantsoin’izy ireo hoe Tanànan’i Salt Lake izany. Nisafidy toerana iray hanorenana ny tempoly i Brigham Young.

Sary
Lehilahy mamboly sy manorina

Nametraka drafitra ho an’ilay tanàna i Brigham Young sy ireo mpitarika hafa. Nomena tany hanorenana trano sy toeram-piompiana sy fambolena ny fianakaviana tsirairay. Nanangana trano hazo sy namboly masomboly ireo mpamaky lay. Fantatr’izy ireo fa hitaky finoana be sy asa mafy ny fanorenam-ponenana teo, kanefa nino izy ireo fa hahomby miaraka amin’ny fanampian’ Andriamanitra.

Sary
Lehilahy mandrafitra fiangonana vaovao

Nozarazarain’i Brigham Young ho paroasy dimy ilay tanàna, dia nanomboka nanorina fiangonana ny olona. Rehefa nihabetsaka ireo mpamaky lay niampita ireo lemaka ka tonga tao amin’ny lohasaha, dia natsangana ireo paroasy fanampiny.

Sary
Vehivavy mampianatra ankizy

Nanokatra sekoly iray ireo mpamaky lay. Tao anaty trano iray ihany ireo kilasin-tsekoly sy ireo fivoriam-piangonana. Natomboka ny Sekoly Alahady taty aoriana.

Sary
Misiônera mampianatra lehilahy iray

Nandefa misiônera tany an-tany hafa ampitan-dranomasina i Brigham Young. Olona an’arivony avy tany an-tany maro no niditra ho mpikamban’ny Fiangonana.

Sary
Mpikambana vaovao manao dia an-tsambo

Olona maro tamin’ireo niditra ho mpikamban’ny Fiangonana no namporisihana hivondrona miaraka amin’ireo Olomasina tany amin’ny Lohasahan’i Salt Lake Lehibe. Nanao fahafoizan-tena lehibe izy ireo nandao ny tranony, sy niantsambo niampita ranomasina, ary nanao dia nanerana an’i Amerika Avaratra nankany amin’ny Lohasahan’i Salt Lake.

Sary
Mpamaky lay manao dia

Ny ankamaroan’ireo mpamaky lay no niampita ireo lemaka tamin’ny sarety, izay notarihim-biby. Tsy nanam-bola nividianana sarety na biby ny hafa, koa nanamboatra sarety kely misy kodiarana roa izy ireo. Nantsoina hoe sarety tarihin-tanana ireny. Nataon’ny mpamaky lay tao anatin’ny saretin’izy ireo ny fananany rehetra, dia nanosika sy nitarika ny sarety nanerana ireo lemaka izy ireo. Asa tena mafy ny niampita ireo lemaka. Narary sy maty ny sasany tamin’ireo olona ireo.

Sary
Olomasina mitondra sarety misy tafo

Mpitarika hendry i Brigham Young. Nandefa ny Olomasina hanangana tanàna tany amin’ny ampahany hafa tany andrefana izy, anisan’izany Idaho, Wyoming, Arizona, ary Californie.

Sary
Olomasina eny an-tsaha

Nandalo fitsapana maro ireo Olomasina. Indraindray tsy naniry ny masombolin’izy ireo satria nangatsiaka loatra, na nafana sy maina loatra tamin’izany. Nohanin’ny bibikely ny masombolin’izy ireo indraindray. Nivavaka sy nanana finoana anefa ny Olomasina, ary nanampy azy ireo nandritra ny fitsapana azy ireo Andriamanitra.

Sary
Indiana Amerikana mizara sakafo

Nisy Indiana nipetraka teo amin’ilay faritra rehefa tonga ireo Olomasina. Nisy olana indrindray teo amin’ny Olomasina sy ireo Indiana. Nasain’i Brigham Young ho tsara fanahy ny Olomasina. Maro tamin’ireo Indiana no lasa naman’izy ireo, ary lasa mpikamban’ny Fiangonana ny sasany.

Sary
Lehilahy miasa amin’ny Tempolin’i Salt Lake

Nanomboka nanangana tempoly ny Olomasina, tahaka ny nataon’izy ireo tany Kirtland sy Nauvoo. Nanomboka nanangana tempoly iray tao Salt Lake City izy ireo tamin’ny 1853. Niasa nandritra ny 40 taona izy ireo mba hahavitana izany. Nanangana tempoly hafa izy ireo tao amin’ny tanànan’ i St. George, Logan, ary Manti mialoha ny nahavitan’ny Tempolin’i Salt Lake.

Hamoaka printy