Scripture Stories
Ireo teny tsara ho fantatra


Ireo teny tsara ho fantatra

nanangana

Nanangana zaza kambana i Joseph sy i Emma Smith. Midika izany fa nataon’i Joseph sy i Emma ho isan’ny fianakavian’izy ireo ireo zaza kambana ireo.

toaka

Tsy tsara hosotrointsika ny toaka. Misy toaka ao anaty labiera sy divay.

razambe

Ny razambentsika dia ireo olona tao amin’ny fianakaviantsika izay niaina talohantsika.

anjely

Anisan’ireo mpanampy an’ Andriamanitra ny anjely. Niresaka tamin’i Joseph Smith ny anjely Môrônia

Sary
anjely
Apôstôly

Mpitarika iray ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ny Apôstôly. Nolazain’i Jesoa tamin’i Joseph Smith fa nila Apôstôly Roambinifolo Izy.

nisambotra

Nisambotra an’i Joseph Smith ny miaramila. Midika izany fa naka azy ka nampiditra azy am-ponja ireo miaramila.

nanafika

Nanafika ny Olomasina ny andian’olona mpihetraketraka. Midika izany fa nanamboka niady tamin’ny Olomasina ireo andian’olona mpihetraketraka.

dobo fanaovana batisa

Misy dobo fanaovana batisa ao amin’ireo trano fiangonana sy tempoly. Ao anaty dobo fanaovana batisa no anaovana batisa ny olona.

atao batisa

Atao batisa isika rehefa miditra ho mpikamban’ny Fiangonana. Asitrika ao anaty rano isika dia avoaka avy tao indray.

tsara tarehy

Rehefa tsara tarehy ny zavatra iray dia tiantsika ny mijery izany. Tsara tarehy ny zaridaina. Tsara tarehy ny tempoly.

mino

Ny mino dia midika hoe mieritreritra fa marina ny zavatra iray. Betsaka ireo olona mino ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

eveka

Ny eveka dia mpitarika ny paroasy iray.

niampanga

Niampanga an’i Joseph Smith ho fototry ny korontana ny olona. Midika izany fa nolazain’ny olona fa i Joseph Smith no nahatonga ilay korontana nitranga.

mindrana

Rehefa mindrana zavatra iray isika dia mangataka amin’ny olona iray raha afaka mampiasa izany. Raha mindrana soavaly iray amin’ny namany ny lehilahy dia mangataka amin’ilay namany izy raha toa ka afaka mampiasa izany. Averiny amin’ilay namana ilay soavaly rehefa avy nampiasainy.

nirehareha

Nirehareha momba ny zavatra nataon’izy ireo ireo mpiambina tao amin’ny fonja. Midika izany fa faly izy ireo momba izany ka nolazainy tamin’ny hafa izany.

tetezana

Niampita tetezana ireo mpamaky lay.

anjomara

Ny anjomara dia karazana tandroka.

Sary
anjomara
nalevina

Nalevin’i Môrônia ireo takela-bolamena. Nataony tao anaty boaty vato izany ka nototofany avy eo.

kapiteny

Mpitarika iray ny kapiteny. Ny kapiteny Allen no mpitarika ireo miaramila.

nisambotra

Nisambotra an’i Joseph Smith ireo miaramila. Midika izany fa naka an’i Joseph Smith ireo miaramila ka tsy namela azy handeha.

safidy

Avelan’ny Ray any An-danitra hanao safidy isika. Midika izany fa avelan’ny Ray any An-danitra hanapa-kevitra amin’izay hataontsika isika.

mifidy

Avelan’ Andriamanitra mifidy ny ho tsara na ho ratsy isika. Mifidy olona mba ho mpitarika isika. Nifidy an’i Brigham Young mba hitarika ny Olomasina Andriamanitra.

didy

Mankatò ny didin’ Andriamanitra ny olona tsara. Manao izay tian’ Andriamanitra ataon’izy ireo ny olona tsara.

fihaonambe

Ny fihaonambe dia fivoriana lehibe iray. Maro ireo mpikamban’ny Fiangonana mamonjy fihaonambe.

mpanolotsaina

Ireo mpanolotsaina dia ireo olona izay manampy ny mpitarika iray. Manana mpanolotsaina ny mpaminanin’ny Fiangonana.

fanekempihavanana

Ny fanekempihavanana dia fampanantenana iray. Rehefa manao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra isika dia mampanantena ny hanao zavatra.

nahary

Nahary ny tany i Jesoa Kristy. Midika izany fa nanamboatra ny tany i Jesoa Kristy.

masomboly

Namafy masomboly ireo mpamaky lay. Anisan’ny masomboly ny katsaka, ovy, varim-bazaha, sy ireo zavatra hafa.

nohomboana

Nohomboana i Jesoa. Midika izany fa nofantsihana teo amin’ny hazo fijaliana iray Izy ary navela teo mandrapahafaty Azy.

Sary
Nohomboana tamin’ ny hazofijaliana i Jesoa.
tohodrano

Nanorina tohodrano teo amin’ny renirano ny Olomasina. Mihazona ny rano tsy handeha ny tohodrano iray.

Sary
tohodrano
diakona

Afaka ny ho tonga diakona ny zazalahy rehefa feno 12 taona. Afaka mizara ny fanasan’ny Tompo ny diakona.

nanapa-kevitra

Nanontany tena i Emma sy i Joseph raha toa ka handeha any Pennsylvanie na hijanona tany New York izy ireo. Nanapa-kevitra ny handeha tany Pennsylvanie izy ireo.

manokana

Rehefa manokana zavatra iray isika dia mitsodrano izany mba hampiasaina amin’ny asan’ Andriamanitra. Nanokana ny tempoly ny Olomasina.

mandrava

Ny hoe mandrava dia midika hoe manimba, mandringana, mandoro, na mamono. Nandrava ny tempoly ireo andian’olona mpihetraketraka.

mpianatra

Ny mpianatra dia olona izay manaraka an’i Jesoa ka miezaka ny hitovy Aminy.

mandray valin-kasasarana

Ny mandray valin-kasasarana dia midika hoe mahazo zavatra vokatry ny fiasana hahazoana izany.

loholona

Ny loholona dia lehilahy manana ny fisoronana.

fanafiana masina

Ny fanafiana masina dia fampanantenana na fanomezana manokana avy amin’ Andriamanitra.

fahavalo

Ny fahavalo dia olona iray izay mankahala olona iray hafa. Niezaka ny hamono an’i Joseph Smith ireo fahavalony.

mandositra

Ny mandositra dia midika hoe misintaka ny olona iray na zavatra iray. Nandositra ireo andian’olona mpihetraketraka i Joseph Smith.

ratsy

Ny ratsy dia zavatra tsy tsara. Fanahy ratsy i Satana.

fanahy ratsy

Ireo fanahy ratsy dia fanahy tsy tsara. Manaraka an’i Satana ireo fanahy ratsy.

esorina tsy ho mpikambana

Esorina tsy ho mpikambana ireo mpikamban’ny Fiangonana izay manao zavatra ratsy. Tsy mpikamban’ny Fiangonana intsony izy ireo.

finoana

Ny hoe manana finoana dia manantena ny zavatra izay tsy hita nefa marina. Manana finoana an’i Jesoa Kristy isika. Midika izany fa mila mino sy mankatò Azy isika.

mifady hanina

Ny atao hoe mifady hanina dia tsy mihinana sakafo na misotro rano.

mandrakizay

Midika hoe tsy misy farany ny mandrakizay. Afaka miaina miaraka amin’ny Ray any an-danitra mandrakizay isika raha toa ka mankato ireo didiny.

mamela heloka

Ny mamela heloka dia midika hoe manadino ireo zavatra ratsy nataon’ny olona iray. Hamela heloka antsika Andriamanitra raha toa ka manenina ny amin’ireo zavatra ratsy nataontsika isika ka miezaka ny tsy hanao izany intsony.

miangona

Ny hoe miangona dia midika hoe mivondrona eo amin’ny toerana iray. Nasain’i Joseph Smith niangona tany Missouri ny Olomasina.

fanomezam-pahasoavana

Ny fanomezam-pahasoavana dia ireo zavatra omena ny olona. Manome fanomezam-pahasoavana ara-panahy ho an’ireo olo-marina ny Fanahy Masina.

filazantsara

Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy no drafitry ny famonjena. Anisan’izany ireo fotopampianarana, sy ôrdônansy, ary fahefana hiverenantsika miaina miaraka amin’ny Ray any An-danitra.

governora

Ny governora dia mpitarika faritany iray.

manasitrana

Ny hoe manasitrana dia midika ho manao izay hahasalama ny olona. Nitsodrano an’i Joseph Smith i Newel K. Whitney ka sitrana i Joseph.

marin-toetra

Tsy mandainga ireo olona marin-toetra. Ireo olona marin-toetra dia tsy maka zavatra izay tsy azy ireo.

fonja

Naiditra am-ponja ireo lehilahy. Midika izany fa nohidiana anaty efitra iray izy ireo ka tsy afaka nivoaka.

Sary
fonja
niditra

Niditra ho mpikamban’ny Fiangonana ny olona. Midika izany fa natao batisa sy lasa mpikamban’ny Fiangonana ny olona.

fiteny

Ny teny izay ampiasaintsika entina hanoratana na hiresahana amin’ny olona hafa no antsoina hoe fiteny.

mitarika

Ny mitarika olona dia midika hoe mampiseho na milaza amin’izy ireo izay tokony atao. Mitarika ny Fiangonana ny mpaminany.

nifanambady

Nifanambady i Joseph sy i Emma. Midika izany fa vadin’i Emma i Joseph, ary vadin’i Joseph i Emma.

asa fitoriana

Nandeha nanao asa fitoriana ny Apôstôly. Midika izany fa nandeha nilaza tamin’ny olona momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izy.

misiônera

Ny misiônera dia olona iray izay mandeha manao asa fitoriana.

mankatò

Ny mankatò dia midika hoe manao izy asaina ataontsika. Tokony hankatò ireo didin’ Andriamanitra isika.

ranomasimbe

Ny ranomasimbe dia rano masira be velarana.

notendrena

Ny hoe notendrena dia midika hoe omena ny fisoronana. Nanendry ilay lehilahy i Joseph Smith. Nanome ny fisoronana an’ilay lehilahy i Joseph Smith.

omby

Ny omby dia biby.

Sary
omby
patriarika

Ny patriarika dia manome tsodrano manokana ho an’ny olona. Patriarika ny rain’i Joseph Smith.

poizina

Ny poizina dia zavatra izay mety hahafaty ny olona raha toa ka hohaniny na sotroiny izany. Niezaka nampisotro poizina an’i Joseph Smith ireo andian’olona mpihetraketraka.

mivavaka

Ny mivavaka dia midika hoe miresaka amin’ny Ray any An-danitra.

nitory

Nitory tamin’ny vahoaka i Joseph Smith. Midika izany fa nampianatra ny olona momba ny filazantsara izy.

fiadidiana

Ny filoha sy ireo mpanolotsaina azy no fiadidian’ny Fiangonana.

filoha

Ny filoha dia mpitarika.

fisoronana

Ny fisoronana dia ny herin’ Andriamanitra.

mpisorona

Manana ny fisoronana ireo mpisorona. Ny mpisorona dia ireo lehilahy izay manampy ao amin’ny Fiangonana.

mpanonta boky

Ny mpanonta boky dia lehilahy iray izay manonta boky.

tranomaizina

Ny tranomaizina dia ny toerana iray hametrahana ny olona ka tsy ahafahany mivoaka. Mitovy amin’ny fonja ny tranomaizina

mpaminany

Ny mpaminany dia milaza amin’ny olona izay tian’ Andriamanitra ho fantatr’izy ireo. Mpaminany i Joseph Smith.

miaro

Nanana basy ireo lehilahy mba hiarovana ny vahoaka. Midika izany fa nanana basy ireo lehilahy mba hitandroana ny olona ho voaro. Niaro an’i Joseph Smith ny Tompo. Midika izany fa narovan’ny Tompo mba hieren-doza i Joseph Smith.

papelika

Ny papelika dia vorona.

Sary
papelika
mibebaka

Raha manao zavatra ratsy isika dia tokony hibebaka. Midika izany fa manenina isika ary miezaka tsy hanao ilay zavatra ratsy intsony.

nitsangana tamin’ny maty

Nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Kristy. Midika izany fa maty Izy, dia lasa velona indray avy eo. Hitsangana tamin’ny maty ny olona rehetra aorian’ny fahafatesana.

fanambarana

Antsoina hoe fanambarana ny fifandraisan’ Andriamanitra amin’ireo zanany eto an-tany. Nandray fanambarana momba ny tempoly i Joseph Smith.

marina

Ny olo-marina dia manao ny tsara. Midika izany fa mankatò ireo didin’ Andriamanitra izy ireo.

Sabata

Ny Sabata dia ny andro handehanantsika any am-piangonana. Tsy tokony hiasa isika amin’ny Sabata. Ny alahady no andro Sabata.

fanasan’ny Tompo

Mandray ny fanasan’ny Tompo isika mba hahatsiarovana an’i Jesoa.

Sary
lovian’ny Fanasan’ny Tompo
masina

Trano masina ny tempoly. An’ Andriamanitra ny tempoly.

Olomasina

Ny Olomasina dia mpikambana iray ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy.

manavotra

Maty i Jesoa mba hanavotana antsika. Midika izany fa maty i Jesoa mba hahafahantsika miverina miaina miaraka amin’ny Ray any An-danitra.

soratra masina

Ny soratra masina dia boky izay milaza amintsika momba an’ Andriamanitra. Ny Baiboly, ny Bokin’i Môrmôna, sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, ary ny Voahangy Lafo Vidy dia soratra masina ato amin’ny Fiangonana.

mizara

Ny mizara dia midika hoe manome ampahany amin’ny zavatra ananantsika ho an’ny olona iray.

miaramila

Miady any amin’ny tafika ny miaramila.

fanahy

Tsy manana vatana nofo sy taolana ny fanahy iray.

mangalatra

Ny mangalatra dia midika hoe maka zavatra izay tsy an’ny tena. Nangalatra ny bibin’ireo Olomasina ireo andian’olona mpihetraketraka. Midika izany fa naka ireo biby ireo andian’olona mpihetraketraka.

mijaly

Mijaly isika rehefa voaratra. Nijaly i Joseph Smith sy ireo namany tao am-ponja.

mianiana

Ny hoe mianiana dia milaza teny ratsy.

nianiana

Nianiana ireo mpiambina tao amin’ny fonja. Nilaza teny ratsy ireo mpiambina tao amin’ny fonja.

tara

Ny tara dia zavatra miraikitra sy mainty.

tempoly

Ny tempoly dia tranon’ Andriamanitra.

maka fanahy

Miezaka maka fanahy antsika i Satana. Midika izany fa miezaka ny hampanao zavatra ratsy antsika izy.

fahafolonkarena

Ny fahafolonkarena dia vola omentsika an’ Andriamanitra.

paraky

Ny paraky dia zavatra tsy tsara ho an’ny vatantsika. Mifoka sigara sy mihinana paraky ny olona sasany.

nandika

Nandika ny Bokin’i Môrmôna ho amin’ny fiteny Anglisy i Joseph Smith.

fahamarinana

Mampianatra ny fahamarinana amin’ny olona i Jesoa Kristy. Midika izany fa mampianatra ny olona ny marina Izy.

fijoroana ho vavolombelona

Ny fijoroana ho vavolombelona dia fahatsapana fa marina ny filazantsara.

mpamandrika biby

Ny mpamandrika biby dia ireo olona izay misambotra biby dia. Mivarotra ny volom-biby izy ireo.

fahitana

Ny fahitana dia zavatra izay avelan’ Andriamanitra ho hitantsika. Nahita ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy tao anatin’ny fahitana iray i Joseph Smith.

vavolombelona

Ny vavolombelona dia mahita zavatra iray ka milaza momba izany amin’ny hafa. Nisy vavolombelona nahita ireo takela-bolamena ka nilaza tamin’ny hafa fa tena misy izany.

mitsaoka

Ny mitsaoka dia midika hoe mitia sy mankatò. Tian’i Satana hitsaoka azy i Mosesy. Tokony hitsaoka an’ Andriamanitra isika.

ratra

Ny ratra dia ny toerana iray voaratra na tataka eo amin’ny vatan’ny olona iray.

Hamoaka printy