Scripture Stories
Toko 1: I Joseph Smith sy ny fianakaviany: 1805–1820


Toko 1

I Joseph Smith sy ny fianakaviany

1805–1820

Sary
Zatovolahikely Joseph Smith mandohalika
Sary
I Joseph Smith fony izy zatovolahy

Teraka tamin’ny 23 desambra 1805 i Joseph Smith. Nipetraka tany amin’ny faritanin’i Vermont tany Etazonia ny fianakaviany. Joseph Smith ihany koa no anaran-drain’i Joseph. I Lucy no anaran-dreniny.

Sary
I Joseph sy ireo mpiray tampo aminy

Nanana rahalahy dimy sy anabavy telo i Joseph.

Sary
Ny fianakavian’i Joseph miasa

Olona tsara ny ray sy ny renin’i Joseph. Tia ny zanany izy ireo ary niasa mafy mba hikarakarana azy ireo.

Sary
I Joseph eo ambonin’ny fandriana

Fony zazalahy i Joseph dia nisy ratra be tamin’ny ranjony. Niezaka nitsabo ny ranjony ireo dokotera saingy tsy nahavita izany.

Sary
I Hyrum mipetraka eo anilan’ny fandrian’i Joseph

Anisan’ireo zokilahin’i Joseph i Hyrum Smith. Tia an’i Joseph izy ary nalahelo fa naharary mafy an’i Joseph ny ranjony. Nipetraka teo akaikin’ny fandrian’i Joseph izy ka niezaka nanampy azy hahatsapa ho tsara kokoa.

Sary
I Lucy Mack Smith miaraka amin’i Joseph

Nikasa ny hanapaka ny ranjon’i Joseph ireo dokotera saingy tsy namela azy ireo hanao izany ny reniny. Koa nanapa-kevitra ny hanapaka ny ampahany amin’ilay taolana izy ireo. Fantatr’i Joseph fa haharary azy ny ranjony rehefa hanapaka izany ireo dokotera, saingy nanana finoana izy fa hanampy azy ny Ray any An-danitra.

Sary
I Joseph sy ny reniny

Nangataka an’i Joseph mba hisotro divay kely ireo dokotera mba tsy ho mafy be ny fanaintainana. Tsy nanaiky hisotro divay i Joseph. Nangataka ny reniny hivoaka tany ivelany i Joseph satria tsy tiany hahita ireo dokotera manapaka ao amin’ny ranjony izy.

Sary
Dokotera mandidy ny ranjon’i Joseph

Nangataka ny rainy hitazona azy i Joseph eo am-panapahan’ny dokotera tao amin’ny ranjony. Nesorin’izy ireo ny ampahany ratsy tamin’ilay taolana. Nanaintaina tokoa izany, kanefa natanja-tsaina i Joseph. Niha-sitrana ny ranjony afaka andro maromaro.

Sary
Trano hazo

Rehefa lehibe kokoa i Joseph dia nifindra tany amin’ny faritan’i New York ny fianakaviany. Nipetraka tao amin’ny trano hazo iray teo amin’ny tany fambolena sy fiompiana iray akaikin’i Palmyra izy ireo.

Sary
I Lucy Mack Smith manasa lamba

Nahantra ny fianakavian’i Joseph. Niasa mafy izy ireo mba hanefana ny saran’ilay tany fambolena sy fiompiana. Nanampy ny rainy hamboly masomboly sy nikarakara ireo biby ireo zazalahy. Niara-niasa tamin-dreniny ireo zazavavy.

Sary
I Joseph misintony ny rahalahiny amin’ny hazo

Zazalahy nahafinaritra i Joseph. Faly lalandava izy ary tia nihomehy sy nifaly.

Hamoaka printy