Scripture Stories
Toko 50: Ireo Olomasina tao Nauvoo: janoary–jolay 1841


Toko 50

Ireo Olomasina tao Nauvoo

Janoary–jolay 1841

Sary
Tempolin’i Nauvoo
Sary
I Joseph mivavaka

Nanangana an’i Nauvoo ho lasa tanàna tsara tarehy ny Olomasina. Nivoatra haingana ilay tanàna rehefa nivondrona tao ireo mpikamban’ny Fiangonana vaovao avy tany Angletera sy ireo faritra hafa. Nomen’i Jesoa fanambarana iray manan-danja i Joseph Smith momba izay tokony hataon’ny Olomasina tao Nauvoo.

Sary
Olomasina manangana tempoly ao Nauvoo

Nasain’i Jesoa nanoratra taratasy iray mampahafantatra ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny ho an’ireo mpanjaka sy mpitarika rehetra teto amin’izao tontolo izao i Joseph Smith. Nilaza ihany koa i Jesoa fa tokony hanorina tempoly iray ao Nauvoo ny Olomasina. Niriny izy ireo hitondra volamena, volafotsy, sy vy hafa, ary karazana hazo sarobidy hanorenana ny tempoly.

Sary
I Jesoa Kristy

Nilaza i Jesoa fa ho avy ao amin’ilay tempoly Izy. Ao no hanomezany fanambarana momba ny fisoronana. Hamerina amin’ny laoniny ireo ôrdônansy ihany koa Izy ary hanambara fahalalana bebe kokoa.

Sary
Mpikambana manatanteraka batisa ho an’ny maty

Nolazain’i Jesoa tamin’i Joseph fa azo hatao batisa ho an’ireo olona izay efa nodimandry ny Olomasina. Nilaza i Jesoa fa tokony hanangana dobo fanaovana batisa izay hanaovana batisa ny maty tao anatin’ny tempoly ny Olomasina.

Sary
I Hyrum manantanteraka tsodranon’ny patriarika

Nambaran’i Jesoa ihany koa fa i Hyrum Smith, rahalahin’i Joseph, no tokony ho patriarkan’ny Fiangonana. Amin’ny maha-patriarka azy dia nanome tsodrano miavaka ho an’ny mpikamban’ny Fiangonana i Hyrum.

Sary
I Brigham Young mandahateny

Nanome fanambarana iray an’i Joseph Smith mikasika an’i Brigham Young ihany koa i Jesoa. Nilaza i Jesoa fa fantany fa niasa mafy ho an’ny Fiangonana i Brigham. Nandao ny tranony sy ny ankohonany imbetsaka izy mba hanaovana asa fitoriana.

Sary
I Brigham mikarakara ny ankohonany

Nilaza tamin’i Brigham Young i Jesoa fa tokony hijanona miaraka amin’ny ankohonany izy ary hikarakara manokana azy ireo.

Hamoaka printy