Scripture Stories
Toko 60: Nandao an’i Nauvoo ireo Olomasina: septambra 1845–septambra 1846


Toko 60

Mandao an’i Nauvoo ireo Olomasina

Septambra 1845–septambra 1846

Sary
Fifindrana niankandrefana
Sary
Andian’olona mpihetraketraka milaza lainga

Taorian’ny fahafatesan’i Joseph Smith dia nihevitra ireo andian’olona mpihetraketraka fa hiala ny Fiangonana. Nihanatanjaka hatrany anefa izany teo ambany fitarihan’ny Apôstôly, ary tsy nitsaha-nitombo i Nauvoo. Nahatonga ireo andian’olona mpietraketraka hiezaka mafy kokoa handringana ny Fiangonana sy handroaka ny Olomasina izany. Nanonta lainga momba ny Fiangonana tao anaty gazety ireo andian’olona mpihetraketraka.

Sary
Ny Fiadidiana Voalohany miresaka amin’ny Governoran’i Illinois

Tsy afaka nampijanona ireo andian’olona mpietraketraka ny Governoran’i Illinois. Tsy ela dia fantatry ny Olomasina fa tsy hanana fiadanana izy ireo raha tsy miala tao Nauvoo. Nanome soso-kevitra ny governora mba hifindran’izy ireo lavitra any andrefana ka ho lavitra ireo fahavalony izy ireo ary afaka hanangana ny governemantany manokana. Nanaiky ny hiala ny Olomasina nony farany, saingy nila fotoana izy ireo niomanana.

Sary
Olomasina miomana handao an’i Nauvoo

Nila sakafo sy akanjo hoentina manao ilay dia ny Olomasina. Nila nanamboatra sarety, sy nividy omby sy biby hafa, ary nivarotra ny tranony ihany koa izy ireo. Niasa mafy ny Olomasina mba hiomanana amin’ny fialana tao Nauvoo.

Sary
Andian’olona mpihetraketraka mangalatra amin’ny Olomasina

Tsy nety nanome fotoana hiomanan’ny Olomasina ireo andian’olona mpietraketraka. Nangalatra zavatra sy nandoro ny trano sasany izy ireo.

Sary
Andian’olona mpihetraketraka manafika fianakaviana

Nanao drafitra ny hiala ny aprily 1846 ny Olomasina kanefa ireo fandrahonana avy tamin’ny fahavalony nahatonga azy ireo hanomboka hiala tamin’ny febroary, fotoana izay tena nangatsiaka mihitsy.

Sary
Olomasina miampita ny Reniranon’i Mississippi

Nataon’ny Olomasina tao anaty sarety ny fananan’izy ireo. Nentin’izy ireo teo ambony baka ireo sarety avy eo ka niampita ny Reniranon’i Mississippi.

Sary
Olomasina miampita ny Reniranon’i Mississippi mivaingan’ny hatsiaka

Tokony ho roa herinandro taorian’ny nialan’ny Olomasina voalohany tao Nauvoo, dia lasa tena nangatsiaka ny andro ka nivaingana ilay renirano. Nitarika ny saretin’izy ireo niampita ilay renirano teo ambony rano mivaingana ny sasany tamin’ireo Olomasina.

Sary
Olomasina mizara sakafo sy akanjo

Nitoby teo akaikin’ilay renirano nandritra ny andro vitsivitsy ireo Olomasina. Tsy nanana akanjo ampy ny sasany tamin’izy ireo ka tena nangatsiaka. Tsy nanana sakafo ampy ny sasany tamin’izy ireo. Nizara tamin’ny hafa ireo izay nanana sakafo sy akanjo ampy. Tsy ela dia nifindra ireo Olomasina ary nanangana toby iray hafa. Nifidy mpitarika izay nanampy ny olona hilamina sy hiomana amin’ny dia miankandrefana i Brigham Young. Nantsoina hoe mpamaky lay ireo Olomasina izay nanao dia niankandrefana.

Sary
Lehilahy manapaka hazo

Tamin’ny martsa 1846 dia nanomboka nanao dia niankandrefana namakivaky an’i Iowa ireo mpamaky lay. Niadana ny fandrosoan’ny dian’izy ireo noho ny andro ratsy, sy lalan-dratsy, ary ireo olana hafa. Naniraka lehilahy mialoha mba hitady toerana tsara ho an’ny toby hafa i Brigham Young. Nanapaka hazo ireo lehilahy ireo ka nanangana trano hazo. Namboly masomboly ihany koa izy ireo ary nanangana tetezana niampita ony. Nataon’izy ireo izay hanamorana ny dian’ireo mpamaky lay.

Sary
Olomasina miampita renirano amin’ny alalan’ny baka

Tamin’ny jona 1846, tokony ho efa-bolana taorian’ny nandaozana an’i Nauvoo, dia tonga avy namakivaky an’i Iowa hatreo amin’ny Reniranon’i Missouri ny andiana mpamaky lay voalohany. Nijanona teo amin’ny toerana iray nantsoina hoe Council Bluffs izy ireo ary nanamboatra baka hiampitana ilay renirano. Tsy ela dia nisy Olomasina hafa tonga niaraka tamin’izy ireo (jereo ny sarintany ao amin’ny pejy 190).

Sary
Sarety misy tafo

Raha nandao an’i Nauvoo ny Olomasina maro tamin’ny febroary 1846 dia nisy maro hafa tavela tany aoriana nandritra ny fotoana elaela. Nasaina namita ny tempoly ny sasany tamin’izy ireo. Niezaka nivarotra ny fananany ny hafa. Nandao ilay tanàna ny ankamaroan’ny Olomasina hatramin’ny volana septambra.

Sary
Olomasina mandao an’i Nauvoo amin’alahelo

Rehefa nandao an’i Naouvoo ny Olomasina dia nitodika avy teny ampitan’ny renirano izy ireo ka nahita ilay tanàna tsara tarehy, miaraka amin’ny tempoly eo an-tampon’ny havoana. Nalahelo ny handao izy ireo saingy faly izy ireo fa nahavita ny tempolin’ny Tompo.

Sary
Olomasina mahazo papelika

Maro tamin’ireo Olomasina izay nandao an’i Nauvoo tamin’ireo volana taty aoriana no narary be, na nahantra be, na tsy vonona hanao dia. An-jatony tamin’izy ireo no niparitaka nanamorona ny renirano ary zara raha nanana fialofana na sakafo. Nanampy azy ireo anefa ny Tompo tamin’ny fandefasana andiana vorona kely antsoina hoe papelika, ka afaka nisambotra sy nihinana izany ny Olomasina.

Sary
Lehilahy tonga manavotra ny Olomasina

Rehefa nandre momba ireo olana nananan’ireo Olomasina ireo i Brigham Young dia nandefa lehilahy vitsivitsy izy hanavotra azy ireo. Nanavotra azy ireo tamin’ny hanoanana sy nanampy azy ireo hanao dia nankany Council Bluffs sy ireo toerana hafa tany Iowa izay nitobian’ny Olomasina ireo lehilahy ireo.

Hamoaka printy