Scripture Stories
Toko 58: Mpitarika vaovao ho an’ny Fiangonana: jolay–aogositra 1844


Toko 58

Mpitarika vaovao ho an’ny Fiangonana

Jolay–aogositra 1844

Sary
Tempolin’i Nauvoo
Sary
Olomasina mifampiresaka

Taorian’ny namonoana ny Mpaminany Joseph Smith dia tsy nanana Filoha ny Fiangonana. Tsy azon’ny Olomasina antoka izay tokony ho mpitarika azy ireo.

Sary
Apôstôly manao asa fitoriana

Lasa nanao asa fitoriana ny ankamaroan’ireo Apôstôly.

Sary
I Sidney Rigdon mandao an’i Nauvoo

Mpanolotsaina an’i Joseph Smith i Sidney Rigdon. Kanefa tsy nankatò ny Tompo izy ka niala an’i Nauvoo.

Sary
I Sidney Rigdon miverina any Nauvoo

Rehefa ren’i Sidney Rigdon fa maty i Joseph Smith dia niverina tany Nauvoo izy. Naniry ny ho mpitarika ny Fiangonana izy.

Sary
Apôstôly miverina avy nanao asa fitoriana

Niverina tany Nauvoo ihany koa ireo Apôstôly izay lasa nanao asa fitoriana rehefa nahafantatra momba ny fahafatesan’i Joseph. I Brigham Young no mpitarika ny Apôstôly. Nilaza izy fa nomen’ny Tompo ny Apôstôly ny fahefana hitarihana ny Fiangonana mandra-pisafidianana ny Filoha vaovao.

Sary
I Sidney Rigdon miteny mafy

Nanao fivoriana ireo mpikamban’ny Fiangonana. Niresaka tamin’izy ireo voalohany i Sidney Rigdon ka nilaza fa izy no tokony ho mpitarika ny Fiangonana.

Sary
I Brigham Young miendrika an’i Joseph

Dia niteny i Brigham Young avy eo ka nilaza fa ny Apôstôly no tokony hitarika ny Fiangonana. Niaraka taminy ny Fanahy Masina. Toy ny feon’i Joseph Smith ny feon’i Brigham Young, ary niendrika an’i Joseph Smith izy tamin’ny olona sasany. Fantatry ny Olomasina fa nisafidy ny Apôstôly Andriamanitra mba hitarika ny Fiangonana ka nifidy ny hanaiky ny Apôstôly ho mpitarika azy ireo ny rehetra. Tezitra i Sidney Rigdon. Niverina tany an-tranony izy ka nanokatra ny fiangonanany manokana. Niala tsy ho mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany intsony izy.

Hamoaka printy