Scripture Stories
Toko 45: Andian’olona mpihetraketraka maro kokoa tao Missouri: 1838–1839


Toko 45

Andian’olona mpihetraketraka maro kokoa tao Missouri

1838–1839

Sary
Mpivady ao anaty sarety
Sary
I Joseph miaraka amina rafi-trano

Olomasina maro no nipetraka tao Far West, Missouri, anisan’izany i Joseph Smith. Nanorina trano sy sekoly ny vahoaka ary sambatra izy ireo.

Sary
Andian’olona mpihetraketraka mivory

Tsy nandry fahalemana ela anefa ny Olomasina. Nanomboka nanakorontana azy ireo indray ny olona hafa tao Missouri.

Sary
Andian’olona mpihetraketraka mikasa handratra ny Olomasina

Nivory mba hanao drafitra ny amin’ireo fomba handratrana ny Olomasina ny andian’olona mpihetraketraka iray.

Sary
Andian’olona mpihetraketraka misambotra ny Olomasina

Nanao zavatra ratsy maro ilay andian’olona mpihetraketraka. Nandroaka ny Olomasina hiala ny tranony izy ireo.

Sary
Andian’olona mpihetraketraka mandrava trano

Nodoran’izy ireo ny tranony ary noravany ny toeram-piompiana sy famboleny.

Sary
Andian’olona mpihetraketraka mamono lehilahy

Novelesin’izy ireo ireo lehilahy ka nampidiriny am-ponja ny sasany tamin’izy ireo.

Sary
Lehilahy mamono vehivavy

Nikasi-tanana ny sasany tamin’ireo vehivavy ireo andian’olona mpihetraketraka.

Sary
Ny Olomasina mangataka fanampiana tamin’ny Governora Boggs

Nangataka fanampiana tamin’ny Governora Boggs, governoran’i Missouri, ny Olomasina. Saingy nilaza lainga momba ireo Olomasina ny olona sasany, ka tsy nety nanampy izy.

Sary
Governora Boggs miresaka amin’ireo olony

Niharatsy hatrany ny olana teo amin’ireo Olomasina sy ireo andian’olona mpihetraketraka. Koa satria noheverin’ny Governora Boggs fa ny Olomasina no nahatonga ireo olana ireo dia nasainy novonoina ny Olomasina raha toa ka tsy nandao an’i Missouri izy ireo.

Sary
Andian’olona mpihetraketraka manafika ny Olomasina

Nipetraka tao amin’ny tanàna iray nantsoina hoe Haun’s Mill (Fitotoam-barin’i Haun) ny Olomasina sasany. Indray andro dia tonga ireo andian’olona mpihetraketraka ka nanafika azy ireo.

Sary
Andian’olona mpihetraketraka mitifitra trano hazo

Nitsoaka tany anaty ala ny sasany tamin’ireo Olomasina. Ny hafa kosa nitsoaka tany anaty trano hazo nitady fiarovana. Nitifitra teo amin’ireo lavaka teo amin’ny rindrina ireo andian’olona mpihetraketraka. Dia niditra tao anaty trano ireo andian’olona mpihetraketraka avy teo ka nitifitra bebe kokoa.

Sary
Olomasina miala ny bala

Nahafaty olona 17 tao amin’ny Fitotoam-barin’i Haun ireo andian’olona mpihetraketraka ary nandratra olona 13 hafa. Voatifitra ka maty ny ankizy sasany.

Sary
Andian’olona mpihetraketraka mandroba ny Olomasina

Dia nandroba ny trano sy ny saretin’ny Olomasina ireo andian’olona mpihetraketraka avy teo.

Sary
Miaramila maniry ny hamono an’i Joseph

Taty aoriana dia nosamborin’ireo miaramila i Joseph Smith sy ireo mpitarika hafa tao amin’ny Fiangonana. Nasaina nitifitra an’i Joseph sy ireo namany ireo miaramila.

Sary
Miaramila mandà ny hamono an’i Joseph

Tsy nety nankatò anefa ny mpitarika iray an’ireo miaramila. Nolazainy fa ho famonoan’olona ny mitifitra an’i Joseph sy ireo hafa.

Sary
I Joseph sy ireo namany mifatotra rojo vy

Raikitra ny fotoana hitsarana an’i Joseph sy ireo namany. Naiditra am-ponja tao amin’ny tanànan’i Richmond Missouri izy ireo taloha sy taorian’ilay fitsarana. Nasian’ireo mpiambina rojo vy izy ireo. Tsy maintsy natory teo amin’ny tany mangatsiaka i Joseph sy ireo namany.

Sary
Mpiambina mihomehy

Tena ratsy fanahy tamin’ireo gadra ireo mpiambina. Niteny ratsy sy nitantara tantara ratsy izy ireo. Notantarain’izy ireo ny fomba nandrobany sy namonoany ny Olomasina. Nolazain’izy ireo fa noratrany ireo zaza amam-behivavy. Nihomehy sy nidokadoka nandritra ny ora maro izy ireo indray alina.

Sary
I Joseph mibedy ireo mpiambina ratsy fanahy

Halan’i Joseph ny zavatra nolazain’izy ireo. Tsy te handre izany intsony izy, koa nitsangana izy dia nandidy azy ireo hijanona. “Mangina!” hoy izy. “Mandidy anareo amin’ny anaran’ i Jesoa Kristy aho mba hangina. Tsy afaka ny hiaina minitra iray fanampiny intsony aho ka hihaino fiteny toy izany. Atsaharo ny firesahana toy izany raha tsy izany dia ho faty izao dia izao ianareo!” Natahotra ireo mpiambina ary niala tsiny tamin’i Joseph. Nipetraka teo amin’ny zoron-trano iray izy ireo ary nangina ny sisa tamin’ny alina.

Hamoaka printy