Scripture Stories
Toko 33: Fanambarana iray momba an’i Jesoa Kristy: mey 1833


Toko 33

Fanambarana iray momba an’i Jesoa Kristy

Mey 1833

Sary
Trano fonenana mandritra ny ririnina
Sary
I Joseph mandray fanambarana

Nilaza momba ny tenany i Jesoa tao anatin’ny iray tamin’ireo fanambarana ho an’ny Mpaminany Joseph Smith. Nilaza Izy fa afaka mahita ny endriny sy mahafantatra Azy ny olona raha toa ka mankatò ireo didiny sy mivavaka.

Sary
I Jesoa Kristy

Nilaza i Jesoa Kristy fa Izy no fahazavan’izao tontolo izao. Mampiseho antsika ny lalana tsara iainana Izy.

Sary
I Jesoa Kristy mahary ny tany

Niaina niaraka tamin’ny Ray any An-danitra i Jesoa talohan’ny nahariana ny tany. Nahary ny tany sy ny zavatra rehetra eo amin’izany i Jesoa.

Sary
I Jesoa fony zatovolahy mivavaka

Tsy tahaka ny Rainy any An-danitra Izy tamin’ny voalohany. Tsy nahalala ny zavatra rehetra izay fantatry ny Rainy Izy, ary tsy nanana ny fahefana sy voninahitra rehetra nananan’ny Rainy. Niezaka mafy ny ho tonga tahaka ny Rainy i Jesoa. Nahazo ny hery sy ny voninahitry ny Rainy tsikelikely Izy.

Sary
I Joseph mahita an’i Jesoa any an-danitra

Nilaza i Jesoa fa tokony hitandrina ireo didin’ Andriamanitra isika. Rehefa mankatò isika dia afaka mahafantatra ny zavatra rehetra. Afaka ny ho tonga tahaka an’ Andriamanitra koa isika ka mandray ny fahafenoan’ireo fitahiany.

Sary
I Joseph mampianatra ny fianakaviany

Nilaza i Jesoa fa tsy tian’i Satana hahalala ny fahamarinana sy ho tonga tahaka an’ Andriamanitra ny olona. Nilaza tamin’i Joseph i Jesoa mba hampianarany ny fahamarinana amin’ny fianakaviany.

Sary
I Sidney Rigdon mampianatra ny fianakaviany

Nilaza tamin’i Frederick G. Williams sy i Sidney Rigdon ihany koa i Jesoa mba hampianaran’izy ireo ny fahamarinana amin’ny fianakavian’izy ireo sy hankatoavan’izy ireo ireo didy. Dia tsy hanana hery amin’izy ireo i Satana.

Hamoaka printy