Scripture Stories
Toko 39: Notokanana ny Tempolin’i Kirtland: janoary–martsa 1836


Toko 39

Notokanana ny Tempolin’i Kirtland

Janoary–martsa 1836

Sary
Mpivady ao anaty sarety
Sary
Olomasina manangana ny Tempolin’i Kirtland

Ny Tompo dia nandidy ny Olomasina hanangana tempoly tao Kirtland. Nahantra ny Olomasina kanefa nahafoy zavatra sy niasa mafy izy ireo hananganana ny tempoly. Nanana finoana izy ireo fa hanampy azy ireo ny Tompo hanao izay nasainy nataon’izy ireo.

Sary
Ny rain’i Joseph manome tsodrano ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana

Rehefa akaiky ho vita ny tempoly dia nanao fivoriana iray ny sasany tamin’ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana. Nanome tsodrano ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana ny rain’i Joseph Smith nandritra ilay fivoriana. Ny rain’i Joseph no patriarkan’ny Fiangonana.

Sary
I Joseph mahita fahitana

Avy eo dia nahita ny fahitana iray izay nahitany ny fanjakana selestialin’ny lanitra i Joseph Smith. Ao amin’ny fanjakana selestialy no mipetraka Andriamanitra. Hitan’i Joseph ny hakanton’ny fanjakana selestialy. Nahita ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy izy. Hitany ihany koa i Alvin rahalahiny, izay efa nodimandry.

Sary
Jiosy miverina any Jerosalema

Gaga i Joseph raha nahita an’i Alvin rahalahiny tao amin’ny fanjakana selestialy satria tsy mbola natao batisa i Alvin talohan’ny nahafatesany. Nanazava i Jesoa fa maro ireo olona tsy nahafantatra momba ny filazantsara fony teto an-tany.

Sary
Olona mipetraka any amin’ny toerana lavitra

Ny sasany amin’ireny olona ireny, toa an’i Alvin, dia niaina tamin’ny fotoana tsy naha-teto an-tany ny filazantsara marin’i Jesoa Kristy. Ny sasany amin’izy ireny dia nipetraka tany amin’ny toerana tsy nahafahan’ny misiônera nampianatra azy ireo.

Sary
Olona avy amin’ny kolontsaina isan-karazany

Ny sasany amin’ireny olona ireny dia ho nino ny filazantsara sy ho natao batisa raha toa ka nahafantatra momba izany fony izy ireo niaina teto an-tany. Hankany amin’ny fanjakana selestialy ireny olona ireny.

Sary
Ray aman-dreny miondrika eo amin’ny zanakalahy miala aina

Nianaran’i Joseph tao amin’io fahitana io ihany koa ny momba ireo ankizy maty mialoha ny faha-valo taonan’izy ireo. Nilaza i Jesoa fa hankao amin’ny fanjakana selestialy ireny ankizy ireny.

Sary
Tempolin’i Kirtland

Vita ihany nony farany ny Tempolin’i Kirtland ka vonona ny hotokanana. Midika izany fa homena ny Tompo ny tempoly ary hampiasaina amin’ny asany irery ihany. Nanao fivoriana miavaka mba hanokanana ny tempoly ny Olomasina.

Sary
Olomasina mihira

Maro ireo Olomasina tonga tamin’ilay fivoriana. Tena faly izy ireo nanana tempoly. Nihira sy nivavaka tamin’ny Ray any An-danitra izy ireo. Nampanantena ny hanaraka ny Mpaminany Joseph Smith sy ireo mpitarika hafa tao amin’ny Fiangonana izy ireo.

Sary
Anjely miseho nandritra ny fanokanana

Nanolotra vavaka miavaka i Joseph Smith mba hanokanana ny tempoly. Lasa trano masina ny tempoly taorian’ilay vavaka. Tranon’ny Tompo izany. Nisy anjely tao amin’ny tempolin’i Kirtland tamin’io andro io. Niaraka tamin’ny Olomasina ny Fanahy Masina. Andro tena nahafinaritra izany!

Hamoaka printy