Scripture Stories
Toko 48: Nangataka fanampiana tamin’ny Filoham-pirenena i Joseph Smith: martsa-nôvambra 1839


Toko 48

Nangataka fanampiana tamin’ny Filoham-pirenena i Joseph Smith

Martsa–nôvambra 1839

Sary
Mpivady ao anaty sarety
Sary
I Joseph manoratra taratasy

Nanoratra taratasy ho an’ny Olomasina i Joseph Smith raha tao amin’ny fonjan’i Liberty izy. Nasainy nanoratra ireo zavatra ratsy nataon’ireo andian’olona mpihetraketraka tamin’izy ireo izy ireo. Nilaza izy fa tokony handefa izay nosoratan’izy ireo any amin’ireo mpitarika ny firenena izy ireo.

Sary
Olomasina manoratra ny anaran’ireo mpanafika

Nasain’i Joseph nosoratan’ny Olomasina ny anaran’ireo olona izay nandratra azy ireo. Nolazainy fa tokony hosoratan’izy ireo ny fomba nandravana ny tranon’izy ireo sy ny toeram-pambolena sy fiompian’izy ireo.

Sary
I Joseph sy ireo namany mandao ny fonjan’i Liberty

Rehefa notazonina tao amin’ny fonjan’i Liberty nandritra ny efa-bolana mahery i Joseph sy ireo namany, dia nentin’ny mpiandry fonja vitsivitsy nankany amin’ny tanàna hafa izy ireo hiatrika fitsarana. Nividy soavaly roa tamin’ireo mpiambina i Joseph sy ireo namany. Nomen’izy ireo akanjo ireo mpiambina hanefana ny vidin’ny iray tamin’ireo soavaly ary nampanantena ny hanefa ny saran’ilay soavaly iray hafa izy ireo any aoriana any.

Sary
I Joseph sy ireo namany mandositra

Indray alina dia mamo ireo mpiambina ka nandeha natory. Nanampy an’i Joseph sy ireo namany nandositra ny mpiambina iray.

Sary
I Joseph sy ireo namany manao dia

Nifandimby nitaingina soavaly i Joseph sy ireo namany. Tonga tany Quincy Illinois izy ireo afaka 10 andro, ka nahita ny fianakavian’izy ireo tao.

Sary
I Joseph sy ireo namany miarahaba ny fianakavian’izy ireo

Faly i Joseph sy ireo namany fa niaraka tamin’ny fianakaviany indray.

Sary
Ireo Olomasina ao Nauvoo

Naniry ny hahita toerana iray tao Illinois mba hanorenana ny tanànan’izy ireo manokana ny Olomasina. Nividy tany mando sy be fotaka teo akaikin’ny Reniranon’i Mississippi izy ireo. Niasa mafy i Joseph sy ireo namany mba hanamainana ilay tany mba hahafahan’izy ireo manorina trano sy mamboly. Nanomboka nanangana tanàna tsara tarehy izy ireo, izay nantsoiny hoe Nauvoo. Ny hoe Nauvoo dia midika hoe tsara tarehy.

Sary
I Joseph mihaona an’ny Filoham-pirenen’i Etazonia

Raha nanomboka nanangana an’i Nauvoo ny Olomasina dia nandeha nihaona tamin’ny filoham-pirenen’i Etazonia i Joseph Smith. Noresahan’i Joseph tamin’ny filoha ny momba ireo andian’olona mpihetraketraka tao Missouri. Nolazainy fa nandoro ny tranon’ireo Olomasina, sy nangalatra ny biby fiompin’izy ireo, ary nanery azy ireo hiala ny taniny ireo andian’olona mpihetraketraka ireo.

Sary
I Joseph mangataka fanampiana amin’ny Filoham-pirenena

Nolazain’i Joseph fa maty novonoina ny sasany tamin’ireo Olomasina. Naiditra am-ponja ny sasany. Nasehony ny filoha izay nosoratan’ny Olomasina momba ireo zavatra ratsy natao tamin’izy ireo. Nolazain’i Joseph fa tsy mety hanampy ny Olomasina ireo mpitarika tao Missouri. Nangataka tamin’ny filoha mba hanampy azy ireo izy.

Sary
Ny Filoha milaza fa tsy afaka manampy

Nilaza ny filoha fa fantany fa nijaly ny Olomasina, kanefa tsy hanao na inona na inona hanampiana azy ireo izy. Raha manampy ny Olomasina izy dia ho tezitra ny olona ao Missouri.

Sary
I Joseph mandao amin’alahelo

Nalahelo i Joseph satria tsy hanampy ny Olomasina ny filoha. Niverina tany Nauvoo izy.

Hamoaka printy