Scripture Stories
Toko 52: Ny Fikambanana Ifanampiana: martsa 1842


Toko 52

Ny Fikambanana Ifanampiana

Martsa 1842

Sary
Tempolin’i Nauvoo
Sary
Olomasina manangana tempoly ao Nauvoo

Nanangana tempoly tao Nauvoo ny Olomasina. Nihasimba ny akanjon’ireo lehilahy, ary naniry ny hanampy azy ireo ny vehivavy. Nilaza ny vehivavy iray fa hanjaitra akanjo ho an’ireo lehilahy, kanefa tsy nanana vola hividianana ravin-damba izy.

Sary
Vehivavy mifamory

Nilaza i Sarah Kimball fa hanome ravin-damba vitsivitsy izy. Nangataka vehivavy hafa mba hanampy ihany koa ny Rahavavy Kimball. Nanao fivoriana tao amin’ny tranon-dRahavavy Kimball ireo vehivavy ka nanapa-kevitra ny hanangana fikambanana iray ho an’ny vehivavy ao amin’ny Fiangonana.

Sary
I Eliza R. Snow miarahaba an’i Joseph

Nangataka an’i Eliza R. Snow ireo vehivavy mba hanoratra ny sata mifehy ilay fikambanana. Nentiny tany amin’i Joseph Smith ireo sata mifehy ireo. Nilaza izy fa tsara ireo sata mifehy, saingy nilaza koa izy fa nanana drafitra tsara kokoa ho an’ireo vehivavy ny Tompo.

Sary
Naorina ny Fikambanana Ifanampiana

Nangataka ireo vehivavy mba ho tonga amin’ny fivoriana iray i Joseph Smith. Nolazainy fa hanampy ireo vehivavy amin’ny fikambanan’izy ireo ireo mpitarika ao amin’ny Fisoronana. Nosafidiana ho mpitarika ireo vehivavy i Emma Smith. Nantsoin’izy ireo hoe Fikambanana Ifanampiana ny vondron’izy ireo.

Sary
I Joseph miresaka amin’ny Fikambanana Ifanampiana

Nangataka ireo vehivavy mba hanampy ny olona izay marary na mahantra i Joseph Smith. Izy ireo dia tokony hanome ny olona izay fanampiana ilain’izy ireo. Hanampy ny vehivavy hahafantatra izay tokony hatao ny eveka.

Sary
Vehivavy miara-mivory

Nanao fivoriana mba hianarana ireo zavatra nilain’izy ireo fantarina ireo vehivavy. Faly tokoa izy ireo fa afaka nanampy ireo mpikamban’ny Fiangonana.

Sary
Vehivavy manjaitra akanjo

Nanjaitra akanjo ho an’ireo lehilahy izay nanangana ny tempoly ireo vehivavy. Nanjaitra ireo zavatra hampiasaina tao anatin’ny tempoly ihany koa izy ireo.

Sary
Vehivavy mitondra sakafo ho an’ireo sahirana

Nitondra sakafo ho an’ireo olona nila izany ireo vehivavy. Nikarakara ny olona izay narary izy ireo ary nanao zavatra maro hafa hanampiana ny Olomasina.

Sary
Vehivavy manompo ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana

Mpikambana ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana avokoa ireo vehivavy olon-dehibe ao amin’ny Fiangonana. Manampy olona izy ireo. Mianatra momba ny filazantsara izy ireo. Mianatra momba ireo boky, sy mozika, ary tao-java-kanto tsara izy ireo. Mianatra momba ny fomba hampatanjahana ny fianakaviany izy ireo. (Loharano ho an’ity toko ity: History of Relief Society, 1842–1966 [1967].)

Hamoaka printy