Scripture Stories
Toko 32: Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy tao Kirtland: 1833–1834


Toko 32

Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy tao Kirtland

1833–1834

Sary
Trano fonenana mandritra ny ririnina
Sary
I Joseph Smith sy ireo mpanolotsaina azy

Nilaza ny Tompo fa tokony hisy lehilahy hanampy an’i Joseph Smith hitarika ny Fiangonana. Ho mpanolotsaina an’i Joseph ireo lehilahy ireo. Nambaran’ny Tompo fa i Sidney Rigdon sy i Frederick G. Williams no tokony ho mpanolotsaina azy.

Sary
I Joseph manendry ireo mpanolotsaina azy

Tamin’ny martsa 1833 dia nanendry ireo mpanolotsaina azy i Joseph Smith nandritra ny fivoriana masina iray tao Kirtland, Ohio. I Joseph sy ireo mpanolotsaina azy no Fiadidiana Voalohany tato amin’ny Fiangonana.

Sary
Mpaminany maoderina

Ankehitriny dia ny mpaminany velona no mpitarika ny Fiangonana. Izy sy ireo mpanolotsaina azy no Fiadidiana Voalohan’ny Fiangonana.

Sary
Olomasina manangana ny Tempolin’i Kirtland

Nilaza tamin’i Joseph i Jesoa fa tokony hanangana trano fiangonana betsaka kokoa ny Olomasina. Ny Tempoly ao Kirtland no ho trano manan-danja indrindra. Nila nanangana trano printy sy toerana hiasan’ny Fiadidiana Voalohany ihany koa ny Olomasina.

Sary
Olomasina mandalotra ny Tempolin’i Kirtland

Nankatò ny Tompo ny Olomasina ka nanomboka nanangana ny Tempolin’i Kirtland. Asa mafy izany, ary nila nanampy ny Olomasina rehetra.

Sary
Patriarkan’ny Fiangonana manome tsodrano

Rehefa nihabetsaka ny olona niditra ho mpikamban’ny Fiangonana dia nilaza tamin’i Joseph Smith i Jesoa mba hisafidy mpitarika maro kokoa. Nilaza Izy fa ny rain’i Joseph no ho patriarkan’ny Fiangonana. Manome tsodrano miavaka ho an’ny Olomasina ny patriarka iray. Ankehitriny dia misy patriarka any amin’ny ankamaroan’ireo tsatòka ao amin’ny Fiangonana.

Sary
I Joseph mivory miaraka amin’ny filankevitra avo

Nilaza tamin’i Joseph ihany koa i Jesoa mba hisafidy lehilahy roa ambinin’ny folo hanompo ao amin’ny filankevitra avo. Ireo mpikambana ao amin’ny filankevitra avo dia mihazona ny anjara fanompoan’ny mpisorona avo ao amin’ny Fisoronana Melkizedeka. Anisan’ny asa anirahana azy ireo ny hanampy hamaha ireo olana izay mety hitranga ao amin’ny Fiangonana.

Sary
Olomasina mivory

Tamin’ny febroary 1834 dia nanangana ny tsatòka voalohany tato amin’ny Fiangonana i Joseph Smith. Ny tsatòka iray dia mpikambana maromaro ato amin’ny Fiangonana izay mipetraka ao amin’ny faritra iray. Tao anatin’ilay tsatòka voalohany avokoa ireo Olomasina rehetra tao Kirtland.

Sary
Trano fiangonana maoderina

Manana tsatòka an’arivony ny Fiangonana ankehitriny.

Hamoaka printy