Scripture Stories
Toko 40: Ireo fahitana tao amin’ny tempolin’i Kirtland: aprily 1836


Toko 40

Ireo fahitana tao amin’ny tempolin’i Kirtland

Aprily 1836

Sary
Mpivady ao anaty sarety
Sary
apôstôly manamasina ny fanasan’ny Tompo

Herinandro taorian’ny nanokanana ny Tempolin’i Kirtland dia nanao fivoriana iray tao ny Olomasina. Nanamasina ny fanasan’ny Tompo ireo Apôstôly, ary nizara izany tamin’ny Olomasina i Joseph Smith sy ireo mpanolotsaina azy.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110, sasin-tenin’ny fizarana.

Sary
I Jesoa miseho amin’i Joseph sy i Oliver

Dia nandeha irery tao amin’ny toerana iray tao amin’ny tempoly i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery, ka nandohalika sy nivavaka tao izy ireo. Taorian’ny vavaka nataon’izy ireo dia nahita fahitana mahafinaritra iray izy ireo. Nahita an’i Jesoa Kristy Tompo izy ireo. Namiratra tahaka ny lelafo ny masony. Fotsy mangatsakatsaka toy ny orampanala ny volony, ary namiratra noho ny masoandro ny endriny.

Sary
I Jesoa manaiky ny tempoly

Nilaza zavatra mahafinaritra maro tamin’i Joseph sy i Oliver i Jesoa. Dia nasainy nifaly izy ireo satria voavela ny helok’izy ireo. Faly tamin’ny tempoly Izy ary niteny fa tokony ho faly ireo Olomasina izay nanangana izany. Nanaiky ny tempoly ho tranony masina Izy. Nilaza i Jesoa fa ho tonga matetika ao amin’ny tempoly Izy. Raha tsy mitandrina ny tempoly ho masina anefa ny olona, dia tsy ho tonga Izy.

Sary
I Mosesy miseho amin’i Joseph sy i Oliver

Dia nahita an’i Mosesy tao amin’ny tempoly i Joseph sy i Oliver avy eo. Mpaminany iray niaina taloha ela be i Mosesy. Niverina teto an-tany izy mba hamerina amin’ny laoniny ny herin’ny fisoronana miavaka tamin’i Joseph sy i Oliver. Io hery io dia hanampy ny zanak’i Isiraely ho voangona ao amin’ny Fiangonana avy any amin’ny faritry ny tany rehetra. Io hery io ihany koa dia manome fahefana ny mpaminany handefa misiônera hitory ny filazantsara manerana izao tontolo izao.

Sary
I Elià miseho amin’i Joseph sy i Oliver

Avy eo dia nahita an’i Elià i Joseph sy i Oliver. Namerina tamin’ny laoniny ny herin’ny fisoronana miavaka izay nomena an’i Abrahama i Elià. Mpaminany iray niaina taloha ela be koa i Abrahama. Miaraka amin’io hery io, ny Olomasina dia afaka mahazo ireo fitahiana miavaka izay nampanantenain’ Andriamanitra an’i Abrahama.

Sary
I Elia miseho amin’i Joseph sy i Oliver

Avy eo dia hitan’i Joseph sy i Oliver i Elia, mpaminany iray hafa izay niaina taloha ela be. Namerina tamin’ny laoniny ny herin’ny fisoronana miavaka mba hanampiana ireo fianakaviana marina i Elia. Io hery io no mahatonga ny fianakaviana ho voafehy miaraka any amin’ny tempoly mba hahafahan’izy ireo miara-miaina mandrakizay.

Hamoaka printy