Scripture Stories
Toko 34: Nampitandrina ny vahoakan’i Ziona Andriamanitra: jolay–aogositra 1833


Toko 34

Nampitandrina ny vahoakan’i Ziona Andriamanitra

Jolay–aogositra 1833

Sary
Trano fonenana mandritra ny ririnina
Sary
Olomasina manangana trano fivarotana tany Missouri

Nandidy Olomasina maro kokoa Andriamanitra handeha ho any amin’ny Fivondronan’i Jackson Missouri. Nisy olona vaovao tonga tao saika ho isan-kerinandro, ary nanangana trano, sy fivarotana ary fanontam-boky izy ireo.

Sary
Lehilahy tezitra

Nisy fotoana nananan’ny Olomasina tany Missouri fandriampahalemana sy fahasambarana. Tsy ela anefa dia nipoitra ireo olana. Tsy nankatò sy ratsy fanahy ny Olomasina sasany. Nifanditra tamin’ireo mpitarika ny sasany tamin’izy ireo. Nanomboka niahiahy momba ny fifindran’ny Olomasina maro tao amin’ilay faritra ny olona hafa izay nipetraka tao. Naniry ny handehanan’ireo Olomasina ireo olona ireo.

Sary
Andian’olona mpihetraketraka miady amin’ny Olomasina

Nivory ny andian’olona mpihetraketraka feno fahatezerana. Nandefa lehilahy vitsivitsy izy ireo hilaza amin’ireo mpitarika ny Fiangonana fa tsy maintsy mandao ny Fivondronan’i Jackson ny Olomasina. Fantatr’ireo mpitarika anefa fa tian’ Andriamanitra hanorina ny tanànan’i Ziona ao amin’ny Fivondronan’i Jackson izy ireo. Nolazain’izy ireo tamin’ireo lehilahy fa tsy afaka ny hiala ny Olomasina.

Sary
Andian’olona mpihetraketraka manimba ny trano printy

Nanjary tezitra mafy ireo lehilahy tao amin’ilay andian’olona mpihetraketraka. Novakian’izy ireo ny trano printin’ny Olomasina ka nosimbainy izany.

Sary
Andian’olona mpihetraketraka manomana tara sy volom-borona

Avy eo dia nosamborin’ireo andian’olona mpihetraketraka ny Eveka Partridge sy i Charles Allen ka nasian’izy ireo tara sy volom-borona ny hoditr’izy ireo. Nokapohin’ilay andian’olona mpihetraketraka ihany koa ny Olomasina sasany.

Sary
Andian’olona mpihetraketraka miaraka amin’ny basy

Telo andro taty aoriana dia nitaingin-tsoavaly nanerana ny tanàna ireo andian’olona mpihetraketraka ka nitifitra ilay trano tamin’ny basin’izy ireo. Nihiaka zavatra feno haratsiam-panahy tamin’ny Olomasina izy ireo sady nilaza fa hokaravasiany izay rehetra tratrany. Nandoro voly sy nandrava trano, fitoeram-biby, ary fivarotana izy ireo.

Sary
I Oliver Cowdery nankany Kirtland

Anisan’ireo mpitarika ny Fiangonana tao Missouri i Oliver Cowdery. Nirahina nankany Kirtland mba hihaona amin’i Joseph Smith izy.

Sary
I Joseph miarahaba an’i Oliver

Rehefa tonga tao Kirtland i Oliver dia nolazainy tamin’i Joseph ny zavatra nitranga tao amin’ny Fivondronan’i Jackson. Naniry ny hahafantatra izay tokony hataon’izy ireo ny Olomasina.

Sary
Olomasina mitondra sakafo ao amin’ny trano fitehirizana

Nolazain’i Joseph tamin’i Oliver ny sasany tamin’ireo fanambarana izay noraisiny. Nambaran’ny Tompo fa tokony hanorina tempoly iray ao Ziona ny Olomasina. Amin’ny alalan’ny fahafolonkaren’ny olona no hananganana ilay tempoly. Nolazain’i Jesoa tamin’i Joseph fa ho lasa lehibe i Ziona raha toa ka mankatò ny Olomasina. Ho voasazy anefa ny Olomasina raha toa ka tsy mibebaka izy ireo.

Sary
Vondron’olona mifidy

Nilaza i Jesoa fa tokony hankatò ireo lalàn’ny tany ny Olomasina. Tokony hifidy ireo olo-marina mba ho mpitarika azy ireo eo amin’ny tany izy ireo. Malahelo ny vahoaka rehefa lasa mpitarika ireo olon-dratsy.

Sary
Fianakaviana miandry ny fandaozan’ireo andian’olona mpihetraketraka

Nandidy ny Olomasina mba hankatò ny teniny rehetra ny Tompo. Nolazainy fa tsy tokony hatahotra ireo fahavalony izy ireo. Tokony hamela heloka ny fahavalony kosa ireo Olomasina. Tsy tokony hiady amin’ny fahavalony izy ireo raha tsy Andriamanitra no mandidy azy ireo hiady. Nolazain’ny Tompo fa hanasazy ny olon-dratsy izy.

Sary
Olomasina manangana trano

Herinandro vitsivitsy taty aoriana dia nilaza tamin’ny Olomasina tao Ziona i Jesoa fa hisy fotoana hijalian’ny Olomasina ao Ziona satria tsy nankatò ireo didy izy ireo. Nampanantena anefa i Jesoa fa hanampy ny Olomasina hanorina an’i Ziona Izy indray andro any.

Hamoaka printy