Scripture Stories
Toko 4: I Martin Harris sy ireo pejy very: 1827–1828


Toko 4

I Martin Harris sy ireo pejy very

1827–1828

Sary
Takela-bolamena
Sary
I Joseph mandika teny

Nanomboka nandika ny soratra teo amin’ireo takela-bolamena i Joseph tany Pennsylvanie. Tsy fantany ny dikan’ilay soratra, saingy rehefa nampiasa ny Orima sy Tomima izy dia nanampy azy hahatakatra ireo teny Andriamanitra.

Sary
I Martin Harris mandray an-tsoratra

Nandeha tany Pennsylvanie i Martin Harris ka nanampy an’i Joseph nandika teny. Rehefa nandika ireo teny avy teo amin’ny takela-bolamena i Joseph, dia nanoratra izany teo amin’ny taratasy i Martin. Nahavita dika 116 pejy tamin’ny Bokin’i Môrmôna i Joseph sy i Martin.

Sary
I Martin Harris nangataka ireo pejy natao sora-tanana

Nirin’i Martin Harris hoentina mody any an-trano ireo pejy 116 mba hahafahan’ny ankohonany mahita izany. Nanontanian’i Joseph ny Tompo raha toa ka afaka mitondra ireo pejy i Martin, tsia anefa no nolazain’ny Tompo. Nanontany indray i Joseph, dia mbola niteny hoe tsia ihany ny Tompo.

Sary
I Joseph sy i Martin Harris

Mbola naniry ny hitondra ireo pejy tany an-trano ihany i Martin. Nitalaho tamin’i Joseph i Martin ny mba hangatahany tamin’ny Tompo indray. Tamin’ity indray mitoraka ity dia nilaza ny Tompo fa afaka mitondra ireo pejy izy raha toa ka nanaiky ny hampiseho izany amin’ny vadiny ihany sy ny olona sasany ao amin’ny fianakaviany.

Sary
I Martin Harris miaraka amin’ireo pejy

Nampanantena ny hankatò ny Tompo i Martin. Nentiny nody ireo pejy dia nasehony tamin’ny fianakaviany. Tsy nihazona ny fampanantenany anefa izy ka nampiseho ireo pejy tamin’ny olona hafa vitsivitsy.

Sary
I Martin Harris

Niverina haka ireo pejy izy avy eo. Notadiaviny tamin’ny toerana rehetra saingy tsy hitany izany. Very ireo pejy.

Sary
I Joseph misaintsaina

Afaka herinandro vitsivitsy, rehefa tsy niverina niaraka tamin’ireo pejy i Martin Harris, dia nanjary natahotra i Joseph. Nandeha tany New York i Joseph hitady an’i Martin, izay nilaza taminy fa very ireo pejy. Samy tsy nanana fahatsapana tsara i Joseph sy i Martin.

Sary
I Môrônia naka indray ireo takelaka

Niverina tany Pennsylvanie i Joseph, ka nangataka famelan-keloka izy tany. Niseho i Môrônia ary naka ireo takela-bolamena.

Sary
I Joseph mandray fanentanam-panahy

Nilaza tamin’i Joseph tao anatin’ny fanambarana iray ny Tompo fa tsy avela mandika teny mandritra ny fotoana voafetra izy satria tsy nankatò. Nankahery an’i Joseph ihany koa ny Tompo, nilaza fa handroso ny asany ary mbola voafidy hanao ny asa i Joseph raha toa ka mibebaka izy.

Sary
Olon-dratsy mitsikombakomba

Nolazain’i Jesoa tamin’i Joseph fa nitaona olon-dratsy sasantsasany i Satana mba haka ireo pejy 116. Hanova ireo teny ireo lehilahy ireo mba tsy hinoan’ny olona ny Bokin’i Môrmôna. Tsy afaka nanakana ny asan’ Andriamanitra anefa i Satana sy ireo olon-dratsy hoy i Jesoa.

Sary
I Josefa mahazo sary an-tsaina ny olona mamaky ilay boky

Nibebaka i Joseph. Tsy ela dia naverin’i Môrônia ireo takela-bolamena, ary namela heloka an’i Joseph ny Tompo sady namerina tamin’ny laoniny ny fanomezam-pahasoana mba handika teny. Nasain’i Jesoa tsy hiahiahy momba ireo pejy very i Joseph satria efa voasoratra ao amin’ny ampahany hafa ao amin’ireo takela-bolamena ny tantara hita tao. Nasain’i Jesoa nandika ny ampahany hafa tamin’ireo takelaka i Joseph. Nilaza koa i Jesoa fa maro ireo olona hamaky ilay boky sy hianatra momba ny filazantsarany.

Hamoaka printy