Scripture Stories
Toko 35: Nandao ny Fivondronan’i Jackson Missouri ny Olomasina: septambra-desambra 1833


Toko 35

Nandao ny Fivondronan’i Jackson Missouri ny Olomasina

Septambra-desambra 1833

Sary
Trano fonenana mandritra ny ririnina
Sary
Ny Olomasina miarahaba ny governoran’i Missouri

Satria nanakorontana izay tsy izy ireo andian’olona mpihetraketraka tao amin’ny Fivondronan’i Jackson, dia niezaka nitady fanampiana avy tamin’ny governoran’i Missouri ny Olomasina. Nandeha nihaona tamin’ny governora i William Phelps sy i Orson Hyde. Nolazain’izy ireo taminy ny momba ireo andian’olona mpihetraketraka sy ny fomba nandravana ny tranon’izy ireo.

Sary
Olomasina mandao ny governora

Tsy nety nanampy ny governora. Nasainy nangataka fanampiana tamin’ireo mpitsara izy ireo. Kanefa naman’ireo andian’olona mpihetraketraka ireo mpitsara ka tsy nety nanampy ihany koa izy ireo.

Sary
Andian’olona mpihetraketraka manafika tranombarotra

Nanafika ny Olomasina nandritra ny enina andro ireo andian’olona mpihetraketraka. Naongan’izy ireo ny tranony, noratrainy ny lehilahy, ary notafihany ny tranombarotra ka nariana tamin’ny tany ny zavatra rehetra.

Sary
Olomasina navoaka ny trano

Nasain’ireo andian’olona mpihetraketraka nandao ny tranony ny Olomasina. Ririnina tamin’izany, ary olona maro no maty satria tsy nanan-kialofana izy ireo tao anatin’ny toetr’andro nangatsiaka sy mando. Nandeha tany amin’ny faritra hafa tao Missouri ny Olomasina mba hitsoahana ireo andian’olona mpihetraketraka.

Sary
Olomasina mivondrona manodidina ny afo

Nalahelo ireo Olomasina. Noravana ny trano, ny toeram-piompiana sy fambolena, ary ny tranombarotr’izy ireo. Nangalarina ny biby fiompin’izy ireo. Tsy nety nanampy ny governora sy ireo mpitsara.

Sary
Olomasina mibanjina any aloha am-pinoana

Kanefa mbola nanana finoana an’ Andriamanitra ny Olomasina. Fantany fa marina ny Fiangonan’i Jesoa Kristy, ary fantany fa mpaminanin’ Andriamanitra i Joseph Smith.

Sary
I Joseph mivavaka

Nandritra ny fotoana nanenjehana ireo Olomasina tao Missouri dia tany Kirtland, Ohio i Joseph Smith. Nomen’i Jesoa fanambarana iray i Joseph izay manazava ny antony niainan’ny Olomasina tao Missouri fahasahiranana.

Sary
Olomasina mifanditra

Nolazain’i Jesoa fa tsy nankatò ny didy ny sasany tamin’ireo Olomasina. Tsy niray hina araka ny tokony hataon’ny vahoakan’i Ziona izy ireo. Nifanditra sy nifampiteny zavatra ratsy ny sasany tamin’izy ireo. Nialona ny sasany, ary tsy nety nizara ny sasany.

Sary
I Jesoa tonga eto an-tany

Na dia teo aza ireo olana ireo dia nilaza i Jesoa fa tia ny Olomasina ary tsy nanadino azy ireo Izy. Nilaza Izy fa tokony hahazo hery izy ireo satria ny madio am-po dia hiverina sy hanangana an’i Ziona indray andro any. Nasain’i Jesoa niomana amin’ny fotoana hiverenany eto an-tany indray ny Olomasina. Rehefa miverina Izy dia hifankatia sy hanana fiadanana ny olona. Ho voatahy ireo izay nenjehina noho ny fanarahana an’i Jesoa. Tsy hanana hery hakana fanahy ny olona i Satana. Tsy hisy ny fahafatesana araka ny fantatra ankehitriny. Ho faly ny rehetra.

Hamoaka printy