Scripture Stories
Toko 16: Nianatra momba an’i Ziona i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon: 1830


Toko 16

Nianatra momba an’i Ziona i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon

1830

Sary
batisa
Sary
Misiônera mihaona amin’i Sidney Rigdon

Raha nanao asa fitoriana i Oliver Cowdery sy ireo namany dia nijanona teo akaikin’i Kirtland Ohio izy ireo. Nihaona tamin’ny lehilahy iray nantsoina hoe Sidney Rigdon, izay mpitarika fiangonana iray hafa, izy ireo.

Sary
Misiônera mampianatra an’i Sidney Rigdon

Nomen’ny misiônera tahadikan’ny Bokin’i Môrmôna i Sidney Rigdon ary nampianariny momba ny filazantsara. Namaky ny Bokin’i Môrmôna i Sidney ary nivavaka momba izany. Nolazain’ny Ray any An-danitra azy fa marina ny filazantsara, dia natao batisa i Sidney.

Sary
I Sidney Rigdon mampahafantatra ireo misiônera

Nasain’i Sidney Rigdon nihaino ireo misiônera ireo mpikambana tao amin’ny fiangonany, ary maro tamin’izy ireo no nanao izany. Tsy ela dia an’arivony ny olona natao batisa tao Kirtland.

Sary
Lehilahy miditra ao anaty rano

Naniry ny hihaona tamin’i Joseph Smith i Sidney Rigdon, koa nandeha tany New York izy. Rehefa tonga i Sidney dia nandray fanambarana iray ho azy i Joseph Smith. Tao anatin’ilay fanambarana dia nilaza i Jesoa fa hanao zavatra goavana i Sidney Rigdon. Hampianatra ny filazantsara amin’ny olona maro izy. Hanao batisa azy ireo sy hanome azy ireo ny fanomezana ny Fanahy Masina izy.

Sary
Lehilahy fahiny

Nolazain’i Jesoa tamin’i Joseph sy i Sidney ihany koa fa taloha ela be dia nisy nanova ny ampahany sasany tao amin’ny Baiboly. Nesorina ireo ampahany manan-danja hafa. Nolazain’i Jesoa fa hambarany amin’i Joseph Smith ireo ampahany ao amin’ny Baiboly izay tokony hahitsy. I Sidney no hanoratra ireo fanitsiana rehefa manonona izany i Joseph.

Sary
Ny mpaminany Enoka miaraka amin’ny vahoakany

Tantara iray izay tsy feno ao amin’ny Baiboly ny momba an’i Enoka, izay mpaminany lehibe iray. Olo-marina tokoa ny vahoakany ka nantsoin’ny Tompo hoe Ziona izy ireo. Nanangana tanàna iray nantsoina hoe Ziona ihany koa izy ireo. Tao Ziona dia nifankatia sy nifampikaraka ny olona. Tsy nisy olona nahantra na tsy faly tao.

Sary
I Jesoa mitoetra ao amin’ny tanànan’i Ziona

Nitandrina ny didin’ny Ray any An-danitra ny olona rehetra tao Ziona. Marina tokoa ilay vahoaka hany ka nitoetra niaraka tamin’izy ireo ny Tompo. Dia nampakariny tany an-danitra hiara-hiaina Aminy ny vahoakan’i Ziona.

Sary
I Jesoa miresaka amin’i Ziona

Nilaza tamin’i Joseph i Jesoa fa hanorina tanàna iray hafa antsoina hoe Ziona ny Olomasina. Ho tsara tarehy izany tanàna izany. Tsy hisy olon-dratsy hiaina ao. Hifankatia sy ho faly ireo izay hiaina ao amin’ilay tanàna. Nilaza i Jesoa fa ho avy Izy ary hiara-hitoetra amin’izy ireo.

Hamoaka printy