Scripture Stories
Toko 22: Manomboka miorim-ponenana ao Missouri ny Olomasina: jolay–aogositra 1831


Toko 22

Manomboka miorim-ponenana ao Missouri ny Olomasina

Jolay–aogositra 1831

Sary
sarety
Sary
Mpitarika ny fiangonana mankany Missouri

Nandeha tany Missouri ny Mpaminany Joseph Smith, i Sidney Rigdon, sy i Edward Partridge ary ireo hafa. Faly be izy ireo ny handeha ho any satria te hahafantatra bebe kokoa momba ny fanorenana ny tanànan’i Ziona.

Sary
Sambon-drenirano

Nandeha sambo iray izy ireo. Rehefa tonga tao Missouri izy ireo dia naniry ny handeha an-tongotra i Joseph. Fantany fa masina ny tanin’i Missouri, ka naniry ny hahita izany izy.

Sary
I Joseph sy ireo namany

Nandeha teo amin’ny 480 kilaometra teo nanerana an’i Missouri nankany amin’ny Fivondronan’i Jackson i Joseph sy ireo namany.

Sary
I Joseph sy i Emma

Andro vitsivitsy taty aorian’ny nahatongavan’i Joseph sy ireo namany tao amin’ny Fivondronan’i Jackson dia tonga tao ireo Olomasina avy tany New York.

Sary
Misiônera miarahaba an’i Joseph

Tonga tao amin’ny Fivondronan’i Jackson ihany koa ireo misiônera avy tany Kirtland.

Sary
Mpikambana mihaino mandritra ny fihaonambe

Nolazain’i Joseph Smith sy ny Eveka Edward Partridge tamin’ny olona izay tokony hatao. Ny sasany nasaina nividy tany tao Missouri. Nasaina nanokatra sekoly i Oliver Cowdery sy i William W. Phelps. Nasaina nisafidy sy nanoratra boky hovakin’ny ankizy any an-tsekoly izy ireo.

Sary
I Joseph mandray fanambarana

Naniry ny hahafantatra ny toerana hanorenana ny tanànan’i Ziona i Joseph. Nivavaka tamin’ny Ray any An-danitra izy ka novaliana ny vavaka nataony.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 57, sasin-tenin’ny fizarana.

Sary
Independence, Missouri

Nambaran’ny Tompo fa ao amin’ny Fivondronan’i Jackson Missouri no hisy ny tanànan’i Ziona. Nambarany ihany koa fa haorina ao Independence, tanàna iray ao amin’ny Fivondronan’i Jackson ny tempoly iray (jereo ny sarintany ao amin’ny pejy 89). Nampanantena ihany koa ny Tompo fa ireo izay mitandrina ny didiny sy maharitra hatramin’ny farany dia hosatrohina voninahitra.

Sary
Ray sy zanakalahy mivavaka

Nolazain’ny Tompo tamin’ireo Olomasina tao Missouri fa tokony hankatò ny lalànan’ny tany izy ireo. Tokony hanao zavatra maro amin’ny nahim-po izy ireo. Nampanantena ihany koa ny Tompo fa rehefa mibebaka izy ireo dia tsy hahatsiaro ny fahotan’izy ireo intsony Izy.

Sary
I Sidney Rigdon

Nolazain’ny Tompo fa tokony hitokana ilay tany i Sidney Rigdon. Nanontany ny Olomasina i Sidney Rigdon raha toa ka noraisin’izy ireo tamin’ny fo feno fisaorana ilay tany ary raha toa ka nampanantena ny hitandrina ireo didy izy ireo. “Eny,” hoy izy ireo namaly. Dia nivavaka i Sidney Rigdon ka nitokana ny tany.

Sary
I Joseph sy i Sidney ary i Oliver

Ny ampitson’io dia nanao fivoriana iray tao amin’ny toerana miavaka tao Independence i Joseph Smith, sy i Oliver Cowdery, ary i Sidney Rigdon. Namaky soratra masina sy nivavaka izy ireo. Dia nitokana ilay toerana hananganana tempoly i Joseph Smith.

Sary
I Joseph mandahateny mandritra ny fihaonambe

Nanatrika fihaonambe iray ny Olomasina tao Missouri ny ampitson’io. Heniky ny Fanahy Masina izy ireo, ary nifaly. Nolazain’i Joseph tamin’izy ireo fa hitahy azy ireo Andriamanitra raha toa ka mahatoky izy ireo.

Sary
Mpianakavy mivavaka

Andro vitsivitsy taty aoriana dia nomen’i Jesoa fanambarana iray momba ny andro Sabata, na alahady, i Joseph. Nolazain’i Jesoa fa androny masina ny alahady. Tokony hanao ireo zavatra izay mampahatsiahy antsika Azy isika rehefa alahady. Tokony hitsahatra amin’ny asa isika. Tokony handeha any am-piangonana sy handray ny fanasan’ny Tompo isika. Tokony hibebaka amin’ny fahotantsika isika. Tokony hifady hanina sy hivavaka isika. Tokony hankasitraka noho ireo fitahiana rehetra azontsika isika.

Sary
Fianakaviana mandray fitahiana

Ireo Olomasina izay manao ireo dia hahazo ireo zavatra tsara ilain’izy ireo. Ho faly izy ireo, hanana fiadanana, ary handray ny fiainana mandrakizay.

Hamoaka printy