Scripture Stories
Toko 8: Mivonona amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy: aprily 1830


Toko 8

Mivonona amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy

Aprily 1830

Sary
batisa
Sary
I Joseph mandray fanambarana

Efa ho tonga tamin’izay ilay fotoana hiverenan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy indray eto an-tany. Nomen’i Jesoa fanambarana iray i Joseph Smith mba ho vonona amin’ny Fiangonany ny olona. Nanambara bebe kokoa momba ny filazantsarany sy momba ireo zavatra hafa nilain’ny olona ho fantatra mialoha ny fanorenana ny Fiangonany i Jesoa.

Sary
Lehilahy mamaky ny Bokin’i Môrmôna

Nolazain’i Jesoa fa ny Bokin’i Môrmôna dia mampianatra ny filazantsarany sy mijoro ho vavolombelona momba an’ Andriamanitra sy ny asany. Nampanantena fitahiana ho an’ireo izay mandray ilay boky amim-pinoana i Jesoa—ary sazy ho an’ireo izay mandà izany.

Sary
I Jesoa Kristy

Niresaka momba ny fiainany tety an-tany i Jesoa. Nandefa Azy tety mba ho Mpamonjy antsika ny Ray any An-danitra. Naka fanahy Azy i Satana, kanefa tsy nihaino azy i Jesoa.

Sary
I Jesoa mijaly

Nahatsapa alahelo lehibe noho ny zavatra ratsy nataon’ny olona i Jesoa. Tany amin’ny faramparan’ny fiainany dia nijaly sy nilatsa-drà ho an’ny olona rehetra Izy. Tsy hijaly tahaka Azy ny olona raha mibebaka.

Sary
I Jesoa mihantona eo amin’ny hazo fijaliana

Nataon’ny olon-dratsy teo amin’ny hazo fijaliana i Jesoa ka novonoin’izy ireo.

Sary
Ny naman’i Jesoa milanja ny vata-mangatsiakany

Nataon’ireo naman’i Jesoa tao am-pasana ny vata-mangatsiakany.

Sary
I Jesoa miseho amin’ireo Apôstôly

Telo andro taty aoriana dia nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Velona indray Izy!

Sary
I Kristy tafatsangana tamin’ny maty

Satria nitsangana tamin’ny maty i Jesoa dia hitsangana amin’ny maty koa ny olona rehetra. Satria nijaly sy maty noho ny fahotan’ny olona rehetra Izy, dia afaka ny ho voavela isika raha toa mibebaka. Hiverina hiaraka hiaina miaraka amin’ny Ray any An-danitra isika raha toa manam-pinoana, mibebaka, atao batisa, ary manao ny tsara indrindra vitantsika mba hitandremana ireo didy.

Sary
Zatovolahy mivavaka

Nampianatra ny olona momba ny batisa koa i Jesoa. Nilaza Izy fa tsy maintsy atao batisa izy ireo mba ho tonga mpikamban’ny Fiangonany. Tsy maintsy mibebaka ireo izay maniry ny hatao batisa. Tsy maintsy mitia sy mankatò an’i Jesoa izy ireo. Tsy maintsy valo taona izy ireo farafahakeliny.

Sary
Lehilahy iray manao batisa zazalahy iray

Nampianarin’i Jesoa ny fomba mety hanaovana batisa. Nilaza Izy fa afaka manao batisa olona iray ny mpisorona ao amin’ny Fisoronana Aharôna na ny lehilahy iray izay manana ny Fisoronana Melkizedeka. Entin’ilay lehilahy ao anaty rano ilay olona ka manonona vavaka manokana izy.

Sary
Lehilahy iray manao batisa zazalahy iray

Asitrik’ilay lehilahy ao anaty rano ilay olona. Dia avoakany avy ao anaty rano avy eo.

Sary
Aorian’ny batisa

Rehefa vita batisa ny olona dia mampanantena ny hankatò an’i Jesoa izy ireo. Mampanantena ihany koa izy ireo ny hilaza sy hanao zavatra tsara.

Sary
Lehilahy manome tsodrano ho an’ny zazakely

Niresaka momba ny tsodrano ho an’ny zazakely i Jesoa. Afaka manome tsodrano ho an’ny zazakely ny lehilahy manana ny Fisoronana Melkizedeka. Trotroin’ireo lehilahy ilay zazakely, dia manome anarana sy tsodrano ny lehilahy iray.

Sary
Zazalahy mandray ny fanasan’ny Tompo

Niresaka momba ny fanasan’ny Tompo i Jesoa. Nilaza Izy fa tokony handray ny fanasan’ny Tompo matetika isika. Rehefa manao zavatra ratsy anefa isika dia tsy tokony handray ny fanasan’ny Tompo raha tsy efa nibebaka.

Sary
Zazalahy misaintsaina ny fanomboana an’i Kristy

Mandray ny fanasan’ny Tompo isika mba hahatsiarovana an’i Jesoa. Manampy antsika hieritreritra momba ny vatany ny mofo. Tsaroantsika fa maty ho antsika teo amin’ny hazo fijaliana Izy.

Sary
Zazalahy misaintsaina ny Sorompanavotana

Manampy antsika hieritreritra momba ny ran’i Jesoa ny rano. Tsaroantsika fa nijaly sy latsa-dra ho antsika tao amin’ny Sahan’i Getsemane Izy.

Sary
Zazalahy mivavaka

Manao fanekempihavanana isika rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo. Ny fanekempihavanana dia fampanantenana. Mampanantena isika fa hiezaka ny ho toa an’i Jesoa. Mampanantena isika fa hahatsiaro Azy mandrakariva. Mampanantena ihany koa isika fa hankatò ny didiny. Raha mitandrina ireo fanekempihavanantsika isika dia ampanantenaina fa hiaraka amintsika ny Fanahiny.

Hamoaka printy