Scripture Stories
Toko 7: Nahita ireo takela-bolamena ireo vavolombelona: 1829–1830


Toko 7

Nahita ireo takela-bolamena ireo vavolombelona

1829–1830

Sary
Takela-bolamena
Sary
I Joseph sy i Oliver

Nahavita nandika ny Bokin’i Môrmôna i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery. Nirin’i Jesoa ny hamakin’ny olona ilay boky. Niriny ihany koa ny hahafantaran’izy ireo fa nilaza ny marina momba ireo takela-bolamena i Joseph.

Sary
I Martin Harris, sy i Oliver Cowdery ary i David Whitmer

Nisafidy lehilahy telo hafa i Jesoa mba hahita ireo takela-bolamena sy ho vavolombelona fa tena misy izy ireo. I Martin Harris, sy i Oliver Cowdery ary i David Whitmer ireo lehilahy ireo.

Sary
Anjely miaraka amin’ny takela-bolamena

Nentin’i Joseph tany an’ala ireo vavolombelona telo ireo, ka nivavaka izy ireo tany. Tonga ny anjely iray ary nampiseho azy ireo ireo takela-bolamena. Nasain’i Jesoa nilaza tamin’ny olona ny zavatra hitany ireo vavolombelona telo ireo.

Sary
I Joseph, i Martin, sy i Oliver, ary i David

Tena faly i Joseph Smith. Hilaza amin’ny olona momba ireo takela-bolamena ny vavolombelona telo, ary maro kokoa ireo olona hino fa nilaza ny marina i Joseph.

Sary
Vavolombelona valo

Nilaza tamin’i Joseph i Jesoa mba hampiseho ireo takelaka amin’ny vavolombelona valo fanampiny. Nihazona ireo takela-bolamena teo an-tanany ka nahita ireo soratra teo amin’ireo takelaka ireo lehilahy valo ireo.

Sary
Vavolombelona manoratra taratasy

Nanoratra momba ireo takela-bolamena avokoa ireo vavolombelona rehetra. Nilaza izy ireo fa nahita ireo takelaka, ary nijoro ho vavolombelona fa tena misy ireo takelaka. Ao anatin’ny Bokin’i Môrmôna ny tenin’ireo vavolombelona ireo.

Jereo “Ny tenivavolombelon’ireo vavolombelona telo” ary “Ny tenivavolombelon’ireo vavolombelona valo,” ao amin’ny pejy fampidirana ny Bokin’i Môrmôna.

Sary
I Joseph manolotra ireo takela-bolamena amin’i Môrônia

Rehefa nahavita nandika ireo takelaka i Joseph ary nahita azy ireny ireo vavolombelona, dia tsy nila izany intsony i Joseph. Niseho ny anjely Môrônia ka naverin’i Joseph tany aminy ireo takela-bolamena.

Sary
Fanontana printy ny Bokin’i Môrmôna

Rehefa nahavita nandika ny Bokin’i Môrmôna i Joseph dia nentiny tany amin’ny mpanao printy izany. Tsy nanam-bola handoavana ny volan’ilay mpanao printy i Joseph. Nanana vola ampy i Martin Harris, ary nasaina nizara izany izy tao anatin’ny fanambarana iray mba handoavana ny volan’ilay mpanao printy.

Sary
Olona ratsy fanahy

Tsy tian’i Satana hatao printy ny Bokin’i Môrmôna. Tsy tiany hamaky izany ny olona. Niezaka nanakana ilay mpanao printy ny olona ratsy fanahy.

Sary
Lehilahy iray mangalatra pejy avy amin’ilay boky

Nandeha tao amin’ny trano printy ny lehilahy iray rehefa alahady ka nangalatra ny pejy sasany tamin’ny Bokin’i Môrmôna. Nataony printy tao amin’ny gazety iray ireo pejy mandra-panajanon’ny olona hafa azy tamin’ny fangalarana azy ireny.

Sary
Trano printy miaraka amin’ny boky vita

Tsy nahomby ireo olona izay niezaka nampijanona ilay fanontana printy satria tsy afaka mampijanona ny asan’i Jesoa ireo ratsy fanahy. Vita ny fanontana printy ny Bokin’i Môrmôna afaka volana maro.

Hamoaka printy