Scripture Stories
Toko 37: Ireo mpitarika ao amin’ny Fisoronana: febroary–martsa 1835


Toko 37

Mpitarika ao amin’ny fisoronana

Febroary–martsa1835

Sary
Trano fonenana mandritra ny ririnina
Sary
I Joseph miresaka

Nangataka ireo lehilahy tao amin’ny Tobin’i Ziona sy ireo hafa mba hamonjy fivoriana manan-danja iray tao Kirtland, Ohio i Joseph Smith. Nolazain’i Joseph tamin’ireo lehilahy fa naniry ny hiantso Apôstôly roa ambin’ny folo i Jesoa hanampy hitarika ny Fiangonana.

Sary
I Oliver Cowdery, sy i David Whitmer, ary i Martin Harris

Nasain’ny Tompo nisafidy ireo Apôstôly i Oliver Cowdery, sy i David Whitmer, ary i Martin Harris. Nomen’ny Fiadidiana Voalohan’ny Fiangonana tsodrano i Oliver sy i David ary i Martin taorian’ilay fivoriana. Dia niara-nivavaka izy ireo avy eo ka nisafidy lehilahy tsara roa ambin’ny folo.

Sary
Fiadidiana Voalohany manendry Apôstôly

Notendrena ho Apôstôly ireo lehilahy roa ambin’ny folo. Anisan’ny tranga nanan-danja indrindra teo amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny Fiangonan’ny Tompo ny fiantsoana Apôstôly.

Sary
Apôstôly Roambinifolo

Mpitarika tena manan-danja ato amin’ny Fiangonana ireo Apôstôly. Fantatr’izy ireo fa i Jesoa no Mpamonjy antsika. Mampianatra ny filazantsara manerana izao tontolo izao izy ireo.

Sary
Mpikambana ao amin’ny Fitopololahy

Rehefa afaka andro vitsivitsy dia nisy lehilahy hafa nosafidina ho mpitarika tao amin’ny Fiangonana. Antsoina hoe Fitopololahy izy ireo. Manampy ny Apôstôly ny Fitopololahy.

Sary
Apôstôly Roambinifolo mivory

Nivory ireo Apôstôly Roambinifolo indray andro. Nivonona handeha hanao asa fitoriana izy ireo ka naniry ny fanampian’ny Ray any An-danitra.

Sary
I Joseph sy ireo Apôstôly mandohaliha mivavaka

Nangataka an’i Joseph Smith mba hivavaka hangataka fanambarana iray hanampiana azy ireo any amin’ny asa fitoriany ireo Apôstôly. Nanome fanambarana lehibe iray an’i Joseph sy ireo Apôstôly i Jesoa, izay nilazany momba ny fisoronana tamin’izy ireo.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107, sasin-tenin’ny fizarana.

Sary
Rahalahy manana ny fisoronana manome tsodrano

Ny fisoronana dia herin’ Andriamanitra. Hery faran’ izay lehibe indrindra eto an-tany izany. Omen’ Andriamanitra an’ireo lehilahy marin-toetra ny fisoronana. Ireo lehilahy izay manana ny fisoronana dia azo omena lalana hitory ny filazantsara, sy hanatanteraka ôrdônansy, ary ho mpitarika ao amin’ny Fiangonana.

Sary
Mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka

Misy fisoronana anankiroa ao amin’ny Fiangonana. Fisoronana Melkizedeka ny iray, izay antsoina ihany koa hoe ny fisoronana ambony. Manana ny Fisoronana Melkizedeka avokoa ny Filohan’ny Fiangonana, ireo mpanolotsaina azy, sy ireo Apôstôly Roambinifolo, ary ny Fitopololahy.

Sary
I Joseph miresaka amin’ny Fiadidiana Voalohany

Mpaminanin’ Andriamanitra ny Filohan’ny Fiangonana. Milaza amin’ny olona izay tian’i Jesoa hataon’izy ireo izy. Manana mpanolotsaina izay manampy azy ny mpaminany. Ny mpaminany sy ireo mpanolotsaina azy no Fiadidiana Voalohan’ny Fiangonana.

Sary
Mpisorona Avo ao amin’ny Fisoronana Melkizedeka

Manana ny Fisoronana Melkizedeka ihany koa ireo mpisorona avo. Mpitarika maro ao amin’ireo tsatòka sy paroasy no mpisorona avo. Anisan’izany ireo filohan’ny tsatòka, sy eveka, ary ny mpikambana ao amin’ny filankevitra avo.

Sary
Loholoha ao amin’ny Fisoronana Melkizedeka

Manana ny Fisoronana Melkizedeka ihany koa ireo lehilahy izay tendrena ho loholona. Natao hampianatra ireo mpikamban’ny Fiangonana sy hikarakara azy ireo ny loholona.

Sary
Loholona handeha hanao asa fitoriana

Antsoina hitory ny filazantsara amin’izao tontolo izao ihany koa ireo loholona.

Sary
Mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka manome tsodrano

Afaka manome tsodrano olona ny lehilahy rehetra izay manana ny Fisoronana Melkizedeka. Afaka manome ny Fanahy Masina ihany koa izy ireo.

Sary
Mpihazona ny Fisoronana Aharôna manamasina ny fanasan’ny Tompo

Ny Fisoronana Aharôna ilay fisoronana iray hafa, izay antsoina ihany koa hoe ny fisoronana ambany. Ao anatin’ny Fisoronana Aharôna ny anjara fanompoan’ny eveka, mpisorona, mpampianatra, ary diakona. Afaka manao batisa olona, sy manamasina ny fanasan’ny Tompo, ary manampy ny loholona ireo mpisorona.

Sary
Mpampianatra isan-tokantrano mitsidika mpikambana

Manomana ny fanasan’ny Tompo ireo mpampianatra. Mandeha mampianatra isan-tokantrano sy manampy ireo mpikamban’ny Fiangonana hiaina fiainana tsara izy ireo.

Sary
Diakona mizara ny fanasan’ ny Tompo

Mizara ny fanasan’ny Tompo ny diakona. Manangona ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina sy manampy ny eveka ihany koa izy ireo.

Sary
I Joseph mampianatra

Nilaza i Jesoa fa tokony hianatra ny zavatra tian’ Andriamanitra hataon’izy ireo ny lehilahy rehetra izay manana ny fisoronana. Raha miasa mafy izy ireo dia hitahy azy ireo ny Ray any An-danitra.

Hamoaka printy