Toko 23 Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana Aogositra-nôvambra 1831 Nandao an’i Missouri i Joseph Smith sy ireo Olomasina sasany ka niverina tany Kirtland Ohio. Tsy ela dia nisy fihaonambe miavaka iray natao. Ny tanjona dia ny hiresahana momba ny fanontana ireo fanambarana nomen’ny Tompo an’i Joseph Smith. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 67, sasin-tenin’ny fizarana. Notanana an-tsoratra ireo fanambarana noraisin’i Joseph, kanefa tsy nanana ny tahadikan’izany ny ankamaroan’ny mpikamban’ny Fiangonana. Nandritra ilay fihaonambe dia nanapa-kevitra ny Olomasina fa hamoaka ireo fanambarana ireo ao anaty boky iray. Hantsoina hoe Bokin’ny Didy ilay boky. Nantsoina hoe Fotopampianarana sy Fanekempihavanana izany taty aoriana. Nanome fanambarana roa fanampiny an’i Joseph Smith i Jesoa mba hatao ao amin’ilay boky. Ny iray ho an’ny fanombohana, ary ny iray hafa ho an’ny famaranana. Ireo fanambarana ireo dia manampy antsika hahatakatra ny maha-manan-danja ilay boky sy ny famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 67:4 Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 67 sy 133, sasin-tenin’ny fizarana Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia milaza amin’ny rehetra fa eto an-tany indray ny Fiangonana marin’i Jesoa Kristy. Milaza momba ny fisoronana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Milaza amin’ny lehilahy ny fomba fampiasana io hery io ihany koa izany. Miresaka momba ny Bokin’i Môrmôna ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Amin’ny alalan’ny famakiana ny Bokin’i Môrmôna, ny olona rehetra dia afaka mahafantatra momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia mampianatra ny Olomasina mba hizara. Ireo izay mizara dia ho heniky ny Fanahy Masina. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 70:14 Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia mampianatra ireo didin’ Andriamanitra. Afaka miaina miaraka amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ireo Olomasina izay mankatò ireo didy. Nilaza i Jesoa fa tokony hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ny mpikambana rehetra ao amin’ny Fiangonana. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:37 Taorian’ilay fihaonambe dia nitondra tahadikan’ireo fanambarana nankany Missouri i Oliver Cowdery. Nomeny an’i William Phelps, mpikamban’ny Fiangonana nanana trano fanontam-boky iray, izany. Nangataka an-dRahalahy Phelps i Oliver mba hanonta boky 3.000. Mialoha ny nahavitan’ny fanontana anefa dia nampijanona ny fanontana ny olona ratsy fanahy ka nanimba ny ankamaroan’ireo pejy. Navoaka ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana nony farany tamin’ny 1835. Nisaotra ny Ray any An-danitra ny Olomasina noho ireo fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana.