Scripture Stories
Toko 62: Nanorina ny Winter Quarters ny Olomasina: 1846–1847


Toko 62

Nanorina ny Winter Quarters ny Olomasina

1846–1847

Sary
Fifindrana niankandrefana
Sary
I Brigham Young miresaka amin’ny lehilahy iray

Nanantena ny Olomasina fa ho afaka ny ho tonga tany amin’ireo Tendrombohitra Haram-bato ny sasany tamin’izy ireo tamin’ny 1846. Hitan’i Brigham Young fa tokony hiandry ny taona manaraka izy ireo. Nila niomana izy ireo. Nila lehilahy matanjaka koa izy ireo amin’ilay dia, ary maro tamin’ireo lehilahy no niaraka tamin’ny Andian-tafika Môrmôna.

Sary
Lehilahy sy vehivavy manorina sy mamboly

Nanaiky ny hamela ny Olomasina hampiasa tany teo ampitan’ny renirano avy teo Council Bluffs ny Indiana sasany. Nanomboka nanorina tanàna iray tao izy ireo, izay nantsoiny hoe Winter Quarters (jereo ny sarintany ao amin’ny pejy 190). Namboly masomboly izy ireo ary nanorina trano mihoatra ny 700.

Sary
Olomasina manorina fefy

Nozarain’i Brigham Young ho paroasy i Winter Quarters ka nisafidy lehilahy ho eveka hiahy ireo mpikambana tao amin’ny paroasy tsirairay izy. Nanangana fefy nanodidina ny tanàna mba ho fiarovana ireo mpamaky lay.

Sary
I Brigham Young miresaka amin’ny Tompo

Raha tao Winter Quarters ny Olomasina dia nanome fanambarana iray mikasika ny dia miankandrefana an’i Brigham ny Tompo. Nolazain’ny Tompo an’i Brigham izay tokony hataon’ny Olomasina mba hiomanana sy izay tokony hataony mandritra ny dia.

Sary
Olomasina mifampiresaka

Nilaza ny Tompo fa tokony hozaraina ho vondrona kely maromaro ny vahoaka, ka hanana mpitarika ny vondrona tsirairay. Tokony hankatò ny mpitarika azy ireo ny olona. Tokony hifanampy izy ireo, indrindra fa ny mahantra, sy ny mpitondra tena, ary ireo izay tsy nanan-dray.

Sary
Lehilahy manavaka sakafo sy manangana sarety

Nilaza ny Tompo fa tokony samy hanana ny saretiny sy ny sakafony manokana ny vondrona tsirairay. Tokony hisy olona mahay manamboatra sarety simba, manangana tetezana, sy manorina trano, ary mamboly masomboly ny vondrona tsirairay.

Sary
Olomasina iray mamerina marotoa amin’ny iray hafa

Nilaza tamin’ny Olomasina ny Tompo fa tokony hitandrina ny didiny izy ireo. Tsy tokony hiady izy ireo. Tokony hifampiteny zavatra tsara izy ireo, fa tsy zavatra ratsy. Tokony ho marin-toetra sy hamerina ny zavatra izay nindraminy na hitany izy ireo.

Sary
Olomasina mihira sy mandihy

Tian’ny Tompo ho faly ireo mpamaky lay. Nasainy nihira sy nandihy ary niara-nivavaka izy ireo. Nampanantena ny hanampy azy ireo Izy raha toa ka malahelo na matahotra izy ireo. Nilaza Izy fa ireo fisedrana atrehan’izy ireo dia hanampy azy ireo ho vonona handray ireo fitahiana lehibe notehiriziny ho azy ireo.

Sary
I Brigham Young miresaka amin’ny lehilahy roa

Nataon’i Brigham Young izay nasain’ny Tompo nataony. Nozarainy ho vondrona ny vahoaka. Nanana ny zavatra rehetra nilain’izy ireo hanorenana tanàna iray tany an-tendrombohitra ny vondrona tsirairay.

Sary
Fianakaviana mivondrona manodidina ny fasana

Sarotra ireo volana nijanon’ny mpamaky lay tao Winter Quarters. Niaritra aretina mafy, hanoanana, sy hatsiaka izy ireo, ary mihoatra ny 700 tamin’izy ireo no maty. Na teo aza ny fitsapana niainan’izy ireo dia nijanona ho matanjaka tao amin’ny finoany izy ireo ary niasa mafy mba ho vonona amin’ny dia hataony.

Hamoaka printy