Scripture Stories
Fampidirana: Mialoha ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana


Teny Fanolorana

Mialoha ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana

Sary
Zatovolahikely Joseph Smith mandohalika
Sary
Ny Ray any An-danitra mampianatra

Niara-nipetraka tamin’ny Ray any An-danitra isika talohan’ny nahatongavantsika teto an-tany. Tsy nanana vatana nofo sy taolana tahaka antsika izao isika. Fanahy isika tamin’izany. Nanao drafitra ho antsika ny Raintsika any An-danitra mba hahazoantsika vatana sy hahatongavantsika tahaka Azy bebe kokoa. Antsoina hoe drafitry ny famonjena izany. Nitaky ny handaozantsika Azy mandritra ny fotoana voafetra izany sy hidinantsika eto an-tany. Raha manaraka ilay drafitra isika dia hiverina hiara-hiaina Aminy indray.

Sary
I Jesoa sy ireo fanahy hafa

Niaina niaraka tamintsika i Jesoa tany an-danitra. Naniry ny hanaraka ny drafitry ny Ray any An-danitra Izy. Nilaza i Jesoa fa ho tonga ety an-tany Izy hanao izay hahafahantsika miverina any an-danitra.

Sary
Ny Ray any An-danitra sy i Satana

Niaina niaraka tamintsika koa i Satana tany an-danitra. Tsy eliminate nanaraka ny drafitry ny Ray any An-danitra izy ka nasain’ny Ray any An-danitra nandeha. Tehanimba ny drafitry ny famonjena i Satana.

Sary
Mpaminany fahiny mampianatra

Nanao ny tany i Jesoa mba honenan’ireo zanaky ny Ray any An-danitra. Nandefa mpaminany i Jesoa hampianatra ny olona hanao ny tsara.

Sary
Olona mandrabiraby ny mpaminany

Nankatò ny mpaminany ny olona sasany. Ny olona sasany nankatò an’i Satana ka lasa ratsy fanahy.

Sary
Mpaminanin’ny Testamenta Taloha nahita fahitana momba an’i Jesoa

Mitantara momba ireo olona niaina talohan’ny nahaterahan’i Jesoa Kristy ny Testamenta Taloha. Nampianatra ireo mpaminany ireo fa ho tonga ety an-tany i Jesoa mba hahatonga azy ireo ho voadio amin’ny fahotana sy handresy ny fahafatesana.

Sary
Mpaminany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna nahita fahitana momba an’i Jesoa

Miresaka momba ny vahoaka izay niaina taloha elabe ny Bokin’i Môrmôna. Avy tany Jerosalema nankany Amerika ireo vahoaka ireo. Nisy mpaminany ihany koa nampianatra ireo vahoaka ireo momba an’i Jesoa. Namangy azy ireo Izy rehefa avy nitsangana tamin’ny maty.

Sary
I Jesoa mampianatra vehivavy roa

Miresaka momba ny fiainan’i Jesoa teto an-tany ny Testamenta Vaovao. Miresaka momba ny fahaterahany, sy ireo fampianarany, ary ny fahafatesany sy ny fitsanganana tamin’ny maty izany. Nampianatra ny filazantsarany tamin’ny vahoakany i Jesoa. Nampianatra azy ireo hankatò ny didin’ny Ray any An-danitra Izy.

Sary
I Jesoa manendry Apôstôly

Nifidy lehilahy roa ambin’ny folo i Jesoa mba ho Apôstôly ary nanome azy ireo ny fisoronana. Nanangana ny Fiangonany Izy. Tia an’i Jesoa ny olona maro. Olo-marina izy ireo ary nankatò ny fampianarany.

Sary
I Jesoa nofantsihana teo amin’ny hazo fijaliana

Tsy tian’i Satana hanaraka an’i Jesoa ny olona. Naka fanahy ny olona mba hankahala an’i Jesoa izy, ka namantsika Azy teo amin’ny hazo fijaliana iray ka namono Azy ny sasany tamin’izy ireo.

Sary
I Jesoa sy ireo Apôstôly

Telo andro taorian’ny nahafatesan’i Jesoa, dia nitsangana tamin’ny maty Izy. Velona indray Izy! Niresaka tamin’ireo apôstôliny Izy ary nilaza tamin’izy ireo mba hampianatra ny filazantsara amin’ny olona rehetra. Nitsidika ireo olo-marina tany Amerika ihany koa i Jesoa. Dia niakatra tany an-danitra mba hiaraka amin’ny Rainy Izy avy eo.

Sary
Apôstôly mampianatra

Ny Apôstôly no nitarika ny Fiangonan’i Jesoa Kristy. Nandeha tany amin’ny tany maro izy ireo ka nampianatra ny olona momba an’i Jesoa. Olona maro no nino Azy sy natao batisa. Nomen’ny Apôstôly ny fisoronana ireo lehilahy marina. Betsaka ireo mpikamban’ny Fiangonana tamin’izany.

Sary
Olon-dratsy mitora-bato ny mpaminany

Naniry ny handrava ny Fiangonana i Satana. Naka fanahy ny olona izy mba hijanona tsy hino an’i Jesoa. Novonoina ireo apôstôly sy ireo mpikamban’ny Fiangonana maro hafa. Vetivety dia tsy nisy mpitarika hitarika ny Fiangonana intsony. Nesorin’ny Ray any An-danitra teto an-tany ny fisoronana.

Sary
Pretra manao batisa zaza

Tsy nisy intsony ilay Fiangonana natombok’i Jesoa. Nanomboka nanorina fiangonana manokana ny olona. Novain’izy ireo ny ankamaroan’ireo fampianaran’i Jesoa. Novainy ihany koa ny sasany tamin’ireo didy.

Sary
Mpitarika telo avy amin’ny fivavahana samy hafa

An-jaton-taonany maro no lasa. Maro ireo fiangonana teto ambonin’ny tany, saingy tsy nisy tamin’ireo no Fiangonan’i Jesoa Kristy marina. Nino an’i Jesoa ireo mpikambana tamin’ireo fiangonana ireo, saingy tsy nanana ny filazantsara marina ireo fiangonana. Tsy nanana ny fahefan’ny fisoronana izy ireo. Tsy manana mpaminany sy apôstôly izy ireo.

Sary
Zazalahy iray atao batisa

Nilaza i Jesoa fa hiverina eto an-tany indray Izy. Nilaina naverina tamin’ny laoniny anefa aloha ny Fiangonany. Nilaina naverina tamin’ny laoniny ihany koa ny fisoronana. Naverina tamin’ny laoniny tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith ireo fitahiana ireo.

Sary
Ny Mpaminany Joseph manoratra

Niantso mpaminany sy apôstôly indray ny Ray any An-danitra mba hitarika ny Fiangonana amin’izao androntsika izao. Manome fanambarana amin’ny mpaminany sy apôstôly i Jesoa hilazana amintsika ny zavatra tiany ho fantatsika sy hataontsika.

Sary
Reny mamaky teny amin’ny fianakaviany

Avy amin’i Jesoa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Nomena ny Mpaminany Joseph Smith ny ankamaroan’ireny. Ao amin’ireo fanambarana ireo dia manome torolalana ho an’ny Fiangonany sy mampianatra ireo fotopampianaran’ny filazantsarany i Jesoa.

Sary
Fonon’ity boky ity

Ny boky izay vakianao dia milaza momba ny sasany amin’ireo fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Milaza ny sasany amin’ireo tantara momba ny famerenana amin’ny laoniny sy ny tantaran’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy amin’izao andro farany izao tany am-piandohany izany.

Hamoaka printy