Scripture Stories
Toko 5: I Joseph Smith sy i Oliver Cowdery: febroary–aprily 1829


Toko 5

I Joseph Smith sy i Oliver Cowdery

febroary–aprily 1829

Sary
Takela-bolamena
Sary
I Joseph Smith rainy mitsidika an’i Joseph

Nipetraka teo amin’ny tany fiompiana sy fambolena kely iray teo akaikin’i Harmony, Pennsylvanie i Joseph sy i Emma Smith. Tonga nitsidika azy ireo ny rain’i Joseph. Faly izy ireo nahita azy. Lehilahy tsara ny rain’i Joseph.

Sary
I Joseph mandray fanambarana

Nomen’i Jesoa fanambarana iray ho an-drainy i Joseph. Nilaza ny fomba ahafahan’ny olona manampy an’i Jesoa ilay fanambarana. Tokony hitia an’i Jesoa izy ireo. Tokony hiasa mafy izy ireo mba hampianarana ny filazantsara. Tokony hitia sy hanampy ny olona hafa izy ireo.

Sary
I Joseph Smith rainy mivavaka

Tokony hivavaka sy hanana finoana ihany koa ny olona izay te hanampy an’i Jesoa. Nilaza i Jesoa fa hotahiana ny olona izay manampy Azy.

Sary
I Joseph Smith rainy mandao an’i Joseph sy i Emma

Nody ny rain’i Joseph ary niezaka nanao ireo zavatra nasain’i Jesoa nataony. Nizara ny filazantsara tamin’ny olona maro tao amin’ny fianakaviany izy.

Sary
I Joseph mivavaka

Nila niasa teo amin’ny tanimboliny i Joseph. Nila nandika ireo takela-bolamena ihany koa izy. Asa be loatra izany ka tsy ho vitany irery, koa nivavaka izy ary nangataka fanampiana tamin’ny Ray any An-danitra.

Sary
I Joseph mihaona amin’i Oliver Cowdery

Namaly ny vavaka nataon’i Joseph Smith ny Ray any An-danitra. Nandefa lehilahy iray nantsoina hoe Oliver Cowdery nankany amin’i Joseph Izy. Naniry ny hahafantatra momba ireo takela-bolamena i Oliver. Nolazain’i Joseph taminy ny momba ny anjely Môrônia, sy ireo takelaka, ary ny Bokin’i Môrmôna.

Sary
I Oliver Cowdery mandray an-tsoratra

Nino an’i Joseph i Oliver ka nilaza fa hanampy azy handika ireo takela-bolamena. Rehefa novakin’i Joseph tamin’ny feo mafy ireo teny dia nosorotan’i Oliver teo amin’ny taratasy izany. Niasa mafy i Joseph sy i Oliver.

Sary
I Joseph sy i Oliver

Nampianatra zavatra maro an’i Joseph sy i Oliver i Jesoa. Nolazainy fa tokony hikatsaka fahendrena sy fiainana mandrakizay, fa tsy harena, izy ireo. Nilaza koa Izy fa tokony hianatra momba an’ Andriamanitra izy ireo ary hanampy ny olona hianatra ny filazantsara. Tokony ho mahatoky sy hanao zavatra tsara izy ireo. Raha nanao izany izy ireo, dia afaka hiaina miaraka amin’ny Ray any An-danitra mandrakizay.

Sary
I Oliver vonona handika teny

Nilaza i Jesoa fa tokony ho naman’i Joseph hatrany i Oliver ary hanampy azy ao anatin’ireo fotoan-tsarotra. Nilaza ihany koa i Jesoa fa afaka mianatra mandika teny tahaka an’i Joseph i Oliver. Hanampy an’i Oliver handika teny ny Fanahy Masina raha toa ka nanana finoana ampy i Oliver.

Sary
I Oliver miezaka mandika teny

Niezaka nandika teny i Oliver. Noheveriny fa ho mora izany, saingy tsy nahavita nanao izany izy.

Sary
I Joseph mivavaka

Nolazain’i Jesoa tamin’i Oliver fa tsy nangataka fanampiana tamin’ Andriamanitra araka ny tokony ho izy izy. Nolazain’i Jesoa an’i Joseph Smith ny fomba ahafahan’i Oliver sy ny olona rehetra mahazo fanampiana avy amin’ Andriamanitra.

Sary
Zatovovavy mamaky ny soratra masina

Rehefa mila fanampiana ny olona dia tokony hieritreritra tsara momba izay tokony hatao izy ireo. Tokony hanapa-kevitra ny amin’izay eritreretiny ho zavatra tsara atao izy ireo.

Sary
Zatovovavy iray mivavaka

Dia tokony hanontany an’ Andriamanitra izy ireo avy eo raha toa ka mety izany. Raha mety izany dia hahatsapa zavatra tsara ao am-pony izy ireo. Ho fantatr’izy ireo raha toa ka mety izany.

Sary
Zatovovavy iray mivavaka

Raha diso izany dia tsy hahatsapa zavatra tsara ao am-pony izy ireo.

Sary
I Joseph mamaky ireo takelaka

Tsy niezaka nandika ny Bokin’i Môrmôna intsony i Oliver. Nandray an-tsoratra ireo teny kosa izy rehefa nandika azy ireny i Joseph. Nilaza i Jesoa fa hotahiana i Oliver noho ny fanampiany an’i Joseph.

Hamoaka printy