Scripture Stories
Toko 36: Ny tobin’i Ziona: febroary–jona 1834


Toko 36

Tobin’i Ziona

Febroary–aprily 1834

Sary
Trano fonenana mandritra ny ririnina
Sary
I Joseph mamaky taratasy

Raha nasain’ny olona tao Missouri nandao ny fonenan’izy ireo ny Olomasina dia tany amin’ny 1600 kilaometatra niala an’i Kirtland, Ohio no nisy an’i Joseph Smith. Nivavaka izy mba hahafantatra ny fomba hanampiana ny Olomasina tao Missouri.

Sary
I Joseph mitsangana avy nivavaka

Tao anatin’ny fanambarana iray dia nilaza tamin’i Joseph i Jesoa fa tokony handeha ho any Missouri hanampy ny Olomasina ny sasany tamin’ireo lehilahy. Ho mpitarika azy ireo i Joseph Smith. Nila vatan-dehilahy 500 isa ny Tompo handeha ho any.

Sary
I Joseph miresaka amin’ny Olomasina

Nankatò ny Tompo i Joseph. Nolazainy tamin’ny Olomasina fa tokony handeha ho any amin’ny tanin’i Ziona any Missouri ny vatan-dehilhay 500 isa. Afaka herinandro vitsy anefa dia 100 ihany no nilaza fa handeha.

Sary
Lehilahy mandao an’i Kirtland

Nandao an’i Kirtland ireo lehilahy 100 ary nanomboka ny dia lavitra nankany Missouri. Nantsoina hoe ny Tobin’i Ziona ilay vondrona. Matetika ireo lehilahy ireo no nandeha an-tongotra mahery ny 55 kilaometatra isan’andro na dia noana be sy nangetaheta ary nafana aza. Niara-nitoby izy ireo rehefa tonga ny alina.

Sary
Lehilahy mandao an’i Kirtland

Teny an-dalana dia nisy lehilahy 100 hafa nanampy azy ireo. Saingy mbola tsy betsaka araka ny notadiavin’ny Tompo izany.

Sary
mpikambana mimonomonona amin’i Joseph

Nandeha 1 610 kilaometatra ny mpikambana tao amin’ilay toby. Ny sasany tamin’izy ireo dia nilaza fa mafy loatra ilay dia. Nimenomenona sy nifamaly izy ireo. Niampanga an’i Joseph Smith izy ireo rehefa tsy ampy ny sakafo. Nolazain’izy ireo fa tsy mpitarika tsara izy. Nolazain’i Joseph tamin’ireo lehilahy ireo fa tsy maintsy mibebaka izy ireo, raha tsy izany dia harary izy ireo ka ho faty.

Sary
Mpikambana olo-marina tao amin’ilay toby miaraka amin’i Joseph

Maro tamin’ireo lehilahy tao amin’ilay toby no olo-marina. Nanampy an’i Joseph izy ireo ary nankatò ireo didin’ Andriamanitra.

Sary
Tobin’ireo lehilahy eo akaikin’ny renirano iray

Tonga teo akaikin’ny Fivondronan’i Jackson Missouri ny Tobin’i Ziona nony farany. Nitoby teo akaikin’ny renirano iray izy ireo.

Sary
Andian’olona mpihetraketraka manatona ny Tobin’i Ziona

Nitsikilo ilay toby ny mpikambana tao ao amin’ny andian’olona mpihetraketraka iray ka fantatr’izy ireo ny toerana nisy izany. Nanatona ilay toby ilay andian’olona mpihetraketraka nony alina ka nanao drafitra ny hanafika izany.

Sary
Avandra milatsaka tamin’ireo andian’olona mpihetraketraka ratsy fanahy

Niaro ny Tobin’i Ziona Andriamanitra tamin’ny fandefasana tafiotra lehibe iray. Nandavo ireo hazo ny rivotra. Nilatsaka avy tany an-danitra ny avandra vaventy, ary namely ny hazo ny tselatra. Niakatra ny renirano ka nanondraka ny tany. Maty nilatsahan’ny tselatra ny lehilahy iray tao amin’ilay andian’olona mpihetraketraka, ary naratra nilatsaham-baratra ny lehilahy iray hafa. Tsy nisy naratra tao amin’ny Tobin’i Ziona.

Sary
Andian’olona mpihetraketraka mitsoaka

Natahotra ireo lehilahy tao amin’ilay andian’olona mpihetraketraka ka nitsoaka. Tsy nandratra na iza na iza tao amin’ny Tobin’i Ziona izy ireo.

Sary
I Joseph mivavaka

Telo andro taorian’ilay tafiotra dia nanome fanambarana iray ho an’i Joseph Smith ny Tompo. Nolazainy fa tsy maintsy miandry ny Olomasina raha hanangana ny tanànan’i Ziona. Mila lasa mpankatò, sy mpanolo-tanana, ary miray hina kokoa izy ireo. Mila mianatra bebe kokoa momba ireo zavatra takin’ny Tompo amin’izy ireo izy ireo.

Sary
Tobin’i Ziona

Nolazain’ny Tompo tamin’ireo lehilahy tao amin’ny Tobin’i Ziona ihany koa fa tsy tokony hiady amin’ireo andian’olona mpihetraketraka tao Missouri izy ireo. Tezitra momba izany ny sasany tamin’ireo lehilahy. Nihevitra izy ireo fa tsy hisy lanjany ilay dia raha toa ka tsy niady mba hanampiana ny Olomasina tao Missouri izy ireo.

Sary
Lehilahy tao amin’ny Tobin’i Ziona nanjary narary

Afaka andro vitsivitsy taty aoriana dia nanjary narary mafy ny lehilahy maro tao amin’ny Tobin’i Ziona. Nodimandry ny efatra ambin’ny folo tamin’izy ireo. Nolazain’ny Mpaminany tamin’ireo lehilahy fa ho lasa ny aretina raha toa ka manetry tena sy mibebaka izy ireo. Tanteraka izany fampanantenana izany.

Sary
I Joseph miresaka amin’ireo Olomasina tao Missouri

Rehefa tody soa aman-tsara ny Tobin’i Ziona dia nihaona tamin’ireo Olomasina tao Missouri i Joseph Smith ary nisafidy lehilahy ho ao amin’ny filankevitra avo. Andro vitsivitsy taty aoriana dia nanomboka niverina nankany Kirtland izy sy ny lehilahy maro tao amin’ny Tobin’i Ziona.

Sary
Ny Tobin’i Ziona miverina any Kirtland

Na dia tsy nanampy ireo Olomasina tao Missouri aza ireo lehilahy tao amin’ny Tobin’i Ziona dia mbola nanan-danja ihany ilay toby. Nanampy an’i Brigham Young sy ireo hafa ho amin’ny fitantanana tao amin’ny Fiangonana izany. Afaka nanaporofo izy ireo raha toa ka hankatò sy hanao fanolorantena ho an’ny Tompo na tsia. Volana vitsivitsy taty aoriana dia maro tamin’ireo lehilahy izay nahatoky no nantsoina ho mpitarika tao amin’ny Fiangonana.

Hamoaka printy