Scripture Stories
Toko 26: Ireo fanjakam-boninahitra telo: 16 febroary 1832


Toko 26

Ireo fanjakam-boninahitra telo

16 febroary 1832

Sary
sarety
Sary
I Joseph sy i Sidney

Namaky ny Testamenta Vaovao i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon indray andro. Nilaza ny Testamenta Vaovao fa ny olona tsara dia ho any an-danitra rehefa mitsangana amin’ny maty. Nanontany tena i Joseph raha toa ka mitovy ny toerana halehan’ny olona rehetra any an-danitra.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76, sasin-tenin’ny fizarana.

Sary
Ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy

Raha nieritreritra momba izany i Joseph sy i Sidney dia nanome fahitana mahafinaritra ho azy ireo ny Ray any An-danitra. Nahita ny lanitra izy ireo tao anatin’io fahitana io. Nahita ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy niaraka tamin’ny hazavana manodidina Azy Ireo izy ireo. Avy eo dia nahita anjely nitsaoka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy izy ireo.

Sary
I Joseph sy i Sidney

Rehefa nanoratra momba io fahitana io i Joseph sy i Sidney dia nijoro ho vavolombelona izy ireo fa velona i Jesoa. Nahita Azy izy ireo! Ary nandre feo iray izy ireo nilaza fa Izy no Zanak’ Andriamanitra. Izany feo izany dia nilaza tamin’izy ireo fa tonga teto an-tany i Jesoa mba hahafahan’ny olona rehetra miverina miaraka miaina amin’ny Ray any An-danitra indray.

Sary
Ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy

Tao amin’ny tapany manaraka tamin’ilay fahitana dia nahita ny toerana halehan’ny olona rehefa avy mitsangana amin’ny maty i Joseph sy i Sidney. Misy toerana, na fanjakana, telo halehan’ny olona any an-danitra. Mandeha any amin’ny fanjakana selestialin’ny lanitra ny olona marina rehefa avy mitsangana amin’ny maty. Any amin’ny fanjakana selestialy no misy ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Sary
Lehilahy iray manao batisa vehivavy iray

Nino an’i Jesoa Kristy nandritra ny fotoany teto an-tany ireo izay ao amin’ny fanjakana selestialy. Natao batisa sy nandray ny Fanahy Masina izy ireo.

Sary
Andian’olona mpihetraketraka mandrahona

Nandalo fitsapana maro ireo izay any amin’ny fanjakana selestialy nandritra ny naha-teto an-tany azy ireo, saingy nandresy azy ireny tamin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy izy ireo. Niezaka mafy izy ireo nankatò ireo didin’ Andriamanitra, ary nibebaka izy ireo rehefa tsy nankatò.

Sary
Olomasina mahatoky miaraka amin’i Jesoa sy ny Ray any An-danitra

Ho tonga tahaka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa ireo Olomasina mahatoky. Ho azy ireo ny zavatra rehetra. Hiaina hiaraka amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa mandrakizay izy ireo.

Sary
Olona any amin’ny fanjakana terestrialy

Avy eo dia nahita ny fanjakana terestrialin’ny lanitra i Joseph sy i Sidney.

Sary
Olona eo ambony sarety

Olona tsara teto an-tany ireo olona any amin’ny fanjakana terestrialy, saingy nofitahin’ny olona ratsy izy ireo. Nankatò ny sasany tamin’ireo didy izy ireo saingy tsy naherifo tamin’ny fijoroana ho vavolombelona nananan’izy ireo momba an’i Jesoa.

Sary
Olona mandà ireo misiônera

Ny fanjakana terestrialy dia ahitana koa ireo olona izay tsy nino ny filazantsara rehefa nandre izany izy ireo teto an-tany ary tsy nino izany rehefa maty izy ireo.

Sary
Mpivady manatona an’i Jesoa

Hahita an’i Jesoa ireo olona any amin’ny fanjakana terestrialy. Kanefa tsy hiaraka hiaina amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa izy ireo.

Sary
Olona any amin’ny fanjakana telestialy

Avy eo dia nahita ny fanjakana telestialin’ny lanitra i Joseph sy i Sidney. Tsy nahatoky teto ambonin’ny tany ireo olona mankany amin’ny fanjakana telestialy.

Sary
Andian’olona mpihetraketraka manodidina an’i Joseph

Tsy nino an’i Jesoa sy ny filazantsarany ireny olona ireny. Tsy nino ireo mpaminany sy tsy nankatò ireo didin’ Andriamanitra izy ireo.

Sary
Anjely mitsidika ny fanjakana telestialy

Tsy hahita an’i Jesoa na ny Ray any An-danitra ary tsy afaka hiaina hiaraka amin’Izy Ireo ny olona ao amin’ny fanjakana telestialy. Hitsidika ireo olona ireo anefa ny anjely, ary hampianatra azy ireo ny Fanahy Masina.

Sary
I Jesoa tonga eto an-tany

Ireo olona izay hankany amin’ny fanjakana selestialy sy terestrialy dia hitsangana amin’ny maty rehefa tonga eto an-tany indray i Jesoa. Tsy hitsangana amin’ny maty raha tsy afaka 1000 taona aorian’ny hahatongavan’i Jesoa indray ireo olona hankany amin’ny fanjakana telestialy.

Sary
Olona mijaly

Tao amin’io fahitana io dia hitan’i Joseph sy i Sidney ihany koa ny toerana halehan’ireo olona tena ratsy. Hiaraka amin’i Satana izy ireo. Tsy afaka hiaraka amin’ny Ray any An-danitra, na i Jesoa, na ny Fanahy Masina izy ireo.

Sary
Mpikambana mandà ny Fanahy Masina

Ireo olona hiaraka amin’i Satana ireo dia nianatra momba an’i Jesoa sy ny filazantsarany raha mbola teto an-tany. Nijoro ho vavolombelona tamin’izy ireo momba an’i Jesoa Kristy ny Fanahy Masina. Fantatr’izy ireo fa velona Izy ary maty ho antsika.

Sary
Lehilahy mively lehilahy iray hafa amin’ny vatan-kazo

Kanefa nanao zavatra ratsy be ireo olona ireo avy eo. Nandà ny fahamarinana izy ireo ary nihantsy ny herin’ Andriamanitra. Nandà ny Fanahy Masina izy ireo. Nilaza izy ireo fa tsy nino an’i Jesoa intsony. Hijaly mandrakizay ireny olona ireny.

Sary
I Joseph sy i Sidney misaotra an’ Andriamanitra

Nahita zavatra hafa i Joseph sy i Sidney tao anatin’ny fahitana hitan’izy ireo, kanefa nilaza tamin’izy ireo i Jesoa mba tsy hanoratra ny zavatra rehetra hitan’izy ireo. Amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina, ny Olomasina marina dia afaka mahita sy mahalala ireo zavatra ireo amin’ny tenan’izy ireo manokana. Nisaotra an’ Andriamanitra i Joseph sy i Sidney noho io fahitana mahafinaritra io.

Hamoaka printy